07/11/2025
FANAMBARANA -
ANDOHARANOFOTSY 7 Nov 2025.
Miantso ny Antoko Tia tanindrazana sy ny Antoko Tiako i Madagasikara ary Antoko TGV handray fepetra amin'ireo mpanolotsaina tanàna Andoharanofotsy,izay olon’ireo Antoko ireo izay tondroinay ho mpiray tsikombakonba ,manafina izao kolikoly sy halatra , ary tsy fahaizana mintantana ao amin’ny Kaominina izao , ary na nisy ary ny DEM-EX in-3 miantoana avy any amin'ny Trésor Bongatsara mikasika sorabola *00.000.000 Ar isan-taona izay tsy tonga any aminy Trésor , dia tsy nampiantso ny ben'ny tanàna akory izy ireo , nangataka fanazavana .
- Mitohy ny Asabotsy 8 Novambra @ 10 Ora maraina ny tolona ety Andoharanofotsy , hisy ny filaharana hiainganisam- pokontany . Mitabe tsy laniny mamba.
- Mitohy ny Zoma 7 Novambra @ 11 Ora maraina ny eny Anosizato Andrefana.
- Mbola takianay ny Audit ao amin’ny KAOMININA Ambalavao .
- Amafisinay fa tsy hijanona amin'izao tolona izao izahay , raha tsy tonga manao Audit ao amin'ny Kaominina Andoharanofotsy ny Tompon'andraikitra mahefa . IGE , PAC , BIANCO
- Manentana anareo rehetra niharany fitakiana Vola tsisy Reçu , na fitakiana vola tsy ara-dalàna, na fanamparampahefana mba sahy hitoroka eny anivony Bianco sy PAC ( afaka atao anonyme) .
- Ity tsy tolona ho an'ny Mponina Andoharanofotsy , fa hoan'ireo manao asa fivelomana ety isanandro , iharany fitakiana vola tsy aradalana , tolona hoan'ny endrika fanavaozana tena izy ihany koa, handaminana ny rafim-pitantanana eo anivony kaominina sy Fokontany.
- Ohatra lehibe izao ataonay tanora Generation Élite Tanora ho an'ny Fanavaozana izao , satria raha mitaky ny fahaleovantenany kaominina amin'ny Fitantanambola isika dia mila diovina aloha ny KOLIKOLISTE , sy ny TIATENISTE rehetra eo amin'ny Fitondrana izao .
- Tsy hetsibahoaka na ny isany mpanao fihetsiketsehana no hitakianay fialany ben'ny tanàna, fa manaraka ny lalàna manan-kery, izay antony iantsoanay Audit .
Farany , Laviko Rina Begalona , ny fangatahana ahy manokana hihaona amin'ny Ben'ny tanàna TOTA , Tsy olona matimatim-bola , tsy matimatim-pahefana , tsy matimatin-dangolango , tsy matimatiny
Fandementsaina izahay , sy ireo ekipa Gen-Elite TAFA .
Ny Génération Élite, Dia Tanora Tia tanindrazana , nampiraisiny Tolona tsy manaiky lembenana , Sy tolony Gen-Z , saingy tsy mandray toromarika amin’ny rantsana Gen-Z marobe erany Nosy , ka tsy hifangaroany anarana dia Génération ELITE Tanora ho an’ny Fanavaozana (GEN- ELITE TAFA ) no iantsoana anay , Masina ny Tolona hoan'ny Tanindrazana.