KFIM Ofisialy

KFIM Ofisialy KFIM dia vovonana politika mirona amin'ny foto-kevitra politika mazava. Fitiavan-tanindrazana sy Fiandrianam-pirenena.

Tsy atakalo tombontsoa manokana ireo fa ireo no ivon'ny fampandrosoana ny firenena.

08/09/2026

BEMOLANGA.
Harenantsika, fananantsika, ankehitriny ampiasaina amin'ny fanamboaran-dàlana ao Morafenobe ny tara ao Bemolanga.

Fotoana izao hamerenana indray itony hira itony. Efa ela no nihirana azy fa ankehitriny efa misy finiavana sy fahasahiana amin'ny fampiasana ny harenantsika ho amin'ny tombotsoan'ny Malagasy.

Asa angamba atsy ho atsy, isika tsy ho lany vatsy...

Se videoer med det samme på Bing. Få direkte afspilning, opdag relaterede klip, og dyk ned i populært indhold på ét sted.

📌 03.08.2026 | Voatendry anio ireo mpikambana mandrafitra ny Komity Teknika hitarika ny Fikaonandoham-pirenena.Mankahery...
03/09/2026

📌 03.08.2026 | Voatendry anio ireo mpikambana mandrafitra ny Komity Teknika hitarika ny Fikaonandoham-pirenena.

Mankahery ary mirary azy ireo ahefa be amin'ny adidy hiantsorohany.

Voatendry ho isan'ny mpikambana Andriamatoa Soja Fulgence izay Filohan'ny Albinos Madagascar ary arahabaina manokana izy.

Miroso hatrany isika.

📌 01.08.2026 | DINIKA FAKAN-KEVITRA NOKARAKARAIN'NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA.Isan'ny Vondrona politika noraisin'ny Filohan...
03/09/2026

📌 01.08.2026 | DINIKA FAKAN-KEVITRA NOKARAKARAIN'NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA.

Isan'ny Vondrona politika noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana, Michaël RANDRIANIRINA, izay notronin'ny Mpanolotsaina Avo, RAMPANARIVO Thierry, sy ireo vondrona iraisam-pirenena, isika KFIM.

Nifantoka amin'ny fifidianana ho avy ny resaka ka nandroasoan'ny KFIM ireo sosokevitra izay efa nosoniavin'ny mpikambana rehetra ny 16 janoary 2026. Nametraka ihany koa ny Mpitarika ny KFIM fa tsy azo hirotorotoana ny fifidiananana raha toa tsy tomombana sy mazava amin'ny rehetra ny zotran-dàlana ho atao hahatongavana amin'izany.

🗓️ Tsy tokony ho teren'ny fotoana isika fa ny tanjona dia ny tsy hiverimberenan'ny krizy intsony. Vina mazava ny an'ny KFIM dia ny ahafahantsika manana fifidianana madio, tsy mitanila ary manaja ny sata repoblikana. Fiandrianampirenena ny fifidianana ka tsy tokony ho salovanin'ny vahiny. Tsy manda fanohanana sy fiaraha-miasa ny KFIM fa manohitra kosa ny fitsabahana amin'ny raharahan'ny firenena.

📑Natolotra ny filohan'ny Fanavaozana ny fehin-kevitra sy ny sosokevitra ho anjara biriky avy amintsika ho entina mamaha ny olonan'ny firenena.

✊MIROSO HATRANY ISIKA.

📌 Miezaka mandiso ny adihevitra ireo solombavambahoaka maro an'isa ao Tsimbazaza mpiaradia sy mpanohana mafatrapo an'i A...
26/08/2026

📌 Miezaka mandiso ny adihevitra ireo solombavambahoaka maro an'isa ao Tsimbazaza mpiaradia sy mpanohana mafatrapo an'i Andry Rajoelina, ary manao fanaratsiana isan-karazany ny KFIM.

Rehefa fakafakaina ny tena olan'ireo mpamatsy vola, dia ireo fanapahan-kevitra politika raisin'ny fitondrana ankehitriny, izay fanapahan-kevitra tohanan'ny , hita fa manohitohina ny tanjak'ireo firenena mpanjanaka no manahirana azy ireo.

1. Terena isika hametraka vidin'ny solika hifanaraka amin'ny vidy iraisampirenena izay tsy azo ekena ao anatin'izao sedra ara-ekonomika atrehantsika izao.

2. Maro ny sakantsakana atao amin'ny ezaka fanafarana mivantana solika ho an'ny JIRAMA, fa miroso hatrany ny fitondrana.

3. Fanomezana vahana ny fampiasana ny menaka mavesatra ao Tsimiroro izay hanomezana vahaolana fanampiny ho an'ny JIRAMA.

Fa maninona loatra no mipetraka ny sakantsakana amin'ny famahana ny olan'io orinasa malagasy io?

Sahiran-tsaina ireo mpanao kenda roroka ny firenena ireo rehefa ho tonga amin'ny fahaleovantena amin'ny famokarana angovo i Madagasikara. Ny mety amin'izy ireo dia isika hiankindoha lava.

Ry Solombavambahoaka hajaina, tolona nataon'ny malagasy ny fangatahana fandravana ny Antenimieram-pirenena fa tsy fankahalana olona.

