DRCC Serasera sy Kolontsaina Matsiatra Ambony

DRCC Serasera sy Kolontsaina Matsiatra Ambony Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony. Mampiroborobo ny serasera sy ny kolontsaina.

🎙️ MPIOFANA HO MPANAO GAZETY 39 MIANADAHY NO NAHAZO FAHAIZA-MANAO VAOVAOMpiofana ho mpanao gazety 39 mianadahy no nivoak...
04/09/2026

🎙️ MPIOFANA HO MPANAO GAZETY 39 MIANADAHY NO NAHAZO FAHAIZA-MANAO VAOVAO

Mpiofana ho mpanao gazety 39 mianadahy no nivoaka rehefa nahavita soa aman-tsara ny fiofanana sy ny fianaran’asa teny an-kianja nandritra ny 4 volana.

Ny MAROLOOK sy ny DEFOM no nikarakara sy namolavola ireo mpiofana nandritra izany fotoana izany, ka nifantoka tamin’ny fanomezana azy ireo ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.

🎯 Tanjona lehibe ny hahafahan’ireo mpiofana mifehy sy mampihatra ireo asa mifanaraka amin’ny sehatra maha-matihanina azy, ary ho vonona kokoa hiatrika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

⭐Nanatrika ny lanonana ny avy amin'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny solontenany.

👏 Arahabaina ireo mpiofana 39 mianadahy noho ny fahavitan’ny fiofanana! Mirary fahombiazana sy fandrosoana ho azy ireo eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.

📸🎤 Fahaiza-manao, traikefa ary matihanina no fototry ny asa fanaovan-gazety manara-penitra.

🎬📽️PIESY GASY, Isaky ny amin'ny 8ora aligna ao amin'ny 📺TVM
03/09/2026

🎬📽️PIESY GASY, Isaky ny amin'ny 8ora aligna ao amin'ny 📺TVM

03/09/2026
🇲🇬FANATSARANA NY RAFI-PANABEAZANA ETO MADAGASIKARA🇲🇬Ho fanatsarana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara, nanatanteraka a...
02/09/2026

🇲🇬FANATSARANA NY RAFI-PANABEAZANA ETO MADAGASIKARA🇲🇬
Ho fanatsarana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara, nanatanteraka atrik'asa fakan-kevitra taty Matsiatra Ambony ny:
👉 Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena,
👉Ministeran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa,
👉 Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa,
👉Ministeran'ny Asa , ny fampananan'asa ary ny lalàna sosialy.

📌Nanatrika izao fihaonana izao ireo solotenam-panjakana avy eto an-toerana niaraka tamin'ireo Talem-paritra. Anisany nanatrika izany ny DRCC Serasera sy Kolontsaina Matsiatra Ambony.


📌 FANKAN-KEVITRA REJIONALY MOMBA NY FAMPANANANA ASA – MATSIATRA AMBONYTontosa tao amin’ny Lalan’ny Faritra Matsiatra Amb...
02/09/2026

📌 FANKAN-KEVITRA REJIONALY MOMBA NY FAMPANANANA ASA – MATSIATRA AMBONY

Tontosa tao amin’ny Lalan’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Alarobia, ny Fankahankevitra Rejionaly momba ny Fampananana Asa.

Nandritra ny dinika dia nisongadina fa mbola betsaka ireo tanora mitady asa ka mametraka tolotra sy fangatahana amin’ny sehatry ny asa, kanefa tsy mbola mifanaraka amin’izany ny isan’ny tolotr’asa misy sy mivoaka eto amin’ny Faritra.

Manoloana izany zava-misy izany, ity fankahankevitra ity dia sehatra iray hiarahana mitady vahaolana sy handrafetana paikady hampitomboana ny tolotr’asa, hanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa ary hampifanarahana bebe kokoa ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny filàn’ny tsenan’asa.

🗣️ Nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra ihany koa ireo tanora, izay afaka naneho malalaka ny heviny, ny olana sedrainy ary ny soso-kevitra entiny hanatsarana ny sehatry ny fampananana asa eto Matsiatra Ambony.

🤝 Anisan’ireo nasaina manokana tamin’ity dinika ity ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, izay nisolo tena tamin’ny alalan-dRamatoa FANILONIAINA Clermoncia.

👉 Ny fampitomboana ny asa ho an’ny tanora dia andraikitra iombonan’ny rehetra.

🚴‍♂️🇲🇬 RANDRIANASOLO JEAN, NA “SOLOBE” : MANDEHA BISIKILETA MANODIDINA AN’I MADAGASIKARA FANINDROANYFanindroany izao no ...
01/09/2026

🚴‍♂️🇲🇬 RANDRIANASOLO JEAN, NA “SOLOBE” : MANDEHA BISIKILETA MANODIDINA AN’I MADAGASIKARA FANINDROANY

Fanindroany izao no nanapahan’i Randrianasolo Jean, fantatra amin’ny anarana hoe Solobe, hevitra ny hanodidina an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny bisikileta. Efa nanatanteraka dia tahaka izao izy tamin’ny taona 2000, ka nahavita ny fihodinana an’i Madagasikara tao anatin’ny roa volana.

