Velirano - Plan Emergence Madagascar

Velirano - Plan Emergence Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Velirano - Plan Emergence Madagascar, Antananarivo, Antananarivo.

Faritra ANDROYFianakaviana marefo sy sahirana miisa 800 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo (vary, menaka, voamaina, sir...
20/06/2023

Faritra ANDROY

Fianakaviana marefo sy sahirana miisa 800 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo (vary, menaka, voamaina, siramamy, ronono mandry mamy,...) omaly tao amin'ny kaominina Ambanisarika sy tao amin'ny fokontany Ekonka.

👏Tafiditra amin'ny fijerena ny sosialim-bahoaka izao hetsika izao ho entina hanatsarana hatrany ny ambaindain'ny fiahiana ara-tsosialy eto anivon'ny faritra ANDROY.

đŸ€Tanteraka izao hetsika izao dia nohon'ny fiaraha-miasa matotra ao amin'ny mpiaramiombon'antoka sy ny fanjakana malagasy amin'ny alalan'ny fiadidian'ny faritra ANDROY sy ny Minisiteran'ny mponina. Isaorana manokana ary tolorana fankasitrahana ny ONG DIRECT'AID izay mpiaramiombon'antoka mahafatra-po ary teo akaiky ny vahoakan'Androy foana nanombok'izay ka hatramin'izao

✅Maro ireo TOHANA izay sitrahan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.Fototry ny fahavita-tena a...
17/06/2023

✅Maro ireo TOHANA izay sitrahan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.
Fototry ny fahavita-tena ara-tsakafo ary miteraka asa ireo sehatra ireo. Ny fahatsapana izany no nametrahana ny fandaharanasa :
➡ 𝐏𝐄𝐉𝐀𝐀 (Programme de Promotion de l’Entrepreneuriat pour les Jeunes dans l’Agriculture et l’Agro-industrie) : fampiofanana sy famoronana asa mendrika ho an’ny tanora ahafahan’izy ireo mahaleo-tena
➡ 𝐅𝐎𝐑𝐌𝐀𝐏𝐑𝐎𝐃 (Programme de Formation Professionnelle et d'AmĂ©lioration de la ProductivitĂ© Agricole) : fanamafisana ny traikefan’ny mpandraharaha ary fizarana fitaovana entina hampiroboroboana ny asa fiharian-karena. 640.000 no isan’ny mpisitraka ankehitriny
➡ 𝐏𝐑𝐎𝐒𝐏𝐄𝐑𝐄𝐑 : fampitomboana ny vola miditra amin’ireo mponina izay marefo eny amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fiofanana araka asa sy fampitaovana izy ireo
➡ 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 : fampindramam-bola amin’ny taha-jana-bola tsy mihoatra ny 9% ahafahan’ireo mpandraharaha misandratra.

TANINKETSA INDOSTRIALY AO BETAFOEfa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana ov...
15/06/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY AO BETAFO

Efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana ovy ho lasa “chips” ao Betafo ny famaliana ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet). Manana hatramin’ny 03 Jolay 2023 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany.
Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka [email protected] sy [email protected] ary aterina an-tanana ao amin’ny Biraon’ny Fitalevam-paritra (DRICC) Vakinankaratra Ex-hypodrome Vatofotsy Antsirabe

Velirano faha7 sy Velirano faha 9FANDRAHARAHANA MIFOTOTRA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENANisokatra ny Forum B2B etsy amin’n...
14/06/2023

Velirano faha7 sy Velirano faha 9

FANDRAHARAHANA MIFOTOTRA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA
Nisokatra ny Forum B2B etsy amin’ny Carlton Anosy
Anisan’ny andraikitra sahanin’ny MICC ny fanohanana sy fanaovana tantsoroka ny fanodinana ireo vokatra samihafa, araka ny lahatenin’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria nandritra ny fanokafana ny hetsika Forum B2B tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly Talata 13 Jona 2023. Amin’ny alalan’ny Tetikasa toy ny Taninketsa Indostrialy sy ny PTASO no anampiany ny tantsaha ahafahana manodina ny vokany.

Nahompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fandraharahana mifototra amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria mifandraika amin’izany ity andiany faharoa amin’ny Forum B2B ity. Ilaina mantsy ny fametrahana paikady sahaza sy mirindra ahafahana manatanteraka ny 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Distrika 16 hatreto no efa nahazo ny anjara ozinina fanodinam-bokatra anatin’ny Tetikasa fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Hapetraka eo amin’ny velaran-tany 120 ha koa ny Saha indostrialy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tetikasa vatsian’ny BAD vola

🔮VAROTRA ANATINY✅Hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ityNanomboka ny 02 Jona lasa...
12/06/2023

🔮VAROTRA ANATINY

✅Hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ity
Nanomboka ny 02 Jona lasa teo ny fisokafan'ny taom-pamokarana siramamy teo anivon'ny orinasa SUCOMA Ambilobe ka ny 05 Jona no nanomboka ny fivarotana izany amin'ireo mpamongady manerana ny Nosy.

