05/06/2026
𝐅𝐚𝐦𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 Chef de service LNDV 𝐬𝐲 ny Tale LNDV 𝐌𝐈𝐍𝐄𝐋
➖ Tontosa ny 05 Jona 2026, teo anivon'ny Minisiteran'ny Fiompiana teny Ampandrianomby, ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny " Chef de service des Laboratoires Nationale de Diagnostic Vétérinaire" teo aloha Andriamatoa RAMILIJOHN Toky Nantenaina sy Andriamatoa RANDRIAMPARANY Tantely izay voatendry ho Talen'ny " Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire" araky ny didim-panjakana noraisina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra, ny 02 Jona 2026.
➖Naneho fisaorana feno ny lehiben'ny Sampan-draharaha teo aloha, ny Tale Jeneralin'ny "Affaires Administratives'' no Sady Sekretera Jeneraly mpisolo toerana ary nanentana sy nanamafy tamin'ny Tale vao voatendry hitondra fanavaozana ary hiara hientana amin'ny Fampandrosoana ny Fiompiana eto Madagasikara.
“𝗙𝗶𝗼𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗼𝗱𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮, 𝗳𝗶𝗱𝗶𝗿𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗼𝗺𝗽𝘆, 𝗹𝗼𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻-𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.”