Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy, Town Hall, Antananarivo.

🇲🇬Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialin'ny Kaominina ambanivohitra Ambohimangakely

🇫🇷Bienvenue sur la page officielle de la Commune Rurale d'Ambohimangakely

🇺🇸Welcome to the official page of the Rural Commune of Ambohimangakely

24/08/2026

🚧 MITOHY HATRANY NY ASA FANAMBOARAN-DALANA 🚧

🚜 Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny Kaominina Ambohimangakely, tarihin’i Atoa Ben’ny Tanàna Dr NAINA, miaraka amin’ireo Mpanolotsaina sy mpiara-miasa rehetra.

🛣️ Miakatra eo amin'ny CMT .

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

🎈🎉 Ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely dia faly miarahaba amim-panajana sy amim-pahatsorana ...
22/08/2026

🎈🎉 Ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely dia faly miarahaba amim-panajana sy amim-pahatsorana an’i Atoa Ben’ny Tanàna, Dr NAINA, noho ny fahatratrarany ny tsingerintaona nahaterahany. 🎉

🙏 Amin’izao andro manokana izao, dia atolotray Atoa Ben’ny Tanàna ny fiarahabana feno fanajana sy fankasitrahana, ary mirary soa sy fahombiazana hatrany amin’ny andraikitra sahaninao ho fampandrosoana ny Kaominina Ambohimangakely.

✨ Enga anie Andriamanitra hanome anao fahasalamana, fahendrena, hery ary faharetana, ka hahafahanao manohy amim-pahombiazana ny ezaka sy ny asa rehetra ho tombontsoan’ny mponina.

🌟 Mirary taona vaovao feno fifaliana, fahombiazana, fitahiana ary zava-bita lehibe izahay.

🎂 JOYEUX ANNIVERSAIRE, Atoa BEN’NY TANÀNA DR NAINA ! 🎉

🤝 Ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely. 🇲🇬

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

21/08/2026

🚧 MITOHY HATRANY NY ASA FANAMBOARAN-DALANA 🚧

🚜 Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny Kaominina Ambohimangakely, tarihin’i Atoa Ben’ny Tanàna Dr NAINA, miaraka amin’ireo Mpanolotsaina sy mpiara-miasa rehetra.

🛣️ Tsy mijanona amin’ny fanamboarana fotsiny ny tanjona, fa ny fanatsarana maharitra ny lalana mba hahafahan’ny mponina sy ireo mpampiasa lalana mivezivezy am-pilaminana sy mora kokoa.


✨ Ny lalana tsara dia fototry ny fampandrosoana : manamora ny fivezivezena, mampihena ny fahasahiranana amin’ny fitaterana, manatsara ny fahazoana miditra amin’ireo toerana samihafa ary manampy amin’ny fampiroboroboana ny asa aman-draharaha eto an-toerana , manampy amin'ny famoahana ny vokatra ihany koa.🤝🏽

💪 Mandroso tsikelikely, fa mitohy hatrany ny ezaka! Ny fanamboarana anio dia fototra hanorenana Ambohimangakely mivoatra, milamina ary tsara lalana kokoa rahampitso. 🇲🇬

🙏 Miala tsiny amin’ireo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana sy ny fahasahiranana mety ateraky ny asa mandritra ny fanamboarana. Mangataka ny fiaraha-miasa sy ny faharetan’ny tsirairay izahay, satria ny fahasahiranana mandritra ny asa dia ho tombontsoantsika rehetra rehefa vita ny lalana.

🤝 Miara-mandroso ho an’i Ambohimangakely!
🏗️ Asa anio, tombontsoa ho an’ny rehetra rahampitso. 🇲🇬✨

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

☑Fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso🤝 Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny Koperativa KOFIATRAM, dia midi...
20/08/2026

☑Fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso

🤝 Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny Koperativa KOFIATRAM, dia midina ifotony hatrany ireo tompon’andraikitra, manao fanaraha-maso ireo taxi-be E miodina amin’ny zotra.

🚌 Tanjona ny hahazoana antoka fa manaja ny zotra sy ny fitsipika mifehy ny fitaterana ireo mpitatitra, ary indrindra ny hisorohana ny tranga miodina andalana na mandao mpandeha tsy amin’ny antony ara-drariny.

❌ Tsy ekena ny gaboraraka sy ny tsy fanajana ny mpandeha!

🙏 Miantso ny mpitatitra rehetra mba hanaja ny fitsipika, ny mpandeha ary ny andraikitra napetraka aminy.

✅ Fiaraha-miasa, fahamatorana ary fanajana no antoky ny fitaterana milamina sy manara-dalàna.

Kaominina 🤝 Koperativa KOFIATRAM — Miasa, manara-maso ary mandray andraikitra.

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana 🚧🛣️🇲🇬 Mitohy hatrany ny ezaka sy ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny Kaominina A...
20/08/2026

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana 🚧🛣️

🇲🇬 Mitohy hatrany ny ezaka sy ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny Kaominina Ambohimangakely, ho fanatsarana ny fivezivezena sy hanamorana ny fiainan’ny mponina.

