Centre d'éveil "le jardin des petits"

Centre d'éveil "le jardin des petits" Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centre d'éveil "le jardin des petits", Social service, Nutri'zaza SA Immeuble Fonenana Isoraka Tana, Antananarivo.

31/03/2026

Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy! 👋

Faly izahay manome fanazavana fohy momba ireo hetsika sy tolotra misy eto amin’ny Hotelin-jazakely.

👨‍👩‍👧‍👦 Ho antsika ray aman-dreny mbola sahirana mitady toerana azo antoka hametrahana ny sombiniain-tsika Manome vahaol...
11/03/2026

👨‍👩‍👧‍👦 Ho antsika ray aman-dreny mbola sahirana mitady toerana azo antoka hametrahana ny sombiniain-tsika
Manome vahaolana ho anao mandrakariva ny Nutri’zaza amin’ny alalan’ny centre d’éveil “LE JARDIN DES PETITS” 🌱👶
Efa maro ireo ray aman-dreny no nahita tombontsoa sy afa-pahasahiranana tamin’ny fametrahana ny zanany tato aminay.
✨ Anjaranao indray izao! Tongava fa mandray anao am-pitiavana izahay.
👩‍🏫 🌟 Inona no miandry ny zanakao ao?
• Mpitaiza matihanina sy mahafinaritra
• Toerana madio, milamina ary mahatamana 🏡
• Activités maro isan-karazany 🎨🧩🎶
• Kilalao mifanaraka amin’ny taonan’ny zaza tsirairay 🧸
Ireo rehetra ireo dia manampy amin’ny fivelaran’ny zaza:
🧠 ara-tsaina
💪 ara-batana
🗣️ ary ara-pitenenana.
📍 Toerana ahitana anay : eny amin’ny Hotelin-jazakely Andravoahangy tsena, Ambanidia Volosarika, Namontana , BMH Isotry
📞 Fanazavana fanampiny :
032 03 019 30
032 03 019 31
Nutri’zaza: Miara-miatrika ny fitomboan'ny zanakao! ❤️

🌟 Miarahaba antsika rehetra ! 🌟📚 Tonga indray ilay fotoana fanombohana ny Soutien Scolaire 🎉Andao hiara-hiasa indray han...
12/01/2026

🌟 Miarahaba antsika rehetra ! 🌟
📚 Tonga indray ilay fotoana fanombohana ny Soutien Scolaire 🎉
Andao hiara-hiasa indray hanamafy sy hanatsara ny fari-pahaizan’ireo zanatsika e !!💪🧠
👨‍👩‍👧‍👦 Ry Ray aman-dReny, raha tsapanao fa:
• Manana olana amin’ny fianarana ny zanakao ✍️
• Sahirana amin’ny taranja sasany 📖
• Na mila fanohanana amin’ny enti-mody 📝
👉 Aza misalasala manatona ny Cours de Soutien Scolaire miaraka amin’ny Nutri’zaza 🤝
👩‍🏫👨‍🏫 Ireo mpampianatra efa za-draharaha sy manana traikefa no hiara-hiasa amin’ireo sombiniaintsika.
✨ Inona no atao ao ?
• Fanampiana manokana amin’ireo taranja manahirana 📘
• Fanampiana amin’ny fanaovana enti-mody 📝
• Fanazavana ireo lesona tsy azo amin’ny fomba tsotra sy mora takarina 💡
🏫 Toerana :
📍 Hotelin-jazakely Namontana
📍 Hotelin-jazakely Andravoahangy Tsena
🗓 Manomboka : 14 Janoary
⏰ Fotoana : 02 ora tolakandro
📞 Fanazavana fanampiny :
☎️ 032 03 019 30 / 032 03 019 31
💬 Afaka mandefa hafatra miafina (message privé) ihany koa ianareo
🌈 Ny fahombiazan’ny zanakao no tanjonay 🌈

08/01/2026
🌟 Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy rehetra nahatratra ny taona vaovao ! 🌟🎉 Mirary taona vaovao feno fahombiazana, fah...
08/01/2026

🌟 Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy rehetra nahatratra ny taona vaovao ! 🌟
🎉 Mirary taona vaovao feno fahombiazana, fahasalamana ary fitahiana ho antsika rehetra 🎊
👶🌼 Ny Centre d’éveil “Le Jardin des Petits” dia eto hatrany hanome fahafaham-po ho antsika mpanjifa sy ray aman-dreny 🤝
🙏 Isaorana indrindra ireo rehetra nahatoky sy niaraka taminay, ary koa manentana ireo ray aman-dreny mbola mitady toerana azo antoka sy mety hikarakara sy hitaiza ny sombiniainy 🏡✨
📌 Manomboka amin’ity taona ity dia zaza 1 taona hatramin’ny 3 taona no raisinay 👧👦
🎨📚⚽ Ahitana activités maro isan-karazany izahay, hiantohana ny:
• 🧠 fivelarana ara-tsaina
• 🤸 fivelarana ara-batana
• 🗣️ fivelarana ara-pitenenana
🏫 Toerana azo antoka sy milamina,
👩‍🏫 mpitaiza mahafinaritra, tia zaza ary matihanina,
💖 ka miantoka tanteraka ny filaminan-tsain’ny ray aman-dreny no raisinay ho laharam-pahamehana.
✅ Tsy ho anenenanao ny mametraka ny zanakao ao amin’ny “Le Jardin des Petits” 🌈
⏰ Aza tara, fa voafetra ny toerana !
📍 Toerana :
📌 Hotely an-jazakely : Namontana , Andravoahangy tsena , BMH Isotry , Volosarika Ambanidia
📞 Fanazavana fanampiny :
📱 032 03 019 30 , 032 03 019 31
💬 na mandefa hafatra miafina (message privé)
🌸 Le Jardin des Petits – Mitombo miaraka amin’ny fitiavana sy fikarakarana 🌸

Mandeha tsara ny tolotra “Soutien Scolaire” eto Antsirabe amin’izao fotoana izao !Maro be ireo Ray aman-dReny sy ankizy ...
28/11/2025

Mandeha tsara ny tolotra “Soutien Scolaire” eto Antsirabe amin’izao fotoana izao !
Maro be ireo Ray aman-dReny sy ankizy tonga namaly ny antso sy nanomboka t@ Sabotsy lasa teo.
Mitohy hatrany ny fandaharam-potoana, koa aza adino ny fotoana rahampitso maraina eny amin’ny :
📍 EPP Mahazoarivo I
📍 Hôtelin-jazakely Ambalavato
Mpampianatra vonona, za-draharaha ary efa ampy traikefa no mandray sy manampy ireo ankizy.
Tongava maro fa hanampy hampitombo ny fari-pahaizan’ny ankizy izany ary hahazoto kokoa izy ireo hianatra.
👉 Ho entina :
• Ny cahier misy ireo taranja manahirana azy
• Ny devoirs na enti-mody izay ilainy fanampiana ihany koa
— Omena vahaolana sy fanazavana avokoa izy rehetra.
📞 Filan-kevitra / Fanazavana :
032 03 019 30 / 038 47 776 81

🌟 Ho antsika eto Antsirabe sy ny manodidina indray izao !!! 🌟🚀 Hisokatra ny Sabotsy ho avy izao ny cours « soutien scola...
19/11/2025

🌟 Ho antsika eto Antsirabe sy ny manodidina indray izao !!! 🌟

🚀 Hisokatra ny Sabotsy ho avy izao ny cours « soutien scolaire et aides aux devoirs » izay atao eny amin’ny Hotelin-jazakely Ambalavato sy EPP Mahazoarivo Avaratra. 📚✨

👨‍👩‍👧‍👦 Ray aman-dReny manan-janaka kilasy T1 hatramin’ny T4 na 11ème – 8ème, izay manana olana amin’ny fianarana sy ny fanaovana enti-mody, dia
aza diso anjara
!

✅ Misy activités maro azo amin’ny fanatrehana ny soutien scolaire toy ny :

🧑‍🏫 Fanampiana ny ankizy amin’ny taranja manahirana azy any am-pianarana
🔍 Fanazavana @ fomba tsotra sy mora takarina ireo lesona tsy azo
📖 Fanampiana amin’ny fanaovana enti-mody
🌈 Fanaraha-maso sy fanohanana manokana ho an’ny ankizy tsirairay

⏳ Aza tara ary fa
voafetra ny toerana
! Efa vonona ireo mpampianatra handray ny zanatsika. 💯

💰 Ny soutien scolaire dia natao amin’ny sarany mirary zakan’ny rehetra.

