22/08/2023
Fanohanana feno ho an'ireo rahalahy sy anabavy Nizeriana 🇳🇪 Maliana 🇲🇱 Burkinabe 🇧🇫 Gineana 🇬🇳 Afrikana Afovoany 🇨🇫 Rosiana 🇷🇺 ary Alzeriana 🇩🇿. Miaraka hatramin'ny farany isika🫡🫡🫡.
Ry rahalahy sy anabavy Manankasy, ela loatra izay no nilazana fa samy hafa ary tokony hifankahala isika Africana rehetra, kanefa tsy sahala fotsiny. Nozarazarana amin’ny fihodirana, amin’ny firazanana, amin’ny finoana sy fomba maro samihafa isika, kanefa ny kolotsaina sy ny fahendrena samy miaro avokoa ny hasina mahaolona. Ny mponina afovoan-tany sy ny mponin’ny amorontsiraka, ny Hutu sy ny Tutsi, ny Comorian sy ny Mahorana (Mayottes), sns. Tsy very io hasina itovizana sy iombonana io fa natao ho adinontsika. Fanahinina ho mosarena isika hany ka miady an-trano sy samy maka ho azy mba tsy hifantoka @ fototry ny olana rehetra. Ianareo ray sy reny sasany aza nikoroso fahana amina vahaolana tsy mendrika, feno habibina indraindray, mba hisakafoanay zanaka. ��Ianao, izaho, isika rehetra nefa samy mahalala fa ny tanintsika tsy mahantra velively. “Ny tany tsy mahantra fa ny toetsain’ny olona no mahantra” hoy ny sasany nefa ahoana ny hianarana raha noana ny kibo? Ahoana ny hiasana raha tsy tomady ny vatana? Ahoana ny hiarina raha tsy misy ny fitaovana sy ny angovo? Jereo ity sary eto ambany ity mampiseho ny rirakitso* nataon’i Maslow. Ny fianarana sy ny koltora no mivoatra farany. Ary tsy ho azo ireo raha tsy an-tanana aloha ireo ambaratonga efatra ao ambaniny. Ny PPN* ary ity nefa tsy takatry ny vola akory ka zara raha mivelona. Tsy misy rafitra na kely aza manohana an’ireo izay mba manana hevitra tsara. Voamaika ary ireo enjehana. 27 ny ony sy renirano eto amin’ny firenena ary 11 amin’ireo azo amokarana herinaratra maharitra. 4 fotsiny dia ampy lavitra antsika. Nankaiza daholo ireo mpikaroka nandroso tetik’ady hananganana an’ireo hatramin’izay? Ary ny mpivarotra petrol ve hanaiky antsika hanao an’izany?��
Aza lazaina amiko fa tsy fahaiza-mitantana no mahatonga an’izao. TSIA, fantatr’ireo tsara ny zavatra ataony ary efa io foana no niadivan’ireo maritiora tia tanindrazana sy ny Ntaolo hatramin’izay. Tsy ho avelan’ireo hametraka vahaolana maharitra isika. Aleony ho firenena mpangataka lava, kanosa tsy manana hazon-damosina, tsy mendrika fanajana satria izany no antsona hoe RESY. Fantatrareo ve fa nisy fifanarahana fanjanahana ara ekonomika sy militera nasaina nosoniavin’i Philibert TSIRANANA taorian’ny fahaleovatena? 50 taona no faharetan’io contrat (fifanarahana) io ary tokony tapitra t@ 2010. Haintsika ny zava-nisy. Noavaozina io ary indro isika fa mitrosa lava @ ny orinasan’ireo vahiny nanitsaka antsika fehizay. Ny harena ankibon’ny tany moa alain’ny tandrefana baojo ary ireo mpitondra nifandimby samy nahazo ny anjarany kely dia mangina. Aleony olom-bitsy no kolokoloina toy izay hazon’ny olomaro ny harena.
Mitovy zava-manjo, mitovy mpanao ratsy isika sy ireto firenena namantsika ireto 🇲🇱🇨🇫🇧🇫🇳🇪🇩🇿🇰🇪. Amin’izao fotoana izao, ireo militera sy zandarin’izy ireo dia mijoro ary manoratra ao anaty ny Lalàmpanorenany ny fiandrianam-pireneny amin’ny harenany, ny soatoaviny sy ny Panafrikanisima* (fivoaran’i Afrika). Noroasiny avokoa ireo orinasa mpangalatra sy mpitsetsitra ny harena ankibon’ny tany. Andao hijoro miaraka aminy fa aza avela hiady irery izy. Na teny kely fotsiny aza dia efa manova zavatra maro ho azy.
Noho izany!!! Ry rahalahy sy anabavy Manankasy, raha mahatsapa ny tsapako ianao, raha mahita ny hitako, raha mitovy tsoakevitra amiko ianao manoloana an'izao tantara misoratra izao, dia zavatra telo no tiako ho ataonao:
1 - Isaky ny mahita vidéo* na post miresaka an’ireto firenena namantsika ireto dia tohano izy. Sorato ao @ “commentaire” an’ilay vidéo na post, io hafatra eo ambany io (na teny anglisy na teny frantay). Afaka ataonao amin’izay fomba itiavanao azy ihