26/03/2026
✳️✳️Nizotra am-pilaminana ny lanonana famindram-pitantanana teo amin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Dr HANITRINIAINA Elys Karena, sy ny Minisitra vaovao, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina, ny alakamisy 26 martsa 2026.
▶️Nandritra izany, naneho ny fahavononany amin'ny fanoloran-tena hampandroso ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara Ramatoa Minisitra vaovao.
▶️Nanamafy ihany koa izy amin'ny fanohizana ny "protocole d'accord", ary naneho fankasitrahana ny zava-bitan'ny Minisitra teo aloha.
▶️Nanatitra fisaorana ihany koa ny Minisitra teo aloha, ary nirary soa amin'ny adidy sy andraikitra hanatsarana ny hoavin'ny Zaza Malagasy.
UCOM MEN/ Martsa 2026