Ho an’ity andiany faharoa ity kosa, faritra 23 eto Madagasikara no hoteteziny, amin’ny dian-tongotra lavitra mitaky faharetana sy herim-po.

📍 Nanomboka tao Tsiroanomandidy ny 27 Jolay 2026 ny diany. Taorian’izay dia nizotra namakivaky ny tapany atsimon’i Madagasikara izy ary tonga teto Fianarantsoa androany 1 Septambra 2026.

🚴‍♂️ Tsy hijanona eto anefa ny diany. Hitohy any amin’ny Vakinankaratra, avy eo Analamanga, ary hihazo ny Atsinanana izy. Aorian’izany dia hiakatra any amin’ny tapany avaratra, hamakivaky ny tapany andrefana, ary hiverina hihazo an’Antananarivo, alohan’ny hamaranany ny diany ao Tsiroanomandidy, toerana niaingany.

🇲🇬 Dia iray mampiseho ny faharetana, finiavana ary fitiavana an’i Madagasikara izao ataon’i Solobe izao. Bisikileta iray, lalana an’arivony kilometatra ary tanjona iray: ny hanodidina indray an’i Madagasikara.

👏 Mirary soa sy fahasalamana ho an’i Randrianasolo Jean “Solobe” amin’izao diany faharoa izao!

27/08/2026
🌱 FANDROSO — FAMPIROBOROBOANA NY TANORA SY NY MPANDRAHARAHA MALAGASY 🇲🇬FANDROSO dia tetikasa natolotry ny Fanjakana ho a...
27/08/2026

🌱 FANDROSO — FAMPIROBOROBOANA NY TANORA SY NY MPANDRAHARAHA MALAGASY 🇲🇬

FANDROSO dia tetikasa natolotry ny Fanjakana ho an’ny Tanora sy ireo olom-pirenena Malagasy manana vina, finiavana ary nofinofy hanangana orinasa sy hamorona asa.

Tanjona ny hanomezana tohana sy fahafahana ho an’ireo vonona hioitra sy hiasa mafy, mba hahafahany mamorona asa ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa, ka hiala tsikelikely amin’ny fiankinan-doha amin’ny fanampiana ary hiatrika ny ho avy amin’ny fahaleovan-tena ara-toekarena.

Tsy natao ho an’ny olona iray na vondrona manokana ihany ny FANDROSO, fa tombontsoa ho an’ny Malagasy rehetra izay manana tetikasa mazava sy finiavana handroso. Ny tanjona dia ny hanova ny vina sy ny nofinofy ho lasa asa, orinasa ary fahafahana vaovao.

🤝 FANDROSO: tohana ho an’izay vonona hioitra amin’ny fiainana.
💡 Vina anio, asa rahampitso, fandrosoana ho an’i Madagasikara. 🇲🇬

✅Araka ny voalaza, dia atolotry ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Colonel RANDRIANIRINA Michael, ho an’ny vahoaka Malagasy ity tetikasa ity.

👉👉Nitarika ny fampahafantarana sy ny famelabelaran-kevitra ny Mpanolotsaina manokan'i Filohan'ny Fanavaozana sady Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ny Fandaharanasa Fandroso, RAOBELINA Andry. Notronin'i Lehiben'ny Faritra Matsiatra Ambony, Général RAHERINJANAHARY Pierre Raymond sy ny Lehiben'ny Fileovana Fianarantsoa ary ny lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanànan'i Fianarantsoa sy ireo olo-manankaja maro, anisan'izany ny Talemparitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, NARIARIMBOLOLONA Lydine Lilias.

KIREGNINA 2026 – ANDIANY VOALOHANY 🇲🇬🎉Nifarana androany 26 Aogositra 2026 ny andiany voalohany amin’ny KIREGNINA 2026 te...
26/08/2026

KIREGNINA 2026 – ANDIANY VOALOHANY 🇲🇬🎉
Nifarana androany 26 Aogositra 2026 ny andiany voalohany amin’ny KIREGNINA 2026 teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
Tafita tamin’ireo ankizy Malagasy ireo kilalao fahiny, izay anisan’ny lova mampiavaka antsika sy mampahafantatra an’i Madagasikara hatramin’izay. Tsy kilalao fotsiny izy ireny, fa mitondra sy mampita ireo soatoavina maha-Malagasy, ny firaisan-kina, ny fifanajana ary ny fiaraha-miaina. ❤️🇲🇬
Hita nandritra izao andiany voalohany izao fa liana sy tafapaka tao am-pon’ireo ankizy ireo kilalao nentin-drazana ireo. Izany no manome hery sy antony hanohizana hatrany ny fandaharanasa amin’ny taona ho avy, araka ny fandaharam-potoana napetraka.
🌿 Ho ela velona ny kilalao fahiny!
🇲🇬 Ho velona hatrany ny soatoavina Malagasy!
👧🏽👦🏽 Ho lovain’ny taranaka sy hampitaina amin’ny ankizy ny kolontsaina!

26/08/2026

Address

Tsianolondroa
Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRCC Serasera sy Kolontsaina Matsiatra Ambony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category