Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana

Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana Page officielle du Ministère du Commerce et de la Consommation, MADAGASCAR

[01 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 05 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]FIAROVANA NY MPANJIFA𝙉𝙖𝙣𝙖𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩...
05/06/2026

[01 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 05 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]
FIAROVANA NY MPANJIFA
𝙉𝙖𝙣𝙖𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙫𝙖𝙧𝙤𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚 (𝙨𝙪𝙥𝙚𝙧𝙢𝙖𝙧𝙘𝙝é) 𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙜𝙖𝙯𝙖𝙮 𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙗𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙩𝙨𝙞𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙤𝙡𝙞𝙠𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙤 𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙖𝙫𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).

📌Nahatratrarana entana simba sy lany daty toy ny fromazy, vatomamy, sokolà, bisky, dibera, atody, ranom-boankazo, fitaovana fanadiovana, lakaoly tao amin’ireo toeram-pivarotana sy magazay ireo nandritra ny fitsirihana nataon’ny mpanaramaso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.

➡️Noesorina avy hatrany teny amin’ny teny amin’ny talantalana nametrahana azy ho hitan’ny mpanjifa ireo entana ireo ary nogiazana, eo am-piandrasana ny fahavitànan’ny fombafomba rehetra, mialohan’ny hanapotehana azy. Etsy ankilany dia mandeha ny fanadihadiana momba ireo entana tsy tokony ho atolotra intsony ny mpanjifa ireo.


05/06/2026

FANKALAZANA NY 0️⃣7️⃣ 𝙅𝙊𝙉𝘼 - 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙄𝙍𝘼𝙄𝙎𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙁𝙄𝘼𝙉𝙏𝙊𝙃𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙍𝘼-𝙋𝘼𝙃𝘼𝙎𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 (𝙅𝙄𝙎𝙎𝘼) SY NY FAHA-20 TAONAN’NY KOMITY NASIONALY CODEX ALIMENTARIUS (CNCA)

Fantaro ny atao hoe Fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo sy ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius.

🌐FANKALAZANA NY 0️⃣7️⃣ 𝙅𝙊𝙉𝘼 - 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙄𝙍𝘼𝙄𝙎𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙁𝙄𝘼𝙉𝙏𝙊𝙃𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙍𝘼-𝙋𝘼𝙃𝘼𝙎𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 (𝙅𝙄𝙎𝙎𝘼) SY NY FAHA-2...
04/06/2026

🌐FANKALAZANA NY 0️⃣7️⃣ 𝙅𝙊𝙉𝘼 - 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙄𝙍𝘼𝙄𝙎𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙁𝙄𝘼𝙉𝙏𝙊𝙃𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙍𝘼-𝙋𝘼𝙃𝘼𝙎𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 (𝙅𝙄𝙎𝙎𝘼) SY NY FAHA-20 TAONAN’NY KOMITY NASIONALY CODEX ALIMENTARIUS (CNCA)
𝙏𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝘼𝙪𝙙𝙞𝙩𝙤𝙧𝙞𝙪𝙢 𝙃𝙖𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙤𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤, 𝙣𝙮 𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙝𝙖-𝙯𝙖𝙫𝙖-𝙙𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙖𝙠𝙖𝙛𝙤 𝙖𝙯𝙤 𝙖𝙣𝙩𝙤𝙠𝙖.

📌Ankoatran’ny fampirantiana sy ny varotra isan-karazany dia misy koa ny famelabelarana ara-tsiansa hahafahan’ny rehetra mikarakara sy mihinana sakafo azo antoka.
Ny 05 sy 06 Jona 2026 eny amin’ny Auditorium Havoria Anosy no nandaharan’ny mpikarakara ny hetsika izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny JISSA 2026 sy ny tsingerintaona faha-20 nijoroan’ny CNCA.

✅Nandritra ny lanonam-panokafana no niantsoan’ny Filohan'ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius, Henintsoa HARIZAFY, ny rehetra mba hiara-hientana amin'ny fanajana ny fepetra momba ny fiarovana sy ny fahasalaman'ny sakafo. Misy akony ara-ekonomika sy ara -piarahamonina manontolo mantsy izany.

