18/06/2026
🌉 𝗩𝗶𝘁𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗺𝗶𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗼𝗻𝗶𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗺𝗼𝗶𝘃𝗼𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗧𝗘𝗡𝗔𝗡𝗜𝗠𝗔𝗗𝗜𝗥𝗢
𝗣𝗞𝟲𝟳+𝟳𝟬𝟬 – 𝗥𝗡𝗦 𝟱𝗔
🚗🚚 Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra indray ny fifamoivoizana eo amin’ny tetezana Tenanimadiro PK67+700 (RNS 5A), izay eo amin’ny 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐛𝐢𝐥𝐨𝐛𝐞 𝐬𝐲 𝐕𝐨𝐡𝐞́𝐦𝐚𝐫, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maromokotra, Distrikan’i Vohémar, Faritra SAVA.
🔧 Natao omaly alarobia maraina ny asa fanamboarana ireo “rampe d’accès” izay nisy fahasimbana.
Noho izany dia nisy ny fiatoan’ny fifamoivoizana hatramin' ny omaly tolakandro.
✅ Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana, ka efa miverina amin’ny laoniny ary misokatra ho an’ny fiara rehetra ny fifamoivoizana amin’ity tetezana ity. 🚛🚙
🙏 Mankasitraka ny faharetana sy ny fiaraha-miasan’ny mpampiasa lalana rehetra.
🚘 Mirary dia milamina sy azo antoka ho an’ny rehetra !