05/02/2026
Plateforme des Associations des Femmes Antsiranana!
Hiompagna bebe kokoa amin'ny endriky fanabeazagna ny magnangy, irô hetsiky hankalazagna ny 8 mars 2026 eto Antsiranana. Lohahevitry telo (3) no ndeha hifanakalözandrô, ao agnatin'izegny ny:
✅ Autonomisation des femmes
✅ Lutte contre la violence et l'égalité
✅ Participation des femmes aux élections
Irô no fagnavaozagna ho ezahin'ny birao vaovao tarihin'ny Filohany Pr LANDY Soambola Amélie, amiagna ny viavy eto Antsiranana ho an'ity taogno 2026 ity. Tsy hijanogno amin'ny 8 mars fo irô hetsiky voatanisa irô fa ho tohizagna mandritran'ny taogno izay ho hanokafagna fiaraha-miasa amindrô haino aman-jery misy eto an-toeragna.
Magnasa anao agnaraka tsy tapaka ny pejy!
📝 Le Coin du Nord