Médiature de la République de Madagascar -Page officielle

Médiature de la République de Madagascar -Page officielle Institution chargée de veiller à l’équité entre citoyens et services publics.

🇲🇬NATSAHATRA TAMIN'NY ANDRAIKITRA MAHA-MPIAHY AN-DRARINY AZY NY PROFESORA RAVAKA ANDRIANAIVOTSEHENO— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, ...
09/07/2026

🇲🇬NATSAHATRA TAMIN'NY ANDRAIKITRA MAHA-MPIAHY AN-DRARINY AZY NY PROFESORA RAVAKA ANDRIANAIVOTSEHENO

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-9 jolay 2026 —

🙏🏻Misaotra, mankasitraka ny vahoaka malagasy manontolo tamin'ny fiaraha-mientana, ny fahatokisana ary ny fanohanana.

Mankatelina ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka ihany koa tamin'ny fanatanterahana izany adidy masina izany tamin-kitsipo.

Ho an'ny tombontsoa ambonin'ny Firenena sy ny vahoaka hatrany.

Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮

————————————

🇫🇷LE DECRET DE NOMINATION DU PROFESSEUR RAVAKA ANDRIANAIVOTSEHENO EN TANT QUE MEDIATEUR-DEFENSEUR DU PEUPLE VIENT D'ETRE ABROGE

🙏🏻Elle adresse ses remerciements au Peuple malagasy pour la mobilisation active, la confiance et le soutien indéfectibles dont il a fait montre.

Elle exprime sa reconnaissance à l'endroit de ses collaborateurs ainsi que des partenaires dynamiques qui se sont généreusement impliqués à ses côtés.

Pour l'intérêt supérieur de la Nation et du Peuple.

Professeur 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢

ANTSO AVO MANOLOANA NY FAKANA AN-KERINY SY NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA ETO AMIN’NY FIRENENA— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-8 j𝑜l...
08/07/2026

ANTSO AVO MANOLOANA NY FAKANA AN-KERINY SY NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA ETO AMIN’NY FIRENENA

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-8 j𝑜lay 2026 —

🔴Manoloana ny firongatry ny fakana an-keriny sy ireo tranga mampivarahontsana mahazo ny olompirenena amin’izao fotoana izao, dia miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, maneho fiaraha-miory lalina amin'ireo ray aman-dreny sy fianakaviana namoy zanaka, havana, mpiray tampo, namana, ary anameloka amin’ny heriny manontolo ireo asa ratsy sy heloka bevava manitsakitsaka ny zo fototra sy ny hasin’ny maha-olona.

🔴Noho izany, ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka dia miantso ny firaisankinan’ireo tomponandraikitra rehetra misahana ny filaminam-bahoaka sy ny fampiharana ny lalàna mba hanamafy ny fikarohana ireo nahavanon-doza, hampitombo ny fepetra fisorohana, ary handray andraikitra hentitra amin’ny fisamborana sy fanasaziana henjana ireo tompon’antoka rehetra, araka ny lalàna manan-kery.

🔴Antso avo ihany koa no atao amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ray aman-dreny, mpampianatra, mpitondra fivavahana, mpitarika eny anivon’ny fokontany, fiarahamonim-pirenena ary ny olompirenena rehetra mba hiara-hientana amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, hampitombo ny fitandremana, ary hampandre avy hatrany ireo manam-pahefana raha vao misy tranga mampiahiahy mba hiantohana ny filaminana eto amin’ny Firenena.

📸 IA

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

𝖦𝖴𝖠𝖭𝖦𝖹𝖧𝖮𝖴 𝟤𝟢𝟤𝟨 : 𝖬𝖠𝖭𝖠𝖬𝖠𝖥𝖸 𝖭𝖸 𝖳𝖱𝖠𝖨𝖪𝖤𝖥𝖠𝖭𝖸 𝖠𝖬𝖨𝖭’𝖭𝖸 𝖥𝖨𝖠𝖧𝖨𝖠𝖭𝖠 𝖠𝖭-𝖣𝖱𝖠𝖱𝖨𝖭𝖸 𝖨 𝖬𝖠𝖣𝖠𝖦𝖠𝖲𝖨𝖪𝖠𝖱𝖠—𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-29 j𝑜n𝑎 2026 ...
29/06/2026

𝖦𝖴𝖠𝖭𝖦𝖹𝖧𝖮𝖴 𝟤𝟢𝟤𝟨 : 𝖬𝖠𝖭𝖠𝖬𝖠𝖥𝖸 𝖭𝖸 𝖳𝖱𝖠𝖨𝖪𝖤𝖥𝖠𝖭𝖸 𝖠𝖬𝖨𝖭’𝖭𝖸 𝖥𝖨𝖠𝖧𝖨𝖠𝖭𝖠 𝖠𝖭-𝖣𝖱𝖠𝖱𝖨𝖭𝖸 𝖨 𝖬𝖠𝖣𝖠𝖦𝖠𝖲𝖨𝖪𝖠𝖱𝖠

—𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-29 j𝑜n𝑎 2026 —

🎓Fampiofanana sy fifanakalozana traikefa maharitra 14 andro no tanterahina eo ambany fiahian’ny China Legal Exchange Center sy ny Guangzhou Law Society eto Sina, iarahana amin’ireo manampahaizana sy solontena miisa 19 mianadahy avy amin’ny Firenena afrikanina, ao anatin’ny « China–Africa Legal Professionals Exchange Program » andiany faha-13. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany sehatra avo lenta izany any an-toerana ny Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka.