👉Tamin’ny serasera an-tsary kosa no nampitan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON fa manan-danja ny fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo. « 𝘛𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘪𝘵𝘳𝘢𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘢 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢 𝘻𝘰 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘪𝘳𝘢𝘺 », hoy izy.
Nambarany fa fanamby ny fifehezana ny aretina azo avy amin'ny sakafo satria misy fiantrakany amin'ny fahasalaman-bahoaka, amin'ny toekarena, ny varotra ary ny fampandrosoana maharitra izany.

👁️‍🗨️Nandritra ny hetsika dia nisy ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpisehatra amin'ny sakafo. Nandray anjara tamin'izany ny Vondrona HV amin'ny ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana izay nampahafantatra ireo teboka mamaritra ny fenitra ho azy ireo. Niresaka ny ady sisika natao momba ny lavanila mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena koa ny manampahaizana siantifika Ramy RANDRIANATOANDRO. Ny mpandraharaha mpamokatra sy mpanondrana tantely mankany ivelany dia naneho ny fandrosoan’ny asany.

Nandray anjara tamin’ny fanentanana i Fitiavana, ilay tanora nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanana fahaizana miteny mandresy lahatra nokarakarain'ny CNCA.


[03 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]🇲🇬FANANGANAN-TSAINA𝙉𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣...
03/06/2026

[03 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]
🇲🇬FANANGANAN-TSAINA
𝙉𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖-66 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙣𝙞𝙫𝙚𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤𝙫𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.

📌Fotoana koa io nanaovan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON jery todiky ny asa nisongadina nandritra ny iray volana.
👉Nahitam-bokatra ny ezaka natao tamin’ny fandrindrana ny varotra anatiny, indrindra ho famahana ny olan'ny vary. Nisaotra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Minisitra tamin’ny fanohanana ny SPM (State Procurement of Madagascar) izay orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny MinCC. Vary avy amin’ny SPM no nahafahana nampidina ny vidin’ny vary tany Antanambao Manampotsy sy Marolambo.
👉Mitohy ny ady amin’ny fivarotana entana lany daty sy simba. Taorian’ireo tranga fahapoizinana ara-tsakafo tetsy Namontana sy tany Anjozorobe dia efa nisy ny fepetra sy paikady napetraka momba ny fitahirizana sy fikarakarana sakafo, iarahana amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
👉Mikasika ny Seha-pihariana lavanila dia nambaran’ny Minisitra ny drafi-panavaozana ankehitriny, ka hisy ny rafitra vaovao handrindra ny sehatra. Hodinihina manokana any Antalaha ny fepetra fanampiny ho raisina, ankoatran’izay efa tanterahana.
Noresahina ihany koa ny fanitarana ny tsena ho an’ny kakao sy ny jirofo amin’ny alalan’ny fikatsahana fiaraha-miasa amin’ireo firenena vaovao mpanjifa.

📣« 𝘔𝘢𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘪𝘵𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘦𝘺 𝘪𝘯𝘺. 𝘈𝘳𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘷𝘪𝘵𝘢𝘬𝘰 𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘩𝘰 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘳𝘦𝘳𝘺 𝘧𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘰 𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘯𝘪𝘬𝘦𝘭𝘺 𝘴𝘰𝘳𝘰𝘬𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘳𝘺 𝘴𝘢𝘮𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘧𝘺 𝘢𝘻𝘺 », hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana raha nankasitraka ny mpiara-miasa aminy.

Nankasitrahana manokana ihany koa ny sampandraharaha misahana ny refy sy lanja noho ny fahavitan’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna momba izany, izay efa nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra ary mbola hodinihina eo anivon’ny Antenimiera mpanao Lalàna.

🎤Nampandraisina fitenenana nifandimby ireo Filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny Kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana (SACCCM), ny Sendikan’ny Mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana (SCOCCM) ary ny Sendika ivondronan’ireo mpiara-miasa avy amin’ny sehatra samihafa (SACCOM). Samy naneho fahavononana hitondra anjara biriky ho hampisogadina ny antokon’asa misy azy avy izy ireo.

🎁Satria moa ity no fihaonana voalohany taorian’ny Fetin’ny Reny dia niarahaba an-dRamatoa Minisitra ny mpiara-miasa. Nirary soa ireo Reny sy vehivavy rehetra ato amoin’ny Minisitera koa ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON ho setrin’izany no sady nanolotra fanomezana ho mari-pahatsiarovana.

