Ministeran'ny Fitsarana Malagasy

Ministeran'ny Fitsarana Malagasy Pejy ofisialin'ny Minisiteran’ny Fitsarana Malagasy

04/09/2026

📽️ 𝐇𝐨𝐫𝐨𝐧𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗸𝗮𝗿𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗶𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗮𝗯𝗶𝗹𝗶𝗼 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗯𝗲𝗮𝘇𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟬-𝟮𝟬𝟮𝟭.

🙏🏿 𝗘𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗵𝗼 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗲𝗻𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗼𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼, 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗲𝘇𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘀𝗮𝗺𝗶𝗵𝗮𝗳𝗮, 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝘀𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗵𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗼.

➡️ 𝗠𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗮𝗻𝘆.

#2026

🇲🇬 FONJABEN’AMBALATAVOAHANGY – TOAMASINAAndroany Zoma 04 Septambra 2026, tamin'ny 08 ora 45 minitra dia voafonja miisa 0...
04/09/2026

🇲🇬 FONJABEN’AMBALATAVOAHANGY – TOAMASINA

Androany Zoma 04 Septambra 2026, tamin'ny 08 ora 45 minitra dia voafonja miisa 03 no nikasa hitsoaka tao amin’ny Fonjaben’Ambalatavoahangy, Toamasina.

Voasambotra ny roa tamin’ireo voafonja, raha ny iray kosa tafatsoaka ary efa namoahana avy hatrany fampilazana fikarohana na « Avis de recherche » mikasika azy, izay hiarahana amin'ireo Mpitandro ny Filaminana any an-toerana.

Araka ny tatitra dia totohatra ampiasain’ny orinasa iray manantanteraka asa fanamboarana ao anivon’ny Fonja no nampiasaina izy ireo tamin’ny fanatanterahana izao fikasana hitsoaka izao.

Nandritra ny fisamborana, voatifitra teo amin’ny fitombenany ny iray tamin’ireo voafonja. Na dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza aza izy, dia tsy tana ny ainy. Ny voafonja faharoa kosa dia efa voasambotra ihany koa.

Efa nandray fepetra hentitra ny tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja, ka mitohy tsy miato ny fikarohana sy ny fanenjehana ilay voafonja iray tafatsoaka. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana momba izao raharaha izao.
-------
🇫🇷 MAISON DE FORCE D’AMBALATAVOAHANGY – TOAMASINA

Ce vendredi 4 septembre 2026, à 8 h 45mn, trois détenus ont tenté de s’évader de la Maison de Force d’Ambalatavoahangy, à Toamasina.

Deux des détenus ont été interpellés, tandis que le troisième est parvenu à prendre la fuite. Un avis de recherche a immédiatement été émis à son encontre, en coordination avec les forces de l’ordre locales.

Selon les premiers éléments du rapport, les détenus auraient utilisé une échelle appartenant à une entreprise intervenant actuellement dans des travaux de réhabilitation au sein de l’établissement pénitentiaire pour mettre à exécution leur tentative d’évasion.

Lors de l’opération d’interpellation, l’un des détenus a été atteint par b***e aux fesses. Malgré les soins médicaux appropriés qui lui ont été prodigués, il n’a malheureusement pas survécu à ses blessures. Le second détenu, quant à lui, a également été appréhendé.

Les responsables au sein de l’Administration pénitentiaire ont d’ores et déjà pris des mesures strictes. Les recherches et les opérations visant à retrouver le détenu toujours en fuite se poursuivent sans relâche, en collaboration avec les forces de l’ordre.

Une enquête est également en cours afin de déterminer les circonstances exactes de cette tentative d’évasion.
----------
🇬🇧 AMBALATAVOAHANGY PRISON – TOAMASINA

This Friday, September 4, 2026, at 8:45 a.m., three inmates attempted to escape from Ambalatavoahangy Prison in Toamasina.

Two of the inmates were apprehended, while the third managed to escape. A wanted notice was immediately issued for the fugitive, in coordination with the local law enforcement authorities.

According to the initial report, the inmates used a ladder belonging to a company currently carrying out renovation work within the prison premises to carry out their escape attempt.