✅Araka ny vinavina dia hahatratra 63.000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin'ity taona 2023 ity ankoatra ny siramamy Namakia izay anisan'ny mamaha ny antsasa-manilan’ny filan'ny mponina amin'ny ankapobeny ary jifain'ireo mpamongady amin'ny vidiny 172.000 Ar/kitapo.

✅Nidina ifotony nanara-maso izany ny Ministera misahana ny varotra izay nahitana ny Talen'ny varotra anatiny (DCI) sy ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (DRICC) any amin’ny faritra DIANA. Hisy araka izany ny fanaraha-maso akaiky ny fitsinjarana izany mba ialàna amin'ny mety ho fanararaotana. Ampanarahana tsara ihany koa ny lalan'ny fitsinjarana na ny "circuit de distribution" izany mba iarovana ny mpanjifa.

|11.06.2023| HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA đŸ‡Č🇬 . . . Notanterahana androany 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay ...
11/06/2023

|11.06.2023|

HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA

đŸ‡Č🇬 . . . Notanterahana androany 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

âžĄïž Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin'ny alalan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny izay nisolotena an'Andriamatoa Minisitra AndrĂ© Haja RESAMPA, notarihan'ny Talen'ny Kabinetra eto anivon'ny Minisitera ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana.

« MALAGASY MIRAY HINA, MADAGASIKARA MANDROSO »

© MJS, Jona 2023

Nizara taratasy fifanarahana arak’asa miisa 520 ho an’ireo mpampianatra eto Analamanga ho fandraisana azy ireo mpiasam-p...
10/06/2023

Nizara taratasy fifanarahana arak’asa miisa 520 ho an’ireo mpampianatra eto Analamanga ho fandraisana azy ireo mpiasam-panjakana.

Nizara smartphones ho an’ny talen-tsekoly ary solosaina.


Andry Rajoelina
Andry Rajoelina

Hafaliana lehibe ho ahy ny nihaona indray tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amin'ny Lapam-panjakan'ny ÉlysĂ©e...
10/06/2023

Hafaliana lehibe ho ahy ny nihaona indray tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amin'ny Lapam-panjakan'ny ÉlysĂ©e.

Fihaonana izay natao hanamafisana bebe kokoa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny Madagasikara sy La Frantsa, fa indrindra niresahana tam-pirahalahiana ireo tanjona iraisana sy ireo fanamby goavana amin'ny lafiny maro, toy ny fanamafisana ny fari-dranomasin'i Madagasikara, ny fanavaozana ny paikady ankapobeny mikasika ny sidina an'habakabaka, ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon'ny Nosy.

Deraiko manokana ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana Frantsay hanohana sy hiombon'ezaka amin'ny fanatanterahana ny "Plan Émergence Madagascar" sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra afaka volana vitsy.

Ity ihany koa ny fotoana nahafahako naneho fiombonam-pihetseham-po amin'ny vahoaka Frantsay iray manotolo, indrindra ireo izy niharan-doza sy ny fianakavian'izy ireo, taorian'ny asa fampihorohoroana nitranga tao Annecy .

ANTSO HO ANTSIKA TANORA MANIRY HANDRAHARAHA EO AMIN'NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA, ATO AMIN'NY FARITRA SOFIA
10/06/2023

ANTSO HO ANTSIKA TANORA MANIRY HANDRAHARAHA EO AMIN'NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA, ATO AMIN'NY FARITRA SOFIA

FARITRA VAKINANKARATRA Distrika faharoa nahazo Taninketsa Indostrialy i Faratsiho raha ny vaninandron'ny omaly Alakamisy...
09/06/2023

FARITRA VAKINANKARATRA

Distrika faharoa nahazo Taninketsa Indostrialy i Faratsiho raha ny vaninandron'ny omaly Alakamisy 8 Jona 2023

“Tsy aritro mihitsy, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ny tsy handeha ho aty Faratsiho ka tsy maintsy tonga aho”. Ny vahoaka tany an-toerana ihany koa efa niandry ny fahatongavany hanolotra ny milina hampiroboroboana ny indostria isaky ny Distrika izany. Rehefa tsy tanteraka ny fifanatrehan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka teny Tsimbazaza dia nihazakazaka namonjy an'i Faratsiho ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny Indostria.
Omen-danja sy manana ny anjara asany tanteraka ny kaoperativa sy ny tantsaha ao anatin’ity tetik’asa ODOF ity. Vao maika manome lanja azy ireo ary mitondra fanatsarana eo amin’ny asan’izy ireo ny fanavaozana ny Lalàna misahana ny orinasa kaoperativa. Nankatoavina teo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa izany tamin’ny Talata 06 Jona lasa teo. Mamela ny kaoperativa hanondrana entana malalaka fa tsy miandry mpanelanelana intsony io Lalàna io rehefa lany tanteraka eo anivon'ny Parlemanta.
Indostria manakaiky vahoaka no hapetraka amin’ny alalan’ny tetikasa ODOF ary tena indostria mipaka any amin’ny mponina ifotony. Ny Distrikan’I Faratsiho dia fantatra fa mamokatra ovy manodidina ny 99 000 taonina. Ity milina natolotra ho an’ny Distrikan’I Faratsiho ity dia manodina ovy hatramin’ny 100 kilao isan’ora ho lasa “chips”.

