28/05/2026
📝 Nihaona tamin'ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny Kolikoly ( PAC ) teto amin'ny trano fiasana Immeuble CNAPS 67ha , ny alakamisy faha 28 May 2026 ny Lehiben'ny Tetikasa antsoina hoe : " Tous redevables pour une gouvernance démocratique et des finances publiques transparentes à Madagascar " , Andriamatoa David HACQUIN Expertise France , niaraka tamin-dRamatoa F***y LACROIX Economiste , chargée de programme gouvernance.
📍Tetikasa izay vatsian'ny Vondrona Eoropeana vola .
✒️ Fampahafantarana ilay tetikasa vaovao no noresahana nandritra ny fihaonana ary ireo laharam-pahamehan'ny PAC.
🖇️ Marihina fa mbola hihaona amin'ireo Lehiben'ny Rafitra miady amin'ny Kolikoly eto Madagasikara ireto delegasiona ireto.