Direction Générale - Trésor Public Malagasy

Direction Générale - Trésor Public Malagasy Pejy ofisialin'ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy
Page officielle du trésor public Malagasy
Official page of the Malagasy public Treasury

𝐆𝐄𝐌 𝐂𝐎𝐍𝐍𝐄𝐂𝐓 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐏𝐋𝐅𝐑 𝟐𝟎𝟐𝟔𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚, 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚
05/06/2026

𝐆𝐄𝐌 𝐂𝐎𝐍𝐍𝐄𝐂𝐓 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐏𝐋𝐅𝐑 𝟐𝟎𝟐𝟔
𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚, 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚

Toy izao manaraka izao ny fitsinjaran'ny laharana fandraisana 𝐏𝐄𝐍𝐒𝐈𝐎𝐍 eto amin'ny faritra Analamanga amin'ity volana 𝑱𝑶𝑵...
04/06/2026

Toy izao manaraka izao ny fitsinjaran'ny laharana fandraisana 𝐏𝐄𝐍𝐒𝐈𝐎𝐍 eto amin'ny faritra Analamanga amin'ity volana 𝑱𝑶𝑵𝑨 ity.

👉👉 Ny eny anivon'ireo 𝐏𝐄𝐑𝐂𝐄𝐏𝐓𝐈𝐎𝐍𝐒 𝐏𝐑𝐈𝐍𝐂𝐈𝐏𝐀𝐋𝐄𝐒 (PP), 𝐓𝐑𝐄𝐒𝐎𝐑𝐄𝐑𝐈𝐄 𝐏𝐑𝐈𝐍𝐂𝐈𝐏𝐀𝐋𝐄 (TP), 𝐓𝐫𝐞́𝐬𝐨𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞 𝐏𝐫𝐢𝐧𝐜𝐢𝐩𝐚𝐥𝐞 𝐈𝐧𝐭𝐞𝐫-𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐥𝐞 (TPIC) :
✅ Ny miafara amin'ny 0- 1- 2 : Alarobia 10 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Ny miafara amin'ny 3-4-5: Alakamisy 11 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Ny miafara amin'ny 6-7-8-9 : Zoma 13 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Ny miafara amin'ny A-B-C-D-E: Alatsinainy 15 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
Manomboka ny Talata 16 𝑱𝑶𝑵𝑨 kosa no mandray ireo izay mitondra "procuration" sy ireo taraiky.

👉👉 Toy izao kosa ny fitsinjarana PENSION eny amin'ny PGA ( 𝐏𝐚𝐢𝐞𝐫𝐢𝐞 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨) sy ny RGA ( 𝐑𝐞𝐜𝐞𝐭𝐭𝐞 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨) eny Antaninarenina :
✅ Ny miafara amin'ny 0- 1- 2- 3- 4-5 : Alarobia 10 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Ny miafara amin'ny 6- 7-8-9-A-B: Alakamisy 11 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Ny miafara amin'ny C- D-E-F: Zoma 12 𝑱𝑶𝑵𝑨 no mandray
✅ Manomboka ny Alatsinainy 15 𝑱𝑶𝑵𝑨 kosa no mandray ireo izay mitondra "procuration" sy ireo taraiky

👌TSY MIOVA ny fitsinjaran'ny laharana ho an'ny FARITRA hafa fa ny daty fanombohan'ny fizarana no mety hafa.
👌Aoka mba ARAHINA NY LAMINA ho fifampitsinjovan'ny samy Zokiolona
👌Marihina fa aorian'io tetiandro io dia afaka alaina amin'ny fotoana rehetra ny "pension" ho an'ireo izay tsy nahazo izany tamin'ny andro voatondro handraisany ny fisotroan-drononono Voir moins

31/05/2026

👩Satria moa Reny ny Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana dia zaraina amintsika anio hoe ohatran'ny ahoana izany sady Reny no Tale Jeneraly izany.

👌 Miray feo aminy ihany koa izahay mpiara-miasa eto anivon'ny Tahirimbolam-panjakana mirary fety sambatra ho an'ny reny rehetra tsy ankanavaka.

28/05/2026
❌❌ FAMPITANDREMANA❌❌
26/05/2026

❌❌ FAMPITANDREMANA❌❌

🚨🚨 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔 🚨🚨

Ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 dia mampahafantatra ny besinimaro fa 𝗗𝗜𝗦𝗢 𝗔𝗥𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗡𝗔 ity filazana mikasika ny "Mises en vente de véhicules et motocycles" voalaza fa avy amin'ny Fadintseranana ity.

📌 Noho izany dia iangaviana isika rehetra tsy hanaiky izay mety ho fandrebirebena atao eny amin'ny tambajotran-tserasera mahakasika izay mety ho vaovao miparitaka momba izany.



26/05/2026
26/05/2026
Fampahatsiahivana tetiandro fandoavana      vatsim-pianarana🚨 Manomboka rahampitso 26 mey 2026 ny fotoana fandraisana ny...
25/05/2026

Fampahatsiahivana tetiandro fandoavana vatsim-pianarana

🚨 Manomboka rahampitso 26 mey 2026 ny fotoana fandraisana ny vatsim-pianarana eny amin'ny "Caisses bourses" eny anivon'ny Tahirimbolam-panjakana, araka ny tetiandro sy ireo toerana voatondro.

👉 Ankoatra ireo "Caisses bourses" anefa, dia misy ireo "Caisses de proximité" napetraka eny amin'ny ESPA Vontovorona, Oniversiten'Antsiranana, ary Ankatso.

📢Safidy ilay "Caisses de proximité" fa afaka mandray ny vatsim-pianarana eny amin'ny Tahirimbolam-panjakana hatrany ny mpianatra anivon'ny ESPA Vontovorona, Oniversiten'Antsiranana sy Ankatso.

🤝 Misaotra antsika manaraka tsara ireo lamina sy toromarika efa napetraka.

Address

Immeuble Negresky Ambatonakanga
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Générale - Trésor Public Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Direction Générale - Trésor Public Malagasy:

Share