Androany dia mbola porofoinareo fa tsy manana etika ianareo. Miovaova loko sy manao sakaizan'ny mpandresy no maha setry anareo fa tsy tombontsoa ho an'ny vahoaka maro an'isa.

Apetrakay ho adihevitra ao anatin'ny Fikaonandoham-pirenena io fandravana io ka ny mpizaika no hanapaka ny mety ho an'ny firenena, aza lany andro manenjika ny KFIM fa tenin'ny vahoaka no hentinay fa tsy tombontsoan'olombitsy.

📺 21.08.2026 | Fandaharana Dinika MBS.Hivahiny ao amin'ny MBS Nantenaina Rakotonirina, Filoham-boamiera serasera, ao aor...
21/08/2026

📺 21.08.2026 | Fandaharana Dinika MBS.

Hivahiny ao amin'ny MBS Nantenaina Rakotonirina, Filoham-boamiera serasera, ao aorian'ny vaovao.

Adihevitra mifantoka amin'ny fiainam-pirenena sy ny resaka Antenimieram-pirenena.

Manasa anao hanaraka.

📺 Hivahiny ao amin'ny fandaharana Ankitsimpo, Kolo TV - Elia Rabevahiny Filohan'ny KFIM.Hiresahana ny raharaham-pirenena...
21/08/2026

📺 Hivahiny ao amin'ny fandaharana Ankitsimpo, Kolo TV - Elia Rabevahiny Filohan'ny KFIM.

Hiresahana ny raharaham-pirenena: Fikaonandoham-pirenena, JIRAMA, KFIM.

Manasa antsika hanaraka.

🚨🚨 ALERTE BETSIBOKA Mivaza tanteraka izao fitondrana misy ankehitriny izao ireo mpanao asa ratsy.Rehefa tsy ahitany rira...
21/08/2026

🚨🚨 ALERTE BETSIBOKA

Mivaza tanteraka izao fitondrana misy ankehitriny izao ireo mpanao asa ratsy.

Rehefa tsy ahitany rirany ny any atsimo dia mivadika aty avaratra andrefana ny Nosy indray izy ireo. Alina tamin'ny 12ora teo ho eo no nisy andian-jiolahy folo mahery mirongo basy niditra ankeriny tao amin'ny tokantrano nisy ity zaza manana toe-tena VARIRA ity, tao amin'ny Fokontany Bemarivo Atsinanana C/R Maevatanana II.

Zaza manana toe-tena VARIRA 5 taona i SANDRATRINIAINA no lasan'ireo jiolahy tsy mataho-tody ireo, ka mbola ao anatiny fanarahan-dia tanteraka ny fokonolona sy ireo mpitandro filaminana.

Source: Soja Fulgence/Filohan'ny Albinos Madagascar.

📌 21.08.2026 | Valinteny ataon'ny olompirenena ho an'ireo mpanao politika mpivadibadika sy ny fandravana ny Antenimieram...
21/08/2026

📌 21.08.2026 | Valinteny ataon'ny olompirenena ho an'ireo mpanao politika mpivadibadika sy ny fandravana ny Antenimieram-pirenena.

Sombitsombiny ireto fa amin'ny ankapobeny dia tsy matoky azy ireo (mpanao politika sarakan-tsaha) ny vahoaka.
Leo ilay fanaovana politika tsy misy etika na kely aza ny olona.

Ny KFIM Ofisialy dia mijoro sy mivoy ary miaina ilay etika efa nibeazana sy nitolomana hatrizay.
Tsy nivadika tamin'ny vahoaka na dia mafy aza no niaretana tao anatin'ny 16 taona nanoherana ilay mpitondra teo aloha.

✊ Nda handeha hanorina Ifotony ilay fanaovana politika.

📌 Orinasa JIRAMA, endriky ny fiandrianam-pirenena.Efa manao ezaka ny Filohan'ny Fanavaozana amin'ny fandraisana fanapaha...
20/08/2026

📌 Orinasa JIRAMA, endriky ny fiandrianam-pirenena.

Efa manao ezaka ny Filohan'ny Fanavaozana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra feno fahasahiana sy mijery ny tombontsoan'ny maro an'isa:
- mividy milina vaovao,
- mamerina ny fitrandrahana ny menaka mavesatra ao Tsimiroro,
- manafatra Gasoil mivantana ho fampihenana ny vola mivoaka,
- manafoana ireo fifanarahana mambotry ny JIRAMA.

Aza misalasala na mijery intsony Andriamatoa Tale Jeneraly fa raiso ny andraikitra.
Ny adinao dia adin'ny Malagasy iray manontolo. Izay manenjana anao hanavotra io orinasa io dia fahavalon'ny Malagasy.

Efa any aminao izao ny baolina, dakao hiditra ao anaty harato.



📌Mihoatra ny 3 000 ianareo mpanaraka ny   nanomboka tamin'ity herinandro ity.Mankasitraka indrindra amin'ny fanehoan-kev...
19/08/2026

📌Mihoatra ny 3 000 ianareo mpanaraka ny nanomboka tamin'ity herinandro ity.

Mankasitraka indrindra amin'ny fanehoan-kevitra, tsikera, tolokevitra ho an'ity firenentsika ity sy ny

✊Miroso hatrany isika.

Address

Andravoahangy Ambony
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KFIM Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share