23/08/2026
TANORA MARO NO NISITRAKA NY FIOFANANA INFORMATIKA MAIMAIM-POANA 💻✨
🎓 Tontosa omaly, Asabotsy, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana Informatika maimaim-poana ho an’ireo ankizy sy tanora eto Ambohimanarina.
🤝 Ity hetsika ity dia nokarakarain’ny Tanora TIM Ambohimanarina, tarihin’i Lalaina Rabezanahary, ary tanterahina noho ny fiaraha-miasan’ny Groupe Les Rossignols Mada.
👩‍💻👨‍💻 Tanora maro no tonga nisitraka izany fahafahana izany, satria inoana fa ny fahalalana Informatika dia anisan’ny lakilen’ny fahombiazana amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.
🎯 Ny tanjona lehibe dia ny hanomezana fahalalana sy fahaiza-manao fototra amin’ny Informatika ho an’ireo tanora, mba hahafahan’izy ireo: ✅ Mahafehy tsara ny fitaovana sy ny tontolon’ny Informatika
✅ Mampiasa izany amin’ny fianarana sy ny fiainana andavanandro
✅ Mahazo fahaiza-manao afaka hanampy azy ireo hisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa amin’ny ho avy.
💡 Tsy fahalalana fotsiny no omena, fa fanalahidy hanokafana varavarana ho amin’ny hoavy!
🌱 Tanora mahay – Tanora vonona – Tanora afaka miatrika ny ho avy!