Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana

Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana SEMPIFAFI

11/06/2026

✳️✳️Amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fahaleovantena izao dia tsara ny mampahatsiahy antsika fa :

- Ny asa atao am-pitiavana sy fahamarinana ary fanetren-tena dia miantoka ny kalitao.
- Ny kalitao dia miantoka ny fampandrosoana ny sehatra misy anao, ohatra ny fikirakirana ny fanadinana amin'izao vanim-potoana izao.
- Rehefa mandroso ny sehatra misy ny tsirairay dia mandroso ny firenena.

Mitondra ny teny Fisaorana ho an'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, ny Filankevitra ambonin'ny Fanavaozana, ny Praimini...
10/06/2026

Mitondra ny teny Fisaorana ho an'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, ny Filankevitra ambonin'ny Fanavaozana, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny Minisitry ny Fiompiana ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana amin'ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon'ireo Ministera ireo indrindra ny tolo-kevitra avy aty amin'ny SEMPIFAFI.

Zava-dehibe ho an'ny Sendika ny mametraka ny olona tokony ho izy amin'ny toerana tokony ho izy.

Mirary anareo voatendry ny Sendika hahavita be, hahaleo hahalasana amin'ny asam-pampandrosoana ny sehatra anankiroa ireo satria fototra iorenan'ny fampandrosoana ny Firenena ny asam-pamokarana.

Ho anareo teknisianina niofana sy nivoaka tamin'ireny toeram-piofanana ireny dia vaovao mahafaly ho an'ny SEMPIFAFI izan...
10/06/2026

Ho anareo teknisianina niofana sy nivoaka tamin'ireny toeram-piofanana ireny dia vaovao mahafaly ho an'ny SEMPIFAFI izany satria anisan'ireo fangatahana maro efa nataon'ny sendika tao anaty "protocole d'accord" teo anivon'ireo ambaratongam-pahefana Mahefa rehetra.
Ny irarian'ny sendika dia ny mba hahatanterahany izany satria tosika lehibe amin'ny Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izany.

Le gouvernement veut rapprocher les services agricoles des producteurs. Gaetan Ramindo, ministre de l’Agriculture et de la souveraineté alimentaire, dévoile un plan de recrutement d'envergure nationale destiné à transformer l'accompagnement des producteurs locaux lors de la séance de rencontre entre quelques membres de l'Exécutif et les députés à l'Assemblée nationale mardi. Il évoque le recrutement massif de 2 000 agents vulgarisateurs à mettre en place au niveau des communes.

Pour lire l'article : https://wp.me/p9VXcr-uIK

Mankasitraka ny fitondram-panjakana amin'ny ezaka ataonareo ho fitsinjovana ny mpiasam-panjakana. Dingana ihany izany fa...
10/06/2026

Mankasitraka ny fitondram-panjakana amin'ny ezaka ataonareo ho fitsinjovana ny mpiasam-panjakana.
Dingana ihany izany fa efa zava-dehibe manoloana ireo fitakiana maro nataon'ny sendika ho fanatsarana ny tontolon'ny asam-panjakana.

10/06/2026
06/06/2026
06/06/2026

Zava-dehibe ny fanohanana ny tantsaha ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana dia mitondra ny teny Fisaorana ho an'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaoz...
04/06/2026

Ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana dia mitondra ny teny Fisaorana ho an'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, ny Filankevitra ambonin'ny Fanavaozana, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta ary ny Minisitry ny Fiompiana tamin'ny fanendrena ireo olom-panjakana ambony eo anivon'ny Minisitera ny Fiompiana fa indrindra ireo tolo-kevitra avy amin'ny SEMPIFAFI.

Mirary azy ireo hahefa be amin'ny asam-pampandrosoana ny Sendika ary hampisy fiantraikany marina tokoa amin'ny Fampiroboroboana ny sehatry ny Fiompiana eto Madagasikara.

Manentana ny mpiasa rehetra ihany koa ny SEMPIFAFI na ny eo anivon'ny Minisitera ny Fiompiana izany na ny eo anivon'ny Minisitera ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo hisikim-ponitra, hiray hina ho fampandrosoana ireo sehatra roa ireo satria tao-trano tsy vita irery ny asam-pampandrosoana an'i Madagasikara ka ny tsirairay avy dia manana andraikitra feno amin'izany.

Ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana (SEMPIFAFI) dia miarahaba ny Fikambanana Silamo nahatratra ity Andro...
27/05/2026

Ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana (SEMPIFAFI) dia miarahaba ny Fikambanana Silamo nahatratra ity Andro anio ity.

23/05/2026

📌𝗔𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔
💬 “𝗠𝗶𝗹𝗮 𝗵𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗶𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗲𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗹𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗲𝗷𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮”

🏛️ Efa tamin'ny taona 60 ny ankamaroan'ny fanapahan-kevitra mbola ampiharina mikasika ny asam-panjakana sy iainan'ny mpiasa ao aminy. Maro ireo tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro.

🤝 Ezaka lehibe apetraky ny Fitondrana ny fanatsarana ny fari-piainan'ny mpiasam-panjakana.

🔹𝗡𝘆 𝗲𝘇𝗮𝗸𝗮 𝗲𝗳𝗮 𝘃𝗶𝘁𝗮

🗣️ Nampahatsiahy ny dingana efa vitan'ny Governemanta Fanavaozana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, 𝗗𝗘𝗡𝗜𝗦 Franconio Mac, nandritra ny fitsidihany ny Foibem-paritry ny Minisitera tao Mahajanga, ny zoma 22 Mey 2026.

✅ Maro ny fampirisihana ny mpiasam-panjakana entin'ny fitondrana. Isan'izany ny fanomezana ny "prime de fin d'année" ho an'ny mpiasam-panjakana rehetra. Misy ihany koa ireo fanapahan-kevitra efa eo am-panitsiana.

🔹𝗧𝗮𝗺𝗯𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮

⚖️ Ho tambin'izany eo amin'ny asam-bahoaka, dia tokony ho tsaratsara kokoa hatrany ny tolotra entin’ny mpiasam-panjakana. Ezahina hafainganana ny fikirakirana ny taratasy satria izany dia fomba ahafahana miady amin’ny kolikoly.

📄⚡ Fahiny dia nanana ny maha-izy azy teo anivon'ny fiarahamonina ny mpiasam-panjakana. Adino izany ankehitriny, ka miezaka mamerina izany ny fitondram-panjakana.

🔹𝗟𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮

📲 Ho an'ny MTEFoP dia nohatsaraina ny fandraisana olona sy ny tolotra omena azy ireo. Napetraka ny laharana manokana hifandraisana amin’ny Minisitra, ahafahan'ny vahoaka mandefa fitarainana, fankasitrahana na fanamarihana.

👏 Nankasitrahan'ny Minisitra manokana ny ezaka nataon'ny mpiara-miasa teto amin'ny DRTEFoP Boeny tamin'ny fampandrosoana nentin'izy ireo tamin'ny asa rehetra.

✨🇲🇬 “Ny fanavaozana ny asam-panjakana dia lalana iray hanarenana ny hasin’ny mpiasa sy hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka.” 🤝🏛️

Address

Anosy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share