During the arrest operation, one of the inmates sustained a gunshot wound to the buttocks. Despite receiving the necessary medical treatment, he unfortunately succumbed to his injuries. The second inmate has also been apprehended.

The prison authorities have immediately taken strict measures. Search and apprehension operations for the inmate still at large are continuing without interruption, in close coordination with the local law enforcement authorities.

An investigation is also underway to establish the exact circumstances surrounding this attempted escape

04/09/2026

𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗬 𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔𝗡𝗚𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗬 – 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗔𝗡𝗞𝗔𝗭𝗢𝗕𝗘, 𝗞𝗔 𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗗𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠-𝗣𝗢𝗡𝗝𝗔 𝗩𝗢𝗡𝗝𝗜𝗠𝗔𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗡-𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔.

Indro mitondra fanazavana ny Mpisolo Tonia Mpampanoa lalàna voalohany eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ankazobe, Andriamatoa RAKOTOARIMALALA Manjaka, natrehin'ny Mpisolo Tonia Mpampanoa lalàna, Ramatoa Tanteliniaina Harijaona.

29/08/2026

𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙁𝘼𝙈𝙊𝙉𝙊𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙉'𝙄 𝙎𝙏É𝙋𝙃𝘼𝙉𝙄𝙀 𝙎𝙔 𝙃𝘼𝙄𝙉𝙂𝙊𝙏𝙄𝘼𝙉𝘼:

🎥 Indro arahinao ny valan-dresaka izay nataon'ny Mpitandro ny filaminana, niarahana tamin'ny teto anivon'ny fampanoavana - Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

🇲🇬 FANAMBARANA OFISIALY⚖️ FAMPIHARANA HENTITRA NY LALÀNA MAMARITRA NY FITSIPIM-PIFEHEZANA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FI...
27/08/2026

🇲🇬 FANAMBARANA OFISIALY
⚖️ FAMPIHARANA HENTITRA NY LALÀNA MAMARITRA NY FITSIPIM-PIFEHEZANA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FITSARANA
-----------

🇫🇷 COMMUNIQUÉ OFFICIEL
⚖️ APPLICATION STRICTE DE LA LOI ET RESPECT DES RÈGLES DISCIPLINAIRES AU SEIN DU MINISTÈRE DE LA JUSTICE
-----------

🇬🇧OFFICIAL STATEMENT
⚖️ STRICT ENFORCEMENT OF THE LAW AND DISCIPLINARY STANDARDS WITHIN THE MINISTRY OF JUSTICE

⭕ENMG: LISTE DES CANDIDATS ADMIS DE LA FILIERE FINANCIERE
25/08/2026

⭕ENMG: LISTE DES CANDIDATS ADMIS DE LA FILIERE FINANCIERE

🔴𝐅𝐀𝐍𝐄𝐋𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐃𝐈𝐒𝐎: 𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐎𝐑𝐀 𝐑𝐄𝐁𝐈𝐑𝐄𝐁𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐒𝐎 𝐌𝐁𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀📌Hita fa mihamaro hatrany ireo...
25/08/2026

🔴𝐅𝐀𝐍𝐄𝐋𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐃𝐈𝐒𝐎: 𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐎𝐑𝐀 𝐑𝐄𝐁𝐈𝐑𝐄𝐁𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐒𝐎 𝐌𝐁𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀

📌Hita fa mihamaro hatrany ireo vaovao diso niniana aely, indrindra ataon’ireo mpambotry Firenena enjehin’ny Fitsarana ankehitriny. Kendrena manokana amin’izany ny fandotoana an-dRamatoa Minisitry ny Fitsarana, mba handaniany ny androny hamaliana ireo fanenjehana tsy misy fiafarana sy tsy misy porofo, ka hampitarazoka ny asa tokony hatao ho an’ny Mpiray tanindrazana, ary avy eo dia hilazana indray fa tsy nahavita asa Ramatoa Minisitra.

