DREN Bongolava

DREN Bongolava Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DREN Bongolava, Government Organization, Bongolava, Bongolava.

🏆🇲🇬 IZAY ALOHA NO VITA! 🇲🇬🏆Tapitra soa aman-tsara ny JNSS 2026. 💪🏅Indro atolotra antsika ny filaharana ankapobeny JNSS 2...
19/08/2026

🏆🇲🇬 IZAY ALOHA NO VITA! 🇲🇬🏆

Tapitra soa aman-tsara ny JNSS 2026. 💪🏅

Indro atolotra antsika ny filaharana ankapobeny JNSS 2026.

👏 Arahabaina ireo mpandray anjara rehetra sy ireo delegasiona nisolo tena ny Faritra tsirairay.

💚❤️ Mankasitraka ireo atleta sy mpanazatra, mpampianatra, ray aman-dreny, mpikarakara ary ireo mpiara-miasa sy mpanohana rehetra tamin'ny ezaka sy ny fandraisana anjara.

🙏 Ho an'ny DREN Bongolava. fisaorana lehibe ho an'ireo rehetra nanohana sy nanampy tamin'ny fanatanterahana izao fifaninanana izao.

🏅 Mirehareha amin'ny zava-bita, mianatra amin'ny traikefa ary manomana ny dingana manaraka!

BONGOLAVA, VONONA HATRANY! 💪🇲🇬


RCR – DREN Bongolava

🏆🇲🇬 TONGA SOA  ETO TSIROANOMANDIDY NY DELEGASIONA DREN BONGOLAVA 🇲🇬🏆📍 Tsiroanomandidy – Bongolava📅 Alatsinainy 17 Aogosi...
18/08/2026

🏆🇲🇬 TONGA SOA ETO TSIROANOMANDIDY NY DELEGASIONA DREN BONGOLAVA 🇲🇬🏆

📍 Tsiroanomandidy – Bongolava
📅 Alatsinainy 17 Aogositra 2026 – 7 ora sy sasany alina

Tonga soa aman-tsara eto Tsiroanomandidy, ny Alatsinainy 17 Aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina, ireo delegasiona nisolo tena ny DREN Bongolava, rehefa avy niatrika ny fifaninanana nasionaly momba ny Fanatanjahantena an-tsekoly tany Mahajanga.

🙏 Isaorana indrindra ny Fitondram-panjakana, tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, noho ny ezaka sy ny fanohanana hatrany amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fanatanjahantena.

👏 Fankasitrahana manokana ihany koa no atolotra ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, ka nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao.

🤝 Isaorana ny Lehiben’ny Faritra Bongolava tamin’ny fanampiana sy fanohanana tsy tapaka ary fanotronana ireo delegasiona, ary ireo manampahefana eto an-toerana, ny Tale-paritry ny fanabeazam-pirenena Bongolava, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ary ireo mpikarakara sy mpiara-miasa rehetra izay samy nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ny delegasiona.

❤️ Mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fiaraha-mientana sy ny fanohanana!

🇲🇬 Bongolava, miray hina ary vonona hatrany hampiakatra avo ny voninahitry ny Faritra!



RCR – DREN BONGOLAVA

17/08/2026
FANOHANANA SY FANKAHEREZANA IREO DELEGASIONA AVY ANY BONGOLAVA 🇲🇬🏃‍♀️🏃‍♂️Ny harivan’ny Alakamisy 13 Aogositra 2026, tong...
14/08/2026

FANOHANANA SY FANKAHEREZANA IREO DELEGASIONA AVY ANY BONGOLAVA 🇲🇬🏃‍♀️🏃‍♂️

Ny harivan’ny Alakamisy 13 Aogositra 2026, tonga nitsidika sy nampahery ireo delegasiona avy aty *Bongolava*, izay mipetraka ao amin’ny CEG Charles Renel Mahajanga, Ramatoa lehiben’ny Faritra Bongolava, niaraka tamin’ny Lehiben’ny distrikan'i Fenoarivobe sy ireo mpiara-miasa aminy.

Niarahaba sy namporisika ireo mpandray anjara izy ireo, sady nanamafy ny fahavononana hatrany amin’ny fanohanana ireo solontenan’i Bongolava mandritra izao fifaninanana izao.

