16/12/2022
Resy lahatra ny mpianatra paramed fa fototry ny fahasalamana ny fanjariantsakafo, ka nangataka ny hiofana amin'izany izireo alohan'ny hiasany. Ny mpianatra L3 tao amin'ny ISISFA Antsiranana no nofanina teto.
Nifaranana tamin'ny fiarahana miala hetaheta ny fiofanana, ary nomena fanamarinana ny fahavitany fiofanana momba ny fanjariantsakafo ny mpianatra rehetra.
Faly ny rehetra ary nanome toky ry zareo fa raha misy ilàn'ny ORN DIANA azy dia vonona ny tsirairay hifanome tànana.