Ivotoro

Ivotoro Le centre IVOTORO informe et oriente les usagers sur les formalités et les procédures administratives.

Ivotoro
24/07/2026

Ivotoro

24/06/2026
Ho avy ity ny taona vaovao! Mety misy amintsika manana vina hanangana orinasa. Zonao feno ny misitraka ny torohay amin'n...
04/12/2025

Ho avy ity ny taona vaovao! Mety misy amintsika manana vina hanangana orinasa. Zonao feno ny misitraka ny torohay amin'ny dingana lalovana amin'ny fikarakarana antotan-taratasim-panjakana amin'izany eto anivon'ny Ivotoro.

✅ NY FANANGANANA ORINASA TSY MIANKINA HO AN'NY OLONA TSOTRA (ENTREPRISE INDIVIDUELLE)

➡️Dingana 1 : TOERANA HALEHA
- Any amin’ny EDBM(Economic Development Board of Madagascar) no aleha voalohany : ny EDBM ivon-toerana (“guichet unique”) izay manamora ny fisoratana anarana ny orinasa, anisan’izany ny fahazoana NIF (Numéro d’Identification Fiscale), STAT (Statistique), ary Carte Professionnelle ;
- Manatona ny Centre Fiscal (foibe hetra), ahorian’ny EDBM ;
- Ho an’ireo any ambanivohitra manantona ny kaominina na fokontany mba hanangona ny taratasy ilaina (oh: certificat de résidence, plan de repérage), ary avy eo mandeha any amin’ny EDBM any amin’ny tanàna lehibe akaiky.

➡️Dingana 2 : ANTOTAN-TARATASY ILAINA
- Photocopie CIN légalisée (02): Kopia voamarina ny kara-panondro (Carte d’Identité Nationale) an’ny mpangataka.
- Certificat de résidence ou certificat d’existence (02): Fanamarinana ny maha-mponina avy amin’ny fokontany misy anao, tsy mihoatra ny 3 volana ny daty namoahana azy.
Mety hangatahana ny “certificat d’existence” raha tsy mitovy ny toerana misy anao ankehitriny sy ny toerana nahaterahana.
- Plan de repérage visé par le FKT (02): Sarintany na drafitra manondro ny toerana misy ny fandraharahana (oh: fivarotana, cash point, sns.), voamarina sy nosoniavin’ny fokontany. Ilaina izany mba hanamafisana ny adiresy ofisialin’ny orinasa.
- Contrat de bail ou location verbale ou copie rôle LFPB (02):
▶️Raha manofa toerana ianao, dia ilaina ny contrat de bail (fifanarahana hofan-trano) voamarina.
▶️Raha tsy misy fifanarahana an-tsoratra, dia azo ampiasaina ny “location verbale” (fanambarana an-tsoratra avy amin’ny tompon-trano).
▶️Ny copie rôle LFPB (Liste Foncière des Propriétés Bâties) dia ilaina raha anao ny toerana, mba hanamarinana fa voasoratra ao amin’ny rejisitry ny hetra ny fananana.
- Copie de la licence (vente de boissons alcooliques) (02): Raha ao amin’ny sehatry ny fivarotana zava-pisotro misy alkaola (oh: bar, toaka, sns.), dia ilaina ny fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina na ny ministera mifandraika.
- Copie de l’autorisation ministère du tourisme (hôtel) (01): Raha hotely na trano fandraisam-bahiny no kasaina hapetraka, dia ilaina ny fankatoavana avy amin’ny Ministère du Tourisme.
- Référence NIFONLINE (02):
▶️Ny NIF (Numéro d’Identification Fiscale) dia azo avy amin’ny EDBM na ny foibe hetra rehefa misoratra anarana ny orinasa.
▶️Ny “NIFONLINE” dia manondro ny fisoratana anarana amin’ny rafitra an-tserasera an’ny hetra, izay ampiasaina hanaraha-maso ny fandoavana hetra.
- Autres: Mety misy antontan-taratasy fanampiny arakaraka ny karazana fandraharahana, ohatra:
▶️Fanamarinana avy amin’ny ministera (oh: Ministeran’ny Fahasalamana ho an’ny farmasia na sakafo).
▶️Boky fitantanana na porofon’ny vola voalohany (fonds de roulement) raha cash point na serivisy ara-bola.

➡️Dingana 3 : SARANY : miovaova arakaraka ny karazana fandraharahana:
1. Manomboka amin’ny 16,000 Ar:
▶️Ho an’ny: Agriculteur, éleveur, pêcheur, petits exploitants miniers, charrette, pousse-pousse.
▶️Ireo no heverina ho fandraharahana kely indrindra, izay matetika tsy mitaky fepetra sarotra.
2. Manomboka amin’ny 50,000 Ar:
▶️Ho an’ny: Petits producteurs, artisans, gargotiers, petits commerçants.
▶️Ireo dia orinasa kely manana asa tsotra toy ny fivarotana entana na fanomezana serivisy kely.
3. Manomboka amin’ny 100,000 Ar:
▶️Ho an’ny: Artisans miniers, artistes et assimilés, commerçants, hôteliers, prestataires restaurateurs.
▶️Ireo dia orinasa mitaky toerana fandraharahana sy fepetra fanampiny (oh: fahazoan-dalana).
4. Manomboka amin’ny 150,000 Ar:
▶️Ho an’ny: Professions libérales, activités multiples.
▶️Ireo dia orinasa sarotra kokoa, toy ny consultant, mpisolovava, na orinasa manana asa maro.
Fanamarihana momba ny sarany:
• Ny sarany etsy ambony dia ho an’ny fisoratana voalohany ao amin’ny EDBM sy ny foibe hetra.
• Mety misy sarany fanampiny ho an’ny:
▶️Legalisation ny antontan-taratasy (oh: 1,000-5,000 Ar isaky ny kopia).
▶️Fahazoan-dalana manokana (oh: licence ho an’ny zava-pisotro misy alkaola na autorisation avy amin’ny Ministeran’ny Tourisme).
▶️Fitaovana na vola voalohany raha cash point na serivisy ara-bola.