📞 Fanazavana fanampiny : 032 03 019 30

Raikitra ary e !Androany no fotoanantsika lehibe ho an’ny fanombohana ny soutien scolaire 🏫 na tan-tsoroka ara-pianarana...
12/11/2025

Raikitra ary e !
Androany no fotoanantsika lehibe ho an’ny fanombohana ny soutien scolaire 🏫 na tan-tsoroka ara-pianarana ho an’ireo ankizy kilasy T1 hatramin’ny T4.
👩‍🏫 Efa vonona tsara ny mpampianatra sy ny Hotelin-jazakely handray ny sombiniaintsika amin-kafaliana.
📚 Tongava maro fa hianatra sy hanovo fahalalana ny ankizy, sady hisitraka fialamboly mahafinaritra ihany koa.
💪 Tsy avelanay raha tsy mahazo vokatra tsara ireo zanatsika!
📍 Toerana :
• Namontana
• Volosarika Ambanidia
• Andravoahangy tsena
• Androndra
📞 Fanazavana fanampiny :
032 03 019 30 / 032 03 019 31
✨ “Ny fahombiazan’ny zanakao no laharam-pahamehana ho anay.” 💖
Asao ihany koa ny namanao hanaraka ny pejy fa fizarana zavatra mahasoa ny ato
😍

Miarahaba antsika rehetra ! 🌞📚 Lasa ary isika e ! 🏃‍♀️🏃‍♂️@ Alarobia ho avy izao no fotoana voalohany ho an’ny soutien s...
10/11/2025

Miarahaba antsika rehetra ! 🌞

📚 Lasa ary isika e ! 🏃‍♀️🏃‍♂️
@ Alarobia ho avy izao no fotoana voalohany ho an’ny soutien scolaire amin’ity taom-pianarana vaovao ity ✨

📍 Ho an-tsika eny Namontana, Andravoahangy tsena, Androndra ary Ambanidia Volosarika — dia hanomboka amin’ny Alarobia 12 Novambra ho avy izao, manomboka amin’ny 🕑 02 ora tolakandro.

🎒 Tongava maro fa hiara-hiasa isika amin’ny fanaraha-maso ireo ankizy sy hameno ny banga nandritra izay fotoana niato ny fampianarana izay. 💪
Ianareo sisa no andrasana, fa efa vonona avokoa ny zavatra rehetra ! 🌟

💬 “Ny fahombiazan’ny zanakao no laharam-pahamehana ho anay” ❤️
Fanazavana fanampiny 032 03 019 30

05/11/2025

Ito misy horonantsary fohy manazava ny atao hoe "soutien scolaire".

🎉 HANOMBOKA NY SOUTIEN SCOLAIRE ! 📚✏️Ho fanampiana antsika Ray aman-dReny 👨‍👩‍👧‍👦 amin’ny fanaraha-maso ny fianaran’ny z...
04/11/2025

🎉 HANOMBOKA NY SOUTIEN SCOLAIRE ! 📚✏️
Ho fanampiana antsika Ray aman-dReny 👨‍👩‍👧‍👦 amin’ny fanaraha-maso ny fianaran’ny zanatsika 💪 sy hanatsarana ny fari-pahaizan’izy ireo, dia hanomboka ny Alarobia 12 Novambra 2025 izao ny “Soutien scolaire” na tan-tsoroka sy fanampiana amin’ny fianarana 🎓
👉 Ndao iaraka aminay mandritra ity taom-pianarana 2025–2026 ity, fa azo antoka ny vokatra tsara ho an’ny ankizy 🌟
🧩 Tombontsoa ho azon’ny ankizy amin’izany :
✅ Fanampiana amin’ny taranja manahirana azy
✅ Fanazavana amin’ny fomba tsotra sy mora takarina ny lesona tsy azo
✅ Fanampiana amin’ny fanaovana enti-mody 📝
✅ Fanaraha-maso sy fanohanana manokana ho an’ny ankizy tsirairay 💬
✅ Fianarana miaraka amin’ny fialam-boly 😄🎨
📍 Toerana sy fotoana :
🗓️ Alarobia hariva sy ny Sabotsy maraina
📍 Hotelin-jazakely : Andravoahangy tsena – Volosarika Ambanidia – Androndra – Namontana
🆕 Ho sokafana tsy ho ela kosa ny eny Anosibe sy Manarintsoa
⚠️ Voafetra ny toerana, koa tongava maro fa vonona izahay hameno ny banga misy amin’ny fianaran’ny zanatsika ❤️ miaraka amin’ireo mpampianatra za-draharaha sy matihanina 👩‍🏫👨‍🏫
🏫 Ao anaty toerana mahafinaritra no andraisana ny sombiniaintsika 🌈
📞 Raha mila fanazavana fanampiny: 032 03 019 30

Address

Nutri'zaza SA Immeuble Fonenana Isoraka Tana
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre d'éveil "le jardin des petits" posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category