14/04/2026
Ankasitrahana feno ny Mpanolotsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Jeneraly RABEARIMANANA Lucien, tamin'ny fanomezany seza maoderina ho an’ny ISTE Fianarantsoa.
Nifanindran-dalana tamin’izany moa ny fandraisana ireo mpianatra taona voalohany Tourisme-Management, izay hiditra amin'ny Tontolon'ny Anjerimanontolo ka nisy ny fanomezana Tso-drano azy ireo.
Ary teny feno torolanana mba ho mpianatra mahay sy tsara fitondran-tena sy mendrika izy ireo.