📈Manokatra sehatra vaovao sy matanjaka ho an’i Madagasikara ity fandraisana anjara ity, amin’ny alalan’ny fifampizarana sy fametrahana ireo paikady stratejika mahomby ifandrimbonan’ireo matihanina mikasika ny fampiharana ny Fanjakana tan-dalàna, sy ny fanatsarana ny rafi-pitantanana ara-pitsarana izay manana rohy lehibe amin’ny fiarovana ny zon’olombelona.

👉🏻Ao Guangzhou no nanombohana ny tapany voalohany amin’ny fandaharam-potoana, ary any Shenzhen kosa no hamaranana ny tapany faharoa. Tanjona lehibe hotratrarina amin’izany ny hitondra vahaolana sy fomba fiasa mampihatra ny fanavaozana, hanatsarana hatrany ny tontolon’ny asa fiarovana ny zon’ny vahoaka sy ny fiahiana ara-drariny eto Madagasikara.

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

🔴FANAMBARANA—𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-28 j𝑜n𝑎 2026 —🤝Ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧...
28/06/2026

🔴FANAMBARANA

—𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-28 j𝑜n𝑎 2026 —

🤝Ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, dia maneho fiombonam-po sy fankaherezana ho an’Andriamatoa Soja Fulgence, Filohan’ny Fikambanan’ny Olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, taorian’ny fikasan-dratsy hanafika ny trano fonenany tao Maevatanana.

🙏🏻Ankasitrahana feno ireo mpitandro filaminana, indrindra ny Pôlisy ny Zandary, izay namaly haingana ny antso vonjy nataony, ary antenaina ny hanohizan’izy ireo ny fanadihadiana hentitra mba hahafantarana sy hanasaziana araka ny lalàna ireo tompon’antoka.

📌Manameloka tanteraka ny endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny Mpiahy an-drariny, indrindra ny herisetra sy habibiana atao amin’ireo olona marefo sy mora iharan’ny fanavakavahana. Tsy azo ekena velively ny fandrahonana, ny fampihorohoroana amin'ny endriny rehetra.

🎤Manentana ny olompirenena sy ny tomponandraikitra rehetra ny Mpiahy an-drariny mba hiara-hiaro ny aina, hitandro ny hasin’ny maha-olona ary mba hanaja ny lalàna velona sy hampihatra ny Fanjakana tan-dalàna hatrany.

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

26/06/2026
FITANTANANA ARA-TOEKARENA MIABO : FANAMBY MITOHY ATREHIN’I MADAGASIKARA— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-22 j𝑜n𝑎 2026 —🔴Mahamaik...
22/06/2026

FITANTANANA ARA-TOEKARENA MIABO : FANAMBY MITOHY ATREHIN’I MADAGASIKARA

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-22 j𝑜n𝑎 2026 —

🔴Mahamaika eto amin’ny Firenena ankehitriny ny hisian’ny fiovana azo tsapain-tanana amin’ny lafiny ara-toekarena, ary fanamby lehibe ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitantanana miompana amin’io sehatra io. Nanamafy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’izany ezaka izany ny Vondrona Eoropeana androany, nandritra ny lanonana ôfisialy notarihin’ny Masoivoho , tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano.

🤝Vory lanona teny an-toerana avokoa ireo Lehiben’ny Andrimpanjakana, tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, mpiantsehatra ara-toekarena, mpampiasa vola, ary mpiara-miombon’antoka samihafa mpiara-misalahy ao amin’ny tontolon’ny fampandrosoana ara-toekarena. Anisan’ireo tonga nandray anjara tamin’izany koa ny Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, Mpiahy an-drariny miaro ny zon'ny vahoaka.

✅Hentitra ny fitakiana ny fanajana ireo fenitra hahatomombana ny fitantanana ara-toekarena miabo eto Madagasikara tao anatin’ny venti-kevitra notsoahina tamin’ireo lahateny nifanesy. Nisongadina tamin’izany ny fitantanana madio sy mahomby, antoka iray lehibe ahafahan’ny firenena miaina sy mampiaina ny vahoaka ao anatin’ny fampandrosoana maharitra.