📍Rehefa vita ny asa teo Ankadivory, Fokontany Antanetibe Ikianja, dia hitohy any amin’ireo Fokontany hafa indray ny fidinana ifotony, hijerena sy handraisana an-tanana ireo lalana izay mampitaraina sy mampijaly ny mponina.

🤝 Ny tanjona dia ny hanatsara tsikelikely ny lalana sy ny fotodrafitrasa, ka hahasoa ny mponina rehetra.

🏛KAOMININA AMBOHIMANGAKELY — Miasa ho anao, miasa ho an’ny rehetra. 🇲🇬

19/08/2026

👋 KAOMININA AMBOHIMANGAKELY MIASA HO ANAO 🚧

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
14/08/2026

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

🚯 Aza ariana eny rehetra eny ny fako.Ataovy amin’ny toerana voatokana ny fako.ho fiarovana ny fahadiovana sy ny fahasala...
14/08/2026

🚯 Aza ariana eny rehetra eny ny fako.
Ataovy amin’ny toerana voatokana ny fako.
ho fiarovana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny rehetra.

✅NY FAHADIOVAN’NY KAOMININA DIA ANDRAIKITSIKA REHETRA!

🤝 Andao hiara-hikojakoja ny Tanana misy antsika!

Ambohimangakely Madio

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

🪪Nandritra ny andro maromaro dia tsy nisy ravi-karatra tao amin’ny toerana fanaovana karapanondro (CIN). 🪪✅ Faly izahay ...
13/08/2026

🪪Nandritra ny andro maromaro dia tsy nisy ravi-karatra tao amin’ny toerana fanaovana karapanondro (CIN). 🪪

✅ Faly izahay mampahafantatra fa manomboka ny Alatsinainy ho avy izao dia efa hisy indray izany.

☑KARATRA VAOVAO

➡Alatsinainy sy Alarobia Maraina .
↔kopia nahaterahana 02 (copie d'acte de naissance 02)-06mois
↔taratasy fanamarinam-ponenana( certificat de résidence) + photocopie .
↔SARY TAPAKA 04 (04 photo d'identité) .
↔Raha misy fanjanahana , ny soratra an-tsisiny dia tsy maintsy mitondra Kopia Fanjanahana .

☑FANOLOANA KARATRA

↔TALATA MARAINA sy ZOMA MARAINA
↗KARATRA SOLOINA .
↗RAHA TETO AMBOHIMANGAKELY RN2 IHANY NO NANAO NY KARATRA DIA :
↔Misava "Fiche" Alakamisy ariva 02ora↔04ora .
↔Raha karatra tsy natao teto fa efa nosoloina teto kosa indray dia Mitondra Copie + Photocopie an'ilay CIN NATAO TETO + (Copie Lava ).
↗RAHA TAMIN'NY KAOMININA HAFA DIA :
↔maka "T.L.O" ALAKAMISY MARAINA 09ora↔11ora.
↔MAKA "FICHE": Alakamisy .

☑ZAVATRA ILAINA RAHA MANOLO KARATRA

↔FICHE
↔FANAMARINAM-PONENANA atao Photocopie.
↔KARATRA (raha simba ) atao photocopie.
↔DECLARATION DE PERTE (raha very) atao Photocopie.
↔SARY TAPAKA 04(mitovy)

🙏 miangavy antsika rehetra mba hanaja ny fandaminana sy ny toromarika eny an-toerana.

🤝 Mankasitraka ny faharetana sy ny fiaraha-miasa aminareo, tompoko.

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

FITSARANA MIARAMILA 2026 Ho an’ny zatovo lahy sy vavy 19 taona hatramin’ny 31 taona🗓️ Alakamisy 27 Aogositra 2026🗓️ Zoma...
09/08/2026

FITSARANA MIARAMILA 2026

Ho an’ny zatovo lahy sy vavy 19 taona hatramin’ny 31 taona

🗓️ Alakamisy 27 Aogositra 2026
🗓️ Zoma 28 Aogositra 2026

Toerana : CEG AMBOHIMANGAKELY
🕖 Manomboka amin’ny 07:00 maraina

---

MitondrĂ  :
✅ Penina manga 🖊️
✅ Karapanondrom-pirenena (CIN)

---

📗 Zava-dehibe :
Ny fitsarana miaramila dia ahafahana mahazo ny “karatra maitso” (Carte verte), izay ilaina amin’ny fakàna Certificat de Position Militaire.

👉 Iotaratasy io dia takiana amin’ny :
• Fidirana ho mpiasam-panjakana
• Fangatahana vatsim-pianarana any ivelany (bourse)
• Fahazoan-dalana hivoaka ny firenena
• Ary ireo antontan-taratasy ara-panjakana maro hafa

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

Address

Antananarivo
103

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category