30/07/2026
☑️CNFM
Ny 28 sy 29 Jolay, tao amin'ny Espace Mihajatiana, dia notanterahina ny atrikasa fanentanana ho an'ny tanora sy ny vehivavy momba ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny Fanavaozana ny Repoblika, hetsika natsangan'ny Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM) ary niara-nikarakara tamin'ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF).
🟣Nisolo tena ny antoko Isika Mpandresy tamin'izany ny Filoha Mpanorina Nasionaly, Razafimandimby Rija Ethel Niaina, izay nanamafy ny fijoroan'ny antoko amin'ny fampiroboroboana ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy sy ny tanora amin'ny fanavaozana ny Repoblika ary amin'ny fifidianana ho avy.
⏩️Nomem-boninahitra tamin'ny fanatrehan'i Ramatoa Hanitra Razafimanantsoa, Minisitry ny Fanavaozana ny Repoblika, Ramatoa Cathia Voahanginirina, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ary ny solontenan'ny Vadin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Dr Lalaina, ity atrikasa ity.
💜Amin'ny maha-antoko tarihin'ny vehivavy azy, dia manamafy hatrany ny Isika Mpandresy fa ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy dia fototra iray lehibe amin'ny fananganana firenena demokratika sy mandroso. Ny vehivavy sy ny tanora dia tsy tokony ho mpijery fotsiny, fa ho mpandray anjara feno amin'ny fanapahan-kevitra sy ny fanorenana an'i Madagasikara.
🟣🟣🟣🟣🟣🟣🟣
☑️CNFM
Les 28 et 29 juillet, à l'Espace Mihajatiana, s'est tenu un atelier de sensibilisation des jeunes et des femmes sur leur participation au processus de la Refondation de la République, une initiative du Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM), co organisé avec l'Organisation internationale de la Francophonie (OIF).
🟣Le parti Isika Mpandresy y a été représenté par sa Présidente Fondatrice Nationale, Rija ETHEL, qui a réaffirmé l'engagement du parti en faveur d'une participation active des femmes et des jeunes au processus de refondation ainsi qu'aux prochaines échéances électorales.
⏩️Cet atelier a été honoré par la présence de Madame Hanitra Razafimanantsoa, Ministre de la Refondation de la République, de Madame Cathia Voahanginirina, Ministre de la Population et de la Solidarité, ainsi que de la représentante de Madame la Première Dame, Dr Lalaina.
💜À travers le leadership de sa Présidente Fondatrice Nationale, Isika Mpandresy réaffirme sa conviction que la participation des femmes est un levier essentiel pour bâtir une République plus inclusive, plus démocratique et plus forte. Les femmes et les jeunes ne doivent pas seulement être associés au processus de refondation : ils doivent en être des acteurs à part entière et prendre toute leur place dans les prochaines élections.
Isika Mpandresy, Miaraka manorina Madagasikara vaovao.