➡️Dingana 4 : FAHARETAN’NY FIKARAKARANA
- 1 hatramin’ny 3 andro raha feno ny antontan-taratasy.
- 1 hatramin’ny 2 herinandro : Raha misy antontan-taratasy tsy feno na mila fankatoavana fanampiny (oh : licence na autorisation), dia mety haharitra.
- Ny fanaraha-maso any amin’ny foibe hetra sy ny fanokafana kaonty banky (raha ilaina) dia mety hanampy andro vitsivitsy.

Ry Malagasy namana, ry tanora 🇲🇬Raha te hikarakara an-tontan-taratasim-panjakana isika. Ka tsy fantatsika hoe inona daho...
13/11/2025

Ry Malagasy namana, ry tanora 🇲🇬

Raha te hikarakara an-tontan-taratasim-panjakana isika. Ka tsy fantatsika hoe inona daholo ny zavatra ilaina, aiza ny toerana aleha? Dia antsoy ny Ivotoro amin'ny laharana 640 fa hanampy antsika izany.

Manala ny fahasahiranantsika sady manamaivana ny fivezivezena, ary hanome torohay marina sy feno ho antsika amin'ny fikarakarana taratasim-panjakana no fahafaham-po ho anay.

Fandraisana ny antso :
An-davan'andro amin'ny
08 ora maraina - 12 ora atoandro
02 ora tolakandro - 04 ora hariva

Hizara amin'ny tanora sady hampahafantatra momba ny Ivotoro ny Tale Toavina Rafanomezantsoa, ny Sabotsy 08 novambra 2025...
06/11/2025

Hizara amin'ny tanora sady hampahafantatra momba ny Ivotoro ny Tale Toavina Rafanomezantsoa, ny Sabotsy 08 novambra 2025 ho avy izao, eny amin'ny Commune Rurale Bemasoandro Atsimondrano.

Manasa antsika rehetra hanatrika izany.

𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐢𝐤𝐢𝐭𝐬𝐢𝐤𝐲 𝐧𝐨 𝐢𝐚𝐭𝐫𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚🇲🇬📌Fa inona tokoa moa ny Ivotoro ?Ny Ivotoro dia Fitaleavana iray ao amin'ny ...
05/11/2025

𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐢𝐤𝐢𝐭𝐬𝐢𝐤𝐲 𝐧𝐨 𝐢𝐚𝐭𝐫𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚🇲🇬📌

Fa inona tokoa moa ny Ivotoro ?

Ny Ivotoro dia Fitaleavana iray ao amin'ny Ministeran'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) manoro làlana ny olom-pirenena ny dingana arahana momba ny fikarakarana taratasim-panjakana. Ohatra: kopia, pasipaoro, fanamarina-ponenana...

- Manome torohay marina sy feno ho an'ny olom-pirenena amin'ny fikarakarana taratasim-panjakana;

- Manamaivana amin'ny fivezivezena sy mampihena ny fandaniana;

- Mampihena ny kolikoly, hisorohana ny fanararaotana sy ny fisolokiana;

- Manamora sy mampanakaiky ny raharaham-panjakana amin'ny vahoaka;

- Ary mandrisika ny zò fototra hahazo torohay;

- Mamaly ny hetaheta amin'ny alalan'ny laharana fohy 640 sy ny tranon-kala ivotoro (www.ivotoro.mg) ary eto amin'ny tambazotran-tserasera.

𝑇𝑜𝑟𝑜ℎ𝑎𝑦. Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny dingana lalovana raha hangataka diplôma Baccalauréat.Eto ny Ivotoro hanoro...
05/11/2025

𝑇𝑜𝑟𝑜ℎ𝑎𝑦.

Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny dingana lalovana raha hangataka diplôma Baccalauréat.

Eto ny Ivotoro hanoro lalana antsika hatrany amin'ny fomba fikarakarana antotan-taratasim-panjakana.

Antsoy ny 640, araho tsy tapaka ny pejy 🇲🇬

ALEFA TEAM MADAGASCAR 🇲🇬Manohana ny FGC Team Madagascar isika eto amin'ny Ivotoro. Andro sisa no isaina dia hiatrika ny ...
20/10/2025

ALEFA TEAM MADAGASCAR 🇲🇬

Manohana ny FGC Team Madagascar isika eto amin'ny Ivotoro. Andro sisa no isaina dia hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ireo tanorantsika. Araho an-tsary ny fanomanana.

Anilanao hatrany ny ekipan'ny Ivotoro eto anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina raha mila toro-lalana iana...
08/09/2025

Anilanao hatrany ny ekipan'ny Ivotoro eto anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina raha mila toro-lalana ianao amin'ny fomba fikarakarana taratasim-panjakana.

Aza misalasala miantso ny laharana 𝟲𝟰𝟬

𝐹𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎𝑖𝑘𝑦 𝑣𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎

Address


101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ivotoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed Government Service?

Share