25/03/2026
🚨🚨 FANAMBARANA OFISIALY – 💥💥
Izahay AN TA FA - Antenimieran'ny Tanora hoan'ny Fanorenana sy ny Fahaleovantena sehatra itambaran'ny Tanora mpitolona (GEN Z, GEN Y, GEN X ary ireo fikambanana Tanora manerana an’i Madagasikara), dia manao izao fanambarana izao:
🎯 Voalohany, tsy miditra amin’ireo ady politika sy “scandales” miseho ankehitriny izahay. Mazava ny iraka sy vina entinay (araka ny efa hitantsika sy dradrainay atrizay na teny ankianja na teto amin’ny pejy ).
➡️ Ny ady politika dia anjaran’ny mpanao politika,
➡️ Ny kolikoly kosa misy rafitra sy andrim-panjakana miandraikitra izany.
🎯 Faharoa, mbola mifantoka tanteraka amin’ny fanatanterahana ny iraka sy ny fanorenana ny hoavy izahay.
Amin’izao ankatoky ny fanendrena Governemanta vaovao izao dia:
✔️ Ilaina ny fitoniana ho an’ny firenena,
✔️ Tokony hisy ny fanohanana ny Praiminisitra amin’ny safidy olona mendrika hapetraka amin’ny toerana,
✔️ Ary koa ny fanampiana an’i Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM hisafidy ireo minisitra tena mahay sy mendrika.
👉 Zava-dehibe aminay ny fisian’ny andraikitry ny Tanora ao anatin’izany rafitra izany, satria efa nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona sy fanavaozana izahay.
Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO
GEN Y Madagascar
Gen Z Madagasikara Ofisialy
GEN Y Madagascar Ofisialy
Assedu -Mada
🎯 Fahatelo, ny tombontsoam-pirenena no laharam-pahamehanay, fa tsy ny firotsahana amin’ny ady politika na fanarahana resaka tsy mitondra vahaolana ( ireto scandale gauche à droite ireto , Ary ireo kalikajy politique, sy karazana ireto ampamoka izay samy manao ny azy izao )
🎯 Farany, manamafy ny firaisankina amin’ireo Tanora any Toamasina ( ANTAFA-Province Toamasina Gen Z Atsinanana Génération Y Sihanaka ) izahay, izay mbola iharan’ny voka-dratsin’ny rivodoza GEZANI:
➡️ Mbola maro no traboina, very fananana, ary simba ny fivelomana.
📢 🚨 Miantso ny Fanjakana izahay mba hijery akaiky sy hanohana manokana:
👉 ireo Tanora, indrindra fa ireo Tanora mpandraharaha izay mbola tsy nahazo fanampiana hatramin’izao.
🤝 Mitohy ny tolona, mitohy ny fanorenana.
Ho an’i Madagasikara, ho an’ny hoavy.
ANTAFA-Province Antananarivo
ANTAFA-Province Mahajanga
ANTAFA-Province Fianarantsoa
Antafa Province Diégo
Antafa Faritra Vatovavy
ANTAFA-Ambilobe Officiel
ANTAFA-Région Ambatosoa
ANTAFA-Toamasina II
ANTAFA-Région Betsiboka