02/09/2026
🏛️ TETIBOLA 2027 : VAKINANKARATRA MANDRAY ANJARA AMIN’NY FAMETRAHANA IREO LAHARAM-PAHAMEHANA HO AN’NY FAMPANDROSOANA
"Ny filàn’ny vahoaka no fototra, ny tetibola no fitaovana, ary ny fampandrosoana no tanjona."
📍 Notanterahina ny Talata 01 Septambra 2026, tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny fandrafetana ny Tetibolam-panjakana 2027.
Ramatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina, Lehiben’ny Fileovan’Antsirabe, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana. Nisolo tena ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra kosa Ramatoa RAMAMONJISOA Riana Tsiry Miarana, Tale misahana ny Fandraharahana sy ny Vola eo anivon’ny Faritra.
🤝 Niara-nidinika ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana, Sampandraharaham-panjakana, Fiarahamonim-pirenena, solontenan’ny tanora ary mpiara-miombona antoka, mba hamaritana ireo laharampahamehana mifototra amin’ny filàna eny ifotony.
🎯 Kendrena ny hamadihana ireo filàna sy sosokevitra ho tetikasa mazava sy asa azo tanterahina, hitondra vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka.
🌾 Vakinankaratra : Faritra mamokatra, mandray andraikitra ary manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana maharitra.