Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana

Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Page officielle du Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar

𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎🔹Mitohy ny hetsika fanatsarana ny tontolon’ny fahadiovana ao anatin’ny Fifaninanana 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍...
01/06/2026

𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

🔹Mitohy ny hetsika fanatsarana ny tontolon’ny fahadiovana ao anatin’ny Fifaninanana 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎.

🔹Notanterahina ny 30 mey 2026 teny 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐯𝐚𝐦𝐚𝐦𝐛𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐢𝐥𝐚𝐧𝐢𝐛𝐞 ny hetsika izay notarihin’Andriamatoa 𝙍𝘼𝙁𝙄𝘿𝙄𝙈𝘼𝙉𝘼𝙉𝙏𝙎𝙊𝘼 𝙏𝙤𝙟𝙤𝙖𝙣𝙙𝙧𝙮, Tale Jeneralin’ny Fidiovana sy Fanadiovana eo anivon’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana. Niara-nanotrona sy nandray anjara tamin’izany ihany koa ny Mpanampy Voalohany ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Boriborintany faha-4, ary Lehiben’ny Sampandraharaha Teknika ao amin’io boriborintany io.

🔹Nandritra ity hetsika ity dia nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny fahadiovana eny anivon’ny fokontany. Tafiditra ao anatin’ny paikady entina mampiroborobo ny fahadiovana sy ny fahasalamam-bahoaka ny Fifaninanana Fokontany Madio, izay manentana ny olom-pirenena handray andraikitra mivantana amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny manodidina azy.

🔹Ny Fifaninanana Fokontany Madio dia sehatra iray entina mampivondrona ny hery rehetra ho amin’ny tanjona iraisana, dia ny fananganana tontolo madio, salama ary mendrika ho an’ny mponina rehetra.

🇲🇬 𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟔𝟔 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚🔹 Notanterahina teny amin’ny Parvis Analakely, ny 1 jo...
01/06/2026

🇲🇬 𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟔𝟔 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚

🔹 Notanterahina teny amin’ny Parvis Analakely, ny 1 jona 2026, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny fiverenan’ny Fahafahana eto Madagasikara.

🔹Ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, no nitarika ny lanonana, notronin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo olom-panjakana sy tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny. Tanjona ny ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana entina hanamarihana izao tsingerintaona 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟔𝟔 izao.

🔹Tonga nanatevin-daharana ny hetsika ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana (MEAH), notarihin-dRamatoa Ministra 𝐃𝐫 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 𝐀𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐥𝐢𝐚, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera.

🔹Nomarihina manokana tamin’ny fananganan-tsaina ofisialy niarahana nanerana ny Nosy tamin’ny 10 ora maraina ny fanokafana, ho mariky ny firaisankinam-pirenena, ny hambopom-pirenena ary ny firaiketam-po amin’ny tanindrazana.

01/06/2026
01/06/2026

💦 Rano fisotro madio : Mitohy ny ezaka fanatsarana ny famatsiana rano manerana ny Nosy

🔹Nandritra ny tafatafa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, dia nasongadina ireo ezaka sy vahaolana entina hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka Malagasy.

📍 Antananarivo
Efa miasa ny Unité Compacte de Traitement (UCT) izay mamokatra rano 22 000 m³ isan’andro. Efa manomboka misitraka rano ireo faritra maro eto an-drenivohitra, anisan’izany ireo toerana efa an-taonany maro no tsy nahazo rano. Misy anefa ireo fantsona simba noho ny fiverenan’ny tosiky ny rano ka efa an-dalam-panoloana izany.

📍 Mahajanga
Mbola misy ny tsy fahampian-drano manodidina ny 7 000 m³ isan’andro.

📍 Ambalavao
Mbola miaina fahasahiranana amin’ny famatsian-drano ihany koa ny mponina.

📍 Antsiranana
Efa misy “forages” efatra miasa hanampy amin’ny famatsiana rano, na dia mbola ilaina aza ny fanamafisana ny fotodrafitrasa maharitra.

📍 Toamasina
Efa vita ny fanarenana ireo fotodrafitrasa famokarana sy fitsinjarana rano ka tafaverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano.

🔹 Mitohy ihany koa ny tetikasa izay natao hanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio. Fantsona mitentina 4 miliara Ariary no novidiana hanoloana ireo simba, ary efa nalefa any Nosy Be sy Antsiranana ny ampahany amin’izany.

🔹 Vinavinaina hihatsara tsikelikely ato anatin’ny efa-bolana ny famatsian-drano amin’ny ankapobeny, na dia mbola misy aza ireo fanamby amin’izao fotoana izao.

31/05/2026
𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧-𝐝𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼...
31/05/2026

𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧-𝐝𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚.

𝙃𝙤 𝙛𝙚𝙣𝙤 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙡𝙞𝙖𝙣𝙖, 𝙛𝙞𝙖𝙙𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙝𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙤.

31/05/2026
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀: 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐃𝐈𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀𝐓𝐬𝐢𝐫𝐨𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐲, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐨𝐧𝐠𝐨𝐥𝐚𝐯𝐚 𝟐𝟖 𝐬...
30/05/2026

𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀: 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐃𝐈𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀

𝐓𝐬𝐢𝐫𝐨𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐲, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐨𝐧𝐠𝐨𝐥𝐚𝐯𝐚 𝟐𝟖 𝐬𝐲 𝟐𝟗 𝐌𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔

🔹Notanterahina tao Tsiroanomandidy ny fankalazana nasionaly ny 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐌𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚, notarihin’Andriamatoa 𝙍𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼𝙍𝙄𝙑𝙊 𝙉𝙖𝙧𝙮 𝙎𝙤𝙡𝙤𝙛𝙤𝙣𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombonantoka maro.

🔹Nisongadina nandritra izany ny lohahevitra :
« 𝙉𝙙𝙖𝙤 𝙝𝙞𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙤𝙣𝙩𝙤𝙡𝙤 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙢𝙚 𝙡𝙖𝙣𝙟𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙙𝙞𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖 », hafatra manamafy fa zo fototry ny vehivavy sy ny tovovavy ny miaina ny fadimbolana amim-pahamendrehana, tsy misy henatra na fanilikilihana.

🔹Hetsika maro no notanterahina nandritra ny fankalazana, toy ny :
▶️ fanofanana fanjairana salaka lamba sy fanamboarana savony,
▶️ fanomezana fitaovam-pidiovana ho an’ireo vehivavy voafonja sy fikambanam-behivavy,
▶️ ary fanentanana momba ny fahadiovana sy ny fitantanana ny fadimbolana.

🔹Nofaranana tamin’ny fanolorana 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐬𝐲 𝐂𝐄𝐆 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐢𝐠𝐚𝐫𝐚, niarahana tamin’ny 𝐖𝐚𝐭𝐞𝐫𝐀𝐢𝐝 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫, ny fankalazana. Ny tanjona dia ny hanomezana tontolo madio, azo antoka ary manaja ny fahamendrehan’ireo mpianatra, indrindra ny tovovavy.


Address

Batiment Ex-DAIEC Ambohijatovo Ambony
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana:

Share