Mangina Ramatoa Minisitra satria miasa ho an’ny Mpiray tanindrazana. Tsy midika ho tsy miasa akory ny fahanginana. Efa napetrak-dRamatoa Minisitra, vao nandray ny asany, fa foto-kevitra mazava no hitondrany ny Minisiteran’ny Fitsarana: ny hamelany hiasa an-kahalalahana tanteraka ireo Mpitsara, mba hananan’izy ireo fahaleovantena feno eo am-panatanterahana ny asan’izy ireo.

Miasa ny Fitsarana, na eo aza ireo sakana maro samihafa, na eo amin’ny lafiny enti-manana, na eo amin’ny isan’ny mpiara-miasa.

🔺𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗛𝗜𝗠𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔

Mikasika ny raharaha Ambohimalaza, tsy mbola naneho fiovan-kevitra Ramatoa Minisitra momba ny fiheverany fa poizina simika (Botulisme artificiel) no nisy, fa tsy Belladone sy Datura araka ny vaovao naely teo aloha.

Tsy miteny matetika momba ity raharaha ity anefa Ramatoa Minisitra satria, araka ny voalaza teo aloha, dia nisafidy ny hamela tanteraka ireo Mpitsara hiasa an-kahalalahana sy hitondra ny fanadihadiana, tsy misy fitsabahana.

Sarotra ny fametrahana ny marina amin’ny alalan’ny porofo ara-tsiansa noho ny tsy nahatanterahan’ireo fitiliana tokony ho natao tany Eoropa ara-potoana, tao anatin’ny telo volana taorian’ny fahafatesana, izany hoe tokony ho tamin’ny Septambra 2025 farafahatarany.

Na izany aza, mitohy ny fanadihadiana, satria na dia nisy Ramatoa iray aza efa niaiky ny helony (famafazana poizina), tsy midika izany fa izy irery no tompon’antoka na voavaha avy hatrany avokoa mikasika ny zava-misy rehetra. Mbola ilaina hatrany ny manangona sy mampifandray ireo porofo rehetra mba hamaritana mazava ny zava-nitranga sy ny andraikitrin'ny tsirairay ao anatin'ity raharaha ity.

Araka ny tatitra azo, efa eo am-pamaranana ny fanadihadiana ireo Mpitsara misahana ny raharaha, ary miandry ny dingana ara-pitsarana manaraka izany, anisan’izany ny fotoam-pitsarana heloka bevava izay azon’ny rehetra arahina.

Na any amin’ireo firenena mandroso aza, mety haharitra ny fitadiavana ny marina amin’ny raharaha heloka bevava sarotra. Tsy ny habetsahan’ny vaovao miely no mamaritra ny fahamarinana, fa ny 𝗔𝗦𝗔, ny 𝗣𝗢𝗥𝗢𝗙𝗢 ary ny 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗛𝗔𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔.

Koa aza mora rebirebena, aza maika hino, ary indrindra aza maika hizara vaovao tsy voamarina.

Hamarino hatrany ireo vaovao amin’ireo loharano ofisialin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.



⭕ENMG: LISTE DES CANDIDATS ADMIS DE LA FILIERE ADMINISTRATIVE
24/08/2026

⭕ENMG: LISTE DES CANDIDATS ADMIS DE LA FILIERE ADMINISTRATIVE

23/08/2026

⭕FITRANDRAHANA TSY ARA-DALANA, NIJERY IFOTONY TAO MANANJARY NY MINISITRY NY FITSARANA

📌Taorian'ireo fitorohana fitrandrahana tsy ara-dalàna tao Mananjary dia tonga nijery ifotony ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka, Minisitry ny Fitsarana, Rtoa Fanirisoa ERNAIVO.

🔗Nosamborina avy hatrany ireo teratany sinoa tompon'antoka tamin'ilay fanotofana renirano tsy nahazoana alàlana.

🔷Marihina hatrany fa fiaraha-mientana teo amin'ny Fitsarana, ireo Tompon'andraikitra sy Pôlisy momba ny harena an-bikon'ny tany ary ny Kaominina tany an-toerana no nahazoana izao fahombiazana izao.