📈Tanjona iraisana amin’ireo tetikasa fanarenana ara-toekarena efa natomboka ny hampitombo ny fahombiazan’ny rafi-pitantanana, hanamafy ny tamberin’andraikitra ary hampiroborobo ny fomba fiasa mifototra amin’ny tombontsoa iombonana, izay mifandray indrindra amin’ny fiarovana ny zo fototra ananan’ny olompirenena tsirairay.

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

NANAO ANTSO AVO HANAMAFISANA NY FIAROVANA NY ZON’IREO OLONA MANANA TOE-TENA VARIRA NY MPIAHY AN-DRARINY— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i...
20/06/2026

NANAO ANTSO AVO HANAMAFISANA NY FIAROVANA NY ZON’IREO OLONA MANANA TOE-TENA VARIRA NY MPIAHY AN-DRARINY

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-20 j𝑜n𝑎 2026 —

🤝Nanatrika ny fihaonambe sy fampirantiana an-tsary mikasika ny fiainan'ireo olona manana toe-tena varira ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon'ny vahoaka, Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮. Ny no nikarakara ity hetsika notanterahina androany tao amin’ny Institut Français de Madagascar Analakely ity, ho fanentanana sy fampahafantarana ny vahoaka momba ireo olana sy fanamby mbola atrehin'izy ireo eo amin'ny fiainana andavanandro.

📌Nandritra ny adihevitra no nanasongadinana ireo sakana manohintohina ny zon’izy ireo eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana, ara-piarahamonina, ary indrindra ny fanilikilihana sy ny herisetra mianjady amin’izy ireo amin'ny endriny samihafa.

📣Nanipika mazava ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon'ny vahoaka nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa mitovy zo sy hasina amin'ny olompirenena rehetra ireo olona manana toe-tena varira ireo. Nanaovany antso avo tamin’izany ny fiaraha-mientan'ny rehetra amin’ny fananganana fiarahamonina manaja ny fahasamihafana sy miady amin'ny endrika rehetra isehoan'ny fanavakavahana.

≠Vivre_avec_l_albinisme_à_Madagascar

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKETRA : FIANIANAN’IREO MPIKAMBANA VAOVAO AO AMIN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA ...
19/06/2026

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKETRA : FIANIANAN’IREO MPIKAMBANA VAOVAO AO AMIN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-19 j𝑜n𝑎 2026 —

🏫Notanterahina androany tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fotoam-pitsarana manetriketrika nanaovan’Andriamatoa VAZISON Honoré sy Andriamatoa RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin fianianana amin’ny maha mpikambana vaovao azy ireo ao amin’ity Andrimpanjakana ity.

✅Tonga nanome voninahitra izany ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ary nanatrika izany koa ny Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila ary ireo solontenan’ny Andrimpanjakana samihafa.

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

HO TOMBONTSOAN'NY VAHOAKA : MAMPIROBOROBO NY FIFANAKALOZANA IRAISAMPIRENENA NY MPIAHY AN-DRARINY— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎ...
16/06/2026

HO TOMBONTSOAN'NY VAHOAKA : MAMPIROBOROBO NY FIFANAKALOZANA IRAISAMPIRENENA NY MPIAHY AN-DRARINY

— 𝑀p𝑖aℎy 𝑎n-d𝑟a𝑟i𝑛y, 𝑓aℎa-16 j𝑜n𝑎 2026 —

📣Isan’ireo tonga namaly ny fanasana nataon’Andriamatoa Alexeï BURIAK, mpiandraiki-draharaha vonjimaika eo anivon’ny Masoivohon’ny Federasiôna Rosiana eto Madagasikara ny Profesora 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗧𝗦𝗘𝗛𝗘𝗡𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, nanatrika ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenen’izy ireo, notanterahina tetsy amin’ny Masoivohon’i Rosia, Ivandry. Nisongadina nandritra izany fotoana izany ny lanjan’ny fifankahazoana sy ny fifanajana eo amin’ireo firenena mpinamana, izay mivoy ny fiaraha-miasa mahasoa ny firenena sy manokatra lalana hanatsarana hatrany ny fiarovana ny zon’ny vahoaka.

📌Antitranterin’ny Mpiahy an-drariny hatrany fa zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny iraka iantsorohan’ny Andrimpanjakana ny fisian’ireo sehatra ahafahana mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao matihanina amin’ny fitantanana raharaham-panjakana, indrindra ireo mifandraika amin’ny fanajana sy fiarovana ny zon’olombelona. Araka izany dia tohanany sy hamafisiny ny fisokafan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisampirenena.

𝐍y S𝐞r𝐚s𝐞r𝐚n’n𝐲 𝐌p𝐢a𝐡y a𝐧-𝐝r𝐚r𝐢n𝐲

Address

33, Rue Docteur Villette, Isoraka
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Médiature de la République de Madagascar -Page officielle posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category