Tsy nitsahatra ihany koa ny fanehoana firaisankina sy fiahiana, ka nanolotra solon-dranomboakazo ho an’ireo delegasiona rehetra izy ireo. Nisy ihany koa ny fankasitrahana manokana ho an’ilay atleta nahazo medaly volamena 🥇 tamin’ny lancer de poids, ho fankaherezana azy amin’ny ezaka sy ny vokatra tsara azony.

🙏 Mankasitraka indrindra an-dRamatoa Lehiben’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa aminy izahay, noho izao fitsidihana izao, ary indrindra noho ny tsy fanadinoana sy ny fanohanana hatrany ireo zanak’i Bongolava misolo tena ny faritra hoy ny tale-paritra.

🏆🇲🇬 TONGASOA ETO MAHAJANGA – DREN BONGOLAVA 🇲🇬🏆📍 CEG Charles Renel – MahajangaTongasoa eto Mahajanga ireo delegasiona mi...
09/08/2026

🏆🇲🇬 TONGASOA ETO MAHAJANGA – DREN BONGOLAVA 🇲🇬🏆

📍 CEG Charles Renel – Mahajanga

Tongasoa eto Mahajanga ireo delegasiona misolo tena ny **DREN Bongolava, izay tonga hiatrika ny Fifaninanana Nasionaly momba ny Fanatanjahantena an-tsekoly.

🚍 Vita soa aman-tsara ny dia, ary tonga am-pilaminana eto amin’ny toerana handraisana ny fifaninanana ireo mpifaninana sy ny delegasiona rehetra.

💪 Vonona tanteraka hiatrika ny fifaninanana ireo solontena avy amin’ny Faritra Bongolava, ka hitondra am-pireharehana ny anaran’ny faritra sy hiaro ny voninahiny eo amin’ny sehatra nasionaly.

🙏 Fisaorana lehibe no atolotra ireo mpiara-miasa, ray aman-dreny, mpanohana ary tompon’andraikitra rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanomanana sy nanamora ny fahatongavan’ny delegasiona teto Mahajanga.

🇲🇬 Bongolava, miray hina – vonona hiady ho an’ny fandresena!💪🏅



RCR – DREN BONGOLAVA

🏆🇲🇬 FITSOFANDRANO IREO SOLOTENA AVY AMIN’NY FARITRA BONGOLAVA 🇲🇬🏆Natao androany ny fitsofandrano ireo mpifaninana sy ny ...
07/08/2026

🏆🇲🇬 FITSOFANDRANO IREO SOLOTENA AVY AMIN’NY FARITRA BONGOLAVA 🇲🇬🏆

Natao androany ny fitsofandrano ireo mpifaninana sy ny delegasiona rehetra hisolo tena ny Faritra Bongolava amin’ny Fifaninanana Nasionaly momba ny Fanatanjahantena an-tsekoly, izay hotanterahina any Mahajanga ny 10 ka hatramin'ny 16 aogositra oavy izao.

💪 Vonona tanteraka ireo solontena ary tapa-kevitra ny hiaro sy hampiakatra avo ny voninahitry ny Faritra Bongolava amin’ity fifaninanana nasionaly ity.

🙏 Isaorana manokana ny Lehiben’ny Faritra Bongolava tamin’ny fanomezana fanamiana sy vatsin-dalana ho an’ireo solontena, izay maneho ny fanohanana sy ny fahatokisana omena ny tanora mpanao fanatanjahantena.

Mankasitraka ihany koa ny Prefen’i Tsiroanomandidy, miadidy ny Faritra Bongolava, tamin’ny fanohanana sy ny fahavononany hatrany amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena an-tsekoly.

❤️ Farany, maneho fisaorana sy fankasitrahana lehibe ho an’ireo ray aman-dreny izay manohana sy mamporisika hatrany ireo zanany amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanatanjahantena.

🇲🇬 Bongolava, vonona hiatrika ny Nasionaly!
💪 Herim-po – Firaisankina – Fahombiazana!








*RCR – DREN BONGOLAVA*

06/08/2026
04/08/2026
04/08/2026

Address

Bongolava
Bongolava
00119

Telephone

+261346580494

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share