🇲🇬 FITRANDRAHANA TSY ARA-DALÀNANIDINA NANAMARINA IFOTONY TAO MANANJARY NY MINISITRY NY FITSARANA 21 Aogositra 2026 — Tao...
22/08/2026

🇲🇬 FITRANDRAHANA TSY ARA-DALÀNA

NIDINA NANAMARINA IFOTONY TAO MANANJARY NY MINISITRY NY FITSARANA

21 Aogositra 2026 —
Taorian’ireo fitorohana nataon'olon-tsotra momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna tao Mananjary, dia nidina ifotony, nanamarina ny zava-misy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, niaraka tamin’ireo Polisy misahana ny fanaraha-maso ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny Tale misahana ny Harena an-kibon’ny tany.

Tratehak'ireo tompon’andraiki-panjakana fa nisy tokoa ny fikasana hitrandraka tsy ara-dalàna sy fanotofana renirano, izay manimba ny tontolo iainana sy ireo voly fiharian'ny mponina.

Nosamborina nandritra izao fidinana izao avy hatrany ireo sinoa tompon’antoka izay hita teo an-toerana, ary nogejaina ireo milina nampiasaina.

Nanentana ireo tompon'andraikitra rehetra Ramatoa Minisitra mba handray ny andraikiny sy samy ho hentitra amin'ny fampanajana ny lalàna ary nitaky asa ho fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina ny ataon’ireo mpitrandraka fa tsy mba ho tombontsoa an’olom-bitsy irery ihany.
——-

🇫🇷EXPLOITATION MINIÈRE ILLÉGALE

LA MINISTRE DE LA JUSTICE SE REND SUR PLACE POUR CONSTATER LA SITUATION RÉELLE

21 août 2026 —

Faisant suite aux signalements concernant des activités d’exploitation minière illégale dans la région Vatovavy, district de Mananjary, la Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, Mme Fanirisoa ERNAIVO, s’est rendue sur place afin de constater directement la situation, accompagnée des agents de la Police chargés du contrôle des activités minières ainsi que du Directeur en charge des Ressources minières.

Les autorités présentes ont effectivement constaté des tentatives d’exploitation minière illégale ainsi que des travaux de remblai de cours d’eau, portant atteinte à l’environnement et compromettant les activités agricoles et les moyens de subsistance des populations locales.

Au cours de cette descente sur le terrain, les ressortissants chinois impliqués, présents sur les lieux, ont immédiatement été interpellés et les engins utilisés ont été saisis.

Madame la Ministre a également appelé les autorités locales à assumer pleinement leurs responsabilités et à faire preuve de fermeté dans l’application et le respect de la loi. Elle a également exigé que les activités d’exploitation minière contribuent au développement de la communauté locale et ne servent pas exclusivement les intérêts d’un groupe restreint.
———

🇬🇧 ILLEGAL MINING ACTIVITIES

MINISTER OF JUSTICE VISITS THE SITE TO ASSESS THE SITUATION ON THE GROUND

21 August 2026 —

Following reports concerning illegal mining activities in the Vatovavy Region, Mananjary District, the Minister of Justice and Keeper of the Seals, Mrs. Fanirisoa ERNAIVO, visited the site to assess the situation firsthand, accompanied by police officers responsible for monitoring mining activities and the Director in charge of Mineral Resources.

The authorities on site confirmed the existence of attempts to carry out illegal mining activities, as well as the dumping and filling of a watercourse, causing environmental damage and threatening agricultural activities and the livelihoods of local communities.

During the field visit, the Chinese nationals allegedly involved who were present at the site were immediately apprehended, and the equipment used in the operation was seized.

The Minister called on the local authorities to fully assume their responsibilities and to demonstrate firmness in enforcing and upholding the law. She also stressed that mining activities must contribute to the development of local communities and must not serve solely the interests of a small group.

Address

43 Rue Joël RAKOTOMALALA FARAVOHITRA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:00
Tuesday 08:30 - 16:00
Wednesday 08:30 - 16:00
Thursday 08:30 - 16:00
Friday 08:30 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministeran'ny Fitsarana Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share