[02 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]FARITRA MALALAKA ARA-BAROTRY NY KAONTINANTA AFRIKANA (ZLECAF)𝙉𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝘿𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧’𝙖𝙨𝙖 𝙝...
03/06/2026

[02 𝘑𝘰𝘯𝘢 2026]
FARITRA MALALAKA ARA-BAROTRY NY KAONTINANTA AFRIKANA (ZLECAF)
𝙉𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝘿𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧’𝙖𝙨𝙖 𝙝𝙞𝙖𝙩𝙧𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙤𝙫𝙖𝙤𝙫𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙚𝙩𝙧’𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤.

📌Nandritra izany no nanamafisana fa mifampiankina ny fandraharahana ara-barotra sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, satria ny fahasimban’ny lalana sy ny tsy fahampian-drano dia misy fiantraikany mivantana amin’ny famokarana, ny kalitao ary ny habetsahan’ny vokatra aondrana.

👥Nitarika ny famelabelarana momba ireo hetsika fiarovana ny toetr’andro sy ny tontolo iainana tetsy amin’ny Motel Anosy ny Mpandrindra ny Tetikasa fanohanana ny ZLECAF, Heriniaina RAMANANARIVO, ny Talen’ny Fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fampivondronana ara-tokarena (DRIIE), ary ny Manampahaizana mpanolotsaina, Mamitiana ANDRIAMANJATO. Nanatrika izany ireo solontena avy amin’ny rafi-panjakana miandraikitra ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny varotra, ny sehatra tsy miankina, ary nyY firaisamonim-pirenena, avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra ihany koa.

🟢Notsindrian’ny DRIIE teto fa ankoatra ny maha-zava-dehibe ny famelabelarana momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro dia manome tombontsoa goavana ho an’i Madagasikara ny fidirana ao amin’ny ZLECAf, satria ahafahan’ny sehatra tsy miankina miditra amin’ny tsena iraisana afrikana izay ahitana mpanjifa mihoatra ny 1 miliara.


03/06/2026
02/06/2026
𝙁𝘼𝙈𝙋𝘼𝙃𝘼𝙏𝙎𝙄𝘼𝙃𝙄𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙈𝙋𝘼𝙉𝘿𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙀𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙎𝙀𝙃𝘼𝙏𝙍𝘼 𝙇𝘼𝙑𝘼𝙉𝙄𝙇𝘼📌Ampahatsiahivina ireo mpandraharaha rehetra miasa e...
02/06/2026

𝙁𝘼𝙈𝙋𝘼𝙃𝘼𝙏𝙎𝙄𝘼𝙃𝙄𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙈𝙋𝘼𝙉𝘿𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙀𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙎𝙀𝙃𝘼𝙏𝙍𝘼 𝙇𝘼𝙑𝘼𝙉𝙄𝙇𝘼

📌Ampahatsiahivina ireo mpandraharaha rehetra miasa eo amin’ny seha-pihariana lavanila fa 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙝𝙞𝙧𝙞𝙣-𝙙𝙖𝙫𝙖𝙣𝙞𝙡𝙖 ananany izy ireo ho an’ny taom-piasana 2025-2026.
➡️Hisy ny fanaraha-maso hataon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) mba hanamarinana ny fisian’ireo tahiry nambara. Aorian’ny fanamarinana dia havoakan’ny sampandraharaha mahefa eo anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny 𝘵𝘢𝘳𝘢𝘵𝘢𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘩𝘪𝘳𝘺.

⚠️Araka izany dia ny 3️⃣0️⃣ Jona 2026 no fe-potoana farany handefasan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana tatitry ny fanambarana tahiry mifandraika amin’izany aty amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, ary 𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙯𝙤 𝙞𝙝𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙛𝙚-𝙥𝙤𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮.


𝙁𝘼𝙈𝙋𝘼𝙃𝘼𝙁𝘼𝙉𝙏𝘼𝙍𝘼𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙈𝙋𝘼𝙉𝘿𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙅𝙄𝙍𝙊𝙁𝙊📌Ampahafantarina ny mpandraharaha rehetra miasa eo amin’ny seha-pihariana ...
02/06/2026

𝙁𝘼𝙈𝙋𝘼𝙃𝘼𝙁𝘼𝙉𝙏𝘼𝙍𝘼𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙈𝙋𝘼𝙉𝘿𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙅𝙄𝙍𝙊𝙁𝙊

📌Ampahafantarina ny mpandraharaha rehetra miasa eo amin’ny seha-pihariana jirofo fa 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙝𝙞𝙧𝙞𝙣-𝙟𝙞𝙧𝙤𝙛𝙤 ananany izy ireo ho an’ny taom-piasana 2025-2026.

