Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo

01/06/2026

01 jona, Analakely_Fanombohana ny fankalazana ny faha-66 taona nahazoan'i Madagasikara Fahaleovan-tena, fananganan-tsaina.

Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

31/05/2026

Tafatafa iarahana amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Mickaël.

🔊𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 (𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀) 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨.🔊
31/05/2026

🔊𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 (𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀) 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨.🔊

31/05/2026
𝐒𝐞𝐡𝐚-𝐩𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐂𝐚𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞:  𝐦𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐯𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚🌱 Nijery ny fomba fambolena sy...
31/05/2026

𝐒𝐞𝐡𝐚-𝐩𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐂𝐚𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞: 𝐦𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐯𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚

🌱 Nijery ny fomba fambolena sy ny teknika ampiasaina amin’ny fanodinana cannelle any Weligama, Sri Lanka, ny Mpanolo-tsaina Ambonin’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Gervais ANDRIAMIHARITSOA, notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Andriamatoa RABARISON Arsène Andriatiana.

🤝 Nisy ny fifampizarana traikefa niaraka tamin’ireo tantsaha sy mpandraharaha, ka naseho nandritra izany ny anjara toeran’ny voly cannelle amin’ny fampidiram-bola vahiny ho an’i Sri Lanka.

✅ Taorian’ny fihaonana dia nifanarahana ny hampita ny fahaiza-manao sy ny traikefa ara-teknika ho aty Madagasikara. Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo no hiandraikitra ny lafiny teknika ara-pambolena, raha handray anjara amin’ny fikarohana kosa ny FOFIFA.

➖ Nofaranana tamin'ny fitsidihana ireo toeram-pambolena cannelle sy fijerevana ny teknika ampiasaina amin’ny fambolena ny fotoana ka voaresaka manokana ny paikady nahafahan’i Sri Lanka mampivelatra ity sehatra ity, izay anisan’ireo loharanom-bola vahiny lehibe ho an’ny firenena.

📈 Ity fiaraha-miasa ity dia antenaina hanokatra làlana vaovao amin’ny fampiroboroboana ny voly cannelle eto Madagasikara, hampitombo ny vokatra sy ny kalitao, ary hanamafy ny fahafahan’ny firenena miditra amin’ny tsena iraisam-pirenena.

"𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨"
Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

31/05/2026

𝐇𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚.

31/05/2026

𝐌𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐨𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐡𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐟𝐞𝐭𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐨.
𝐌𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐞𝐭𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐛𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐞𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐥𝐢𝐚𝐧𝐚!
Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

𝐌𝐢𝐀𝐒𝐀- 𝐅𝐀𝐎: 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞𝐣𝐢𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚✅ 29 𝑀𝑒𝑦 2026, 𝐴𝑛𝑜𝑠𝑦_Manohana ny Governem...
30/05/2026

𝐌𝐢𝐀𝐒𝐀- 𝐅𝐀𝐎: 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞𝐣𝐢𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚

✅ 29 𝑀𝑒𝑦 2026, 𝐴𝑛𝑜𝑠𝑦_Manohana ny Governemanta Malagasy, amin’ny alalàn’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA) ny FAO, amin’ny famolavolana ny CPP (Cadre de Programmation par Pays) 2026-2028. Nisy ny fandravonana ireo asa hotanterahina anatin'izany, tohin'ny atrikasa fakan-kevitra ny volana desambra 2025.

🎯 Nofaritana ireo asa laharam-pahamehana, ireo vokatra andrasana ary ireo vina lehibe mbola miandry. Noezahina ampidirina anatin'ny vinan'asa ihany koa ireo asa efa mandeha ataon'ireo mpisehatra hafa, mifanindran-dalana amin'izany. Ezahina ny hamenoana ny lesoka tamin'ny fanatanterahana ny asa tao antin'ny CPP 2022-2025, ka
hamafisina ny firindran'ny asa sy ny fiaraha-miasa amin'ireo mpisehatra rehetra. Nasongadina ihany koa ny vinan'ny MiASA amin'ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

« 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 »
Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire
FAO Representation - Madagascar Comores Maurice Seychelles

𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚- 𝐒𝐀𝐃𝐂: 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐝𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐟𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐭𝐫'𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨.➖ Nisolo tena an'i Madagasikara ny...
30/05/2026

𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚- 𝐒𝐀𝐃𝐂: 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐝𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐟𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐭𝐫'𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨.

➖ Nisolo tena an'i Madagasikara ny Minisiteran'ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo, nandritry ny fivorian'ireo Minisitra mivondrona anatin'ny SADC, misehatra amin'ny Fambolena, ny Fanjarian-tsakafo, ary ny Jono sy ny fiompiana anaty rano, ny 27-29 mey 2026, tao Victoria Falls, Zimbabwe.

⏩ Nisy ny adisisika nataon'ireo Delegasiona malagasy, izay notarihin'Andriamatoa Minisitra, RAMINDO Gaëtan, ny amin'ny tokony hijerena manokana ny firenena mora ianjadian'ny loza voajanahary sy ny rivo-doza, ary nangataka ny hametrahana rafitra fanohanana isam-pirenena, manoloana ireo krizy ara-toetr'andro, mety hiseho ireo.

✅ Nanamafy ny fahavononany ihany koa i Madagasikara ny amin'ny firosoana mankamin'ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny fampiroboroboana ny famokarana afa-miatrika ny fiovan'ny toetr'andro, ny fanatsaràna ny fisitrahan'ny tantsaha mpamokatra zezika sy hanampamokarana, ary ny fanamafisana ny rojom-pihariana afaka miteraka harena sy asa maro.

⏩️ Naneho ihany koa ny Minisitera ny hanohanana an' i Madagasikara amin'ny fananganana sampana isam-paritra misahana manokana ny tanora tantsaha, ary manamafy ny fahavononana hatrany ny Governemanta hametraka rafitra eo anivon’ny Ministera mba hampiroboroboana ny fandraharahana, ny fanavaozana ary ny fanomezana asa ho an’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ara-tsakafo.

🎯 Nasongadina nandritry ny fotoana ihany koa ny lanjan'ny fikarohana ara-pamokarana ho an'i Madagasikara, ka misy ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny CCARDESA, izay ivontoerana rezionaly azo lazaina ho fitaratra, misehatra feno amin'ny fampivoarana ny ara-pamokarana.

"𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨"
Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

29/05/2026

𝐓𝐀𝐊𝐀𝐑𝐈𝐕𝐀 𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀

𝐌𝐚𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚, 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐳𝐨𝐦𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝟓 𝐨𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐍𝐌.

"𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨".

Address

Anosy Antanananarivo
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire:

Share