13/08/2026
📚 FAMPAHAFANTARANA BOKY: "RANTIMBOLANA HAIFIKAJIANA"
Tontosa anio alakamisy 13 Aogisitra 2026 teto amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny fampahafantarana ilay boky nosoratan'ny mpanoratra INDRIANJAFY Georges Martial, mitondra ny lohateny : "RANTIMBOLANA HAIFIKAJIANA", novokarin'ny Edisionina Mpariaka boky.
Ny fotoana dia notronon-dRamatoa tale misahana ny Fampirobiroboana ny teny malagasy teto anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamifidy Bakolalaina, sy Ramatoa Filohan'ny Akademia malagasy, profesora Rabenoro Irène izay nanao ny teny fanolorana ny boky sy ireo akademisianina ary ireo vahiny nasaina.
Zava-dehibe ho an'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ny fampahafantarana boky toy izao satria haren-tsaina ary fanomezan-danja ny teny malagasy ny rantimbolana toy izao.
Ny boky "RANTIMBOLANA HAIFIKAJIANA" dia rakibolana fandikana, famaritana sy fanazavana amin'ny teny malagasy ny voambolana teknika amin'ny "informatique". Miisa 600 ny teny iditra, 400 ny sary fandravahana ary manana pejy miisa 380 ny boky.
Teny fampiasa andavanandro no maro ao amin'ity rantimbolana ity ka manamora ny fandraisan'ny olona ny hevi-teny sy ny fitadidiana azy.
Ny firafitry ny boky indray dia : teny frantsay no nataony teny iditra, ary arahan'ny teny anglisy izany. Avy eo omeny ny filazana avy amin'ny teny malagasy ary hazavainy ny heviny.
Ohatra: binaire (binary) TAROA [relatif à la numérisation base 2], ilazana ny zavatra misy ifandraisany amin'ny FANISAROA (numérisation binaire). Ohatra: "isa taroa"="nombre binaire".
INDRIANJAFY Georges Martial moa efa nanoratra rakiblona amin'ny teny frantsay mikasika ny haitaon'ny fanamboarana ( technologie de fabrication mécanique) mitondra ny lohateny "Toute la mécanique industrielle", Éditions Eyrolles sy AFNOR, nivoaka tamin'ny 2023 izay manana pejy miisa 1000.
Ary nanamarika ny fotoana ihany koa ny fanaovan'ny Edisionina Mpariaka boky ny "dépôt légal" an'ireo boky novokariny miisa 22 teto anivon'ny Tranombokim-pirenena satria anisan'ny andraikitry ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM ny mitahiry ireo vakoka an-tsoratra sy asasoratra vokarina eto Madagasikara.
Ny fampahafantarana boky toy izao dia ho entina ho fampiroboroboina ny rohin'ny boky eto Madagasikara ary ho fanentanana ny fananana Kolontsaina manjifa ny asasoratra novakarin'ireo mpisehatry ny boky eto Madagasikara.