Ho mariky ny fampandrosoana maharitra sy iombonana hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria dia samy mahazo ny tombontsoany avokoa na ny tantsaha mpamboly, na ny mpandraharaha hanodina ny vokatra na ny Fanjakana

08.06.2023FITSIDIHANA NY ASA FANARENANA NY LALAM-PIRENENA FAHAENINA « RN6 »Nanatanteraka fitsidihana faharoa ny lalam-pi...
08/06/2023

08.06.2023
FITSIDIHANA NY ASA FANARENANA NY LALAM-PIRENENA FAHAENINA « RN6 »
Nanatanteraka fitsidihana faharoa ny lalam-pirenena fahaenina « RN6 » ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah, sy ny mpiara-dia aminy, ny fiandohan’ity herinandro ity. Fotoana nahafahana nijery ifotony ny fizotry ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza nisesisesy tamin’ny RN6, indrindra eo anelanelan’Ambondromamy sy Ambanja. Teboka mainty miisa 45 no amboarina amin’izany, ankoatran’ny fanamboarana « dalots » miisa 20, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, amin’ny alalan’ny tetikasa CERC/ PACT.
Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana, na misy aza ireo fanamarihana vitsivitsy nolazain’ny Minisitra, na amin’ny lafiny ara-teknika na amin’ny resaka fanajana ny kalitao. 12 volana ny fetrandro hanatanterahana ny asa, hiandraiketan’ny orinasa « ISO Cosntruction ». Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana novambra 2023 ny asa.

---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x

VISITE DE CHANTIER SUR LA RN6
Une dĂ©lĂ©gation conduite par le ministre des Travaux Publics, Colonel Ndriamihaja Livah ANDRIANATREHINA, a effectuĂ© une deuxiĂšme visite de chantier sur la RN6, en dĂ©but de cette semaine. Une occasion de constater de visu l’avancement des travaux de rĂ©habilitation aprĂšs le passage des cyclones dans cette partie. Le traitement de 45 points noirs et la construction de 20 dalots entre l’axe Ambondromamy et Ambanja constituent les principaux travaux entrepris, sur un financement de la Banque mondiale Ă  travers le projet CERC/PACT.
Les travaux avancent comme il se doit, malgrĂ© quelques remarques techniques Ă©mises par le Ministre de tutelle afin d’assurer la qualitĂ© des infrastructures. La rĂ©habilitation devrait se faire en 12 mois, assurĂ©e par l’entreprise « ISO Construction ». Les travaux y affĂ©rents devraient s’achever Ă  la fin novembre de cette annĂ©e, selon les prĂ©visions.

[𝗙𝗜𝗟𝗔𝗡-đ—žđ—˜đ—©đ—œđ—§đ—„đ—Ź 𝗡𝗬 đ— đ—œđ—Ąđ—œđ—Šđ—œđ—§đ—„đ—”]Alarobia 7 jona 2023Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filan-kevitry ny M...
08/06/2023

[𝗙𝗜𝗟𝗔𝗡-đ—žđ—˜đ—©đ—œđ—§đ—„đ—Ź 𝗡𝗬 đ— đ—œđ—Ąđ—œđ—Šđ—œđ—§đ—„đ—”]
Alarobia 7 jona 2023

Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina ny 7 jona 2023:

● ny hanatanterahana ireo fangatahana nataon'ny vahoakan’ny distrikan'i Maroantsetra sy Mananara izay nataon'izy ireo nandritra ny dian'ny Filoham-pirenena tany an-toerana ny 3 sy 4 jona lasa teo
● ny tsy hirosoana amin’ny fanaovana ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana ho an’ny taona 2023.
● Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny volavolan-drijatenin-dalàna hirosoana amin'ny fananganana ny Faritra faha 24 antsoina oe "Ambotosoa" ahitana ny distrikan'i Maroantsetra sy Mananara Avaratra

Afaka tsidihina amin'ity rohy manaraka ity, ny andinindinin'izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 7 jona 2023 izany:
🔗 https://www.presidence.gov.mg/actualites/conseil-des-ministres.html

Address

Antananarivo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Velirano - Plan Emergence Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Velirano - Plan Emergence Madagascar:

Share