✅Ao anatin’ny fanambarana dia tsy maintsy avahana mazava :
- ny tahirin-jirofo manara-penitra araka ny fenitra manankery ;
- ny tahirin-jirofo efa naotrika (“cavalières”).

Tsy maintsy voatondro mazava ihany koa ny habetsahan’ny tahiry sy ny toerana itehirizana azy.

🔎 Hanao fitsirihana eny ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) mba hanamarinana ny fisian’ireo tahiry nambara sy handrefesana ny tena tahan’ny jirofo “cavalières” ao anatin’izany. Aorian’ny fanamarinana dia havoakan’ny sampandraharaha mahefa eo anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny 𝘵𝘢𝘳𝘢𝘵𝘢𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘩𝘪𝘳𝘺.

⚠️Ny 2️⃣0️⃣ Jona 2026 no fe-potoana farany handefasan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ny tatitry ny fanambarana tahiry mifandraika amin’izany aty amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), ary tsy azo ihoarana io fe-potoana io.

➡️ Manentana ny mpandraharaha rehetra voakasika ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana mba hanatanteraka ara-potoana ny fanambarana ny tahiriny sy hanaraka ny fepetra manankery.


[28 𝘔𝘢𝘺 2026]FANARENANA NY SEHA-PIHARIANA LAVANILA𝙏𝙖𝙛𝙖𝙩𝙨𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝘼𝙍𝙑 (𝘼𝙡𝙡𝙞𝙖𝙣𝙘𝙚 𝙍é𝙜𝙞𝙤𝙣𝙖𝙡𝙚 𝙥𝙤𝙪𝙧 𝙡𝙖 𝙑𝙖𝙣𝙞𝙡𝙡𝙚) 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁...
02/06/2026

[28 𝘔𝘢𝘺 2026]
FANARENANA NY SEHA-PIHARIANA LAVANILA
𝙏𝙖𝙛𝙖𝙩𝙨𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝘼𝙍𝙑 (𝘼𝙡𝙡𝙞𝙖𝙣𝙘𝙚 𝙍é𝙜𝙞𝙤𝙣𝙖𝙡𝙚 𝙥𝙤𝙪𝙧 𝙡𝙖 𝙑𝙖𝙣𝙞𝙡𝙡𝙚) 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙑𝙖𝙩𝙤𝙫𝙖𝙫𝙮. 𝙁𝙖𝙣𝙩𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙠𝙤𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙧𝙤𝙖 𝙝𝙞𝙨𝙤𝙡𝙤 𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝘼𝙑𝙈 (𝘼𝙡𝙡𝙞𝙖𝙣𝙘𝙚 𝙥𝙤𝙪𝙧 𝙡𝙖 𝙑𝙖𝙣𝙞𝙡𝙡𝙚 𝙙𝙚 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙘𝙖𝙧).

📌Manao dingan-dava ny fametrahana ny rafitra handrindra ny Seha-pihariana lavanila, anatin’ny paikady narafitra araka ny tolo-kevitra avy amin’ny mpisehatra. Taorian’ny Faritra samihafa dia nahavita ny fifidianana izay hitantana ny ARV sy ho mpikambana ao amin’ny AVM koa ny any Vatovavy, ny 28 May 2026 tao amin’ny Escale Tanambazaha Mananjary.

✅Lany ho Filohan’ny ARV Vatovavy izay ahitana solontena 4 avy amin’ny mpamboly lavanila, 4 avy amin’ny mpikirakitra sy mpanangom-bokatra, ary mpanondrana 2 Ramatoa Sophia RASATA. Ho mpikambana ao amin’ny AVM avy amin’ny Faritra Vatovavy kosa i Ciriaque RAKOTOMALALA sy Saholinambinina Sandra RASOAMANANTENA.

👥Nanatrika ny fivoriana nifidianana ireo tomponandraikitra vaovao ireo ny Talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any ivelany (DPEE) eto anivon'ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Lalaina RANDRIAMASY sy ny avy amin'ny Rafi-panjakana any an-toerana.



Address

6 Rue Wast Ravelomoria, Ambohidahy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share