GRAD/Iloafo

GRAD/Iloafo '' TSY LAHATRA AKORY NY FAHANTRANA ''

05/09/2026
za Adino ary ny fotoanantsika rahampitso ⚪🔴🟢🔥 DINIDINIKA AMBANY TAFOTRANO & FIHAONAN’NY MANANTALENTALohahevitra lehibe: ...
04/09/2026

za Adino ary ny fotoanantsika rahampitso ⚪🔴🟢
🔥 DINIDINIKA AMBANY TAFOTRANO & FIHAONAN’NY MANANTALENTA
Lohahevitra lehibe: FARITRA MIZAKA TENA ho entintsika amin’ny revy milay 🇲🇬✊🏽
📍 Toerana : CNFPPSH (HANDICAPE) AMPANDRIANOMBY
📅 Daty : Sabotsy 05 septambra 2026
🕘 Ora : 09:00 maraina
🔥 Tongava maro!
🤝 Aoka ny hevitra samihafa hifanena, fa ny tanjona iray: Madagasikara mandroso!

31/08/2026

🇲🇬 HAMAFISINA NY FOKONTANY, HAMAFISINA NY IFOTONY!
Ny Fokontany no fototra akaiky indrindra amin’ny fiainan’ny vahoaka. Eo no ahafantarana ny tena zava-misy, ny filàna, ny olana ary ny fanantenan’ny mponina.
Tsy tokony ho rafitra tsotsotra fotsiny izy, fa tokony homena lanja, fahefana, fitaovana ary loharanom-pitaovana hahafahany mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana.
Ny fampandrosoana tena izy dia tsy tokony hijanona eny an-tampony, fa tokony hanomboka eny ifotony.
👉 Raha matanjaka ny Fokontany, matanjaka ny vahoaka.
👉 Raha mandroso ny ifotony, mandroso ny Kaominina.
👉 Ary raha mandroso ny fototra, mandroso i Madagasikara.
Koa andao isika hiara-hisaina sy hiara-hiasa amin’ny fanomezana toerana mendrika ny Fokontany ao anatin’ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena.
HAMAFISINA NY FOKONTANY!
HAMAFISINA NY IFOTONY!
MANDROSO I MADAGASIKARA! 🇲🇬

Izahay mpikambana ato amin’ny IFR (Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika) dia maneho fankasitrahana sy fisaorana antsika rehe...
29/08/2026

Izahay mpikambana ato amin’ny IFR (Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika) dia maneho fankasitrahana sy fisaorana antsika rehetra, indrindra fa ny vahoaka teto amin’ny Boriborintany Faha 2 sy Faha 3.

Misaotra indrindra tamin’ny fahatongavana maro sy ny fandraisanareo anjara tamin’ny dinidinika nataontsika androany, Asabotsy 29 Aogositra 2026.

Tonga maro tokoa isika, ary manaporofo izany fa mbola vonona ny handray anjara amin’ny fanorenana sy hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara isika. 🇲🇬

Ho avy eny amin’ny Boriborintany Faha 5 sy Faha 6 indray izahay!

Mbola manasa antsika rehetra hatrany handray anjara amin’izao fiaraha-mientana izao
⚪🔴🟢 ISIKA MIARAKA NO HANOVA NY TANTARA MALAGASY IRAY IHANY ⚪🔴🟢

Hivahiny ao amin’ny fandaharana « ALEO RESAHANA – ANAO NY SEHATRA », ao amin’ny TV RECORD MADAGASCAR, ny Filoha Mpitarik...
27/08/2026

Hivahiny ao amin’ny fandaharana « ALEO RESAHANA – ANAO NY SEHATRA », ao amin’ny TV RECORD MADAGASCAR, ny Filoha Mpitarika ny IVON’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA (I.F.R), Andriamatoa RABETSITONTA Tovonananahary Andriamaneho, ny Asabotsy 29 Aogositra 2026 amin’ny 8 ora alina. Hiresaka momba ny fiainam-pirenena sy ny zava-misy eto Madagasikara izy, ary hanazava manokana ny atao hoe Faritany Mizaka Tena. Hodinihina mandritra izany ny fomba mety hampiharana ity rafitra ity sy ny tombontsoa mety hoentiny amin’ny fampandrosoana isam-paritra. Araho ary ity fandaharana ity hahazoana fanazavana mazava momba ireo olana sy ny vahaolana maharitra ho an’ny hoavin’ny Madagasikara.

26/08/2026

🔥 DINIDINIKA AMBANY TAFOTRANO & FIHAONAN’NY MANANTALENTA ETO AMIN'NY BORIBORITANY FAHA 2 SY FAHA 3 SY NY MANODIDINA
Lohahevitra lehibe: FARITANY MIZAKA TENA ho entintsika amin’ny revy milay 🇲🇬✊🏽
📍 Toerana : TRANO MANGA TSIADANA AMPASANIMALO
📅 Daty : Sabotsy 29 Aogositra 2026
🕘 Ora : 09:00 maraina
🔥 Tongava maro!
🤝 Aoka ny hevitra samihafa hifanena, fa ny tanjona iray: Madagasikara mandroso!

25/08/2026

Ho antsika eto amin'ny BORIBORITANY FAHA 2 SY FAHA 3 tonga eto amintsika ny : DINIDINIKA AMBANY TAFOTRANO & FIHAONAN’NY MANANTALENTA
Lohahevitra lehibe: FARITANY MIZAKA TENA ho entintsika amin’ny revy milay 🇲🇬✊🏽

📅 Daty : Sabotsy 29 Aogositra 2026
🕘 Ora : 09:00 maraina

🔥 Tongava maro!
🤝 Aoka ny hevitra samihafa hifanena, fa ny tanjona iray: Madagasikara mandroso!

Izahay mpikambana ato amin’ny IFR (Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika) dia maneho fankasitrahana sy fisaorana antsika rehe...
22/08/2026

Izahay mpikambana ato amin’ny IFR (Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika) dia maneho fankasitrahana sy fisaorana antsika rehetra, indrindra fa ny vahoaka teto amin’ny Boriborintany Voalohany.

Misaotra indrindra tamin’ny fahatongavana maro sy ny fandraisanareo anjara tamin’ny dinidinika nataontsika androany, Sabotsy 22 Aogositra 2026.

Tonga maro tokoa isika, ary manaporofo izany fa mbola vonona ny handray anjara amin’ny fanorenana sy hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara isika. 🇲🇬

Ho avy eny amin’ny Boriborintany Faharoa indray izahay!

Mbola manasa antsika rehetra hatrany handray anjara amin’izao fiaraha-mientana izao

Address

Lot III J Andavamamba Anatihazo II
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00
Sunday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GRAD/Iloafo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share