06/01/2012
"Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, Ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao". (Isaia 60:1)
Izay mamafy soa ho an'ny Tanindrazany dia hijinja vokatra tsara ho an'ny Taranaka aoriana.
Ry Havana,
Fifaliana lehibe ho an'ny Mpikambana rehetra ato amin'ny Antoko Malagasy MAndroso ao anatin'ny FIhavanana sy ny SOAtoavina (MAMAFISOA), ny Mpikambana ao amin'ny Birao Nasionaly ary amin'ny anarako manokana, RAJEMISON RAKOTOMAHARO, Filohan'ny Antoko izay tarihiko, ny miarahaba sy mirary soa antsika Vahoaka Malagasy Havana tsy ankanavaka noho ny fahatratrarana ny Taona vaovao 2012.
Tsy fotoana fifamendrofendroana intsony izao, fa fifampaherezana sy hitrakana iatrehana ny ho avy hirosoana amin'ny tsaratsara kokoa, ao anatin’ny fanantenana ny valim-bavaka natao tamin’ny Nahary mba hivahan'izao krizy izao. Ary izany dia mitaky ezaka lehibe avy amin'ny tsirairay manomboka eo amin’ny Mpitondra, ka mba tsy ho kabary ambony vavahady ny hoe : "Ho an’ny tombotsoa ambonin’ny Firenena".
"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha".
Eto am-pamaranana dia mirary soa ho an’ny Malagasy rehetra ny tenako sy ny Mpikambana rehetra ato amin'ny Antoko MAMAFISOA izay tarihiko mba samy ho ambinin-java-manasatra ka tsy hisara-mianakavy ary hahatontosa ireo adidy sy andraikitra ao anatin'ny fahatoniana, fandriampahalemana ho fanarenana sy fampandrosoana an'i Madagasikara mba ho reharehan'ny Malagasy rehetra.
Ho ela velona anie isika rehetra ho tratry ny taona maro mifandimby.
Homba antsika Andriamanitra.
NY ANTOKO MAMAFISOA
Ny Filoha Nasionaly
RAJEMISON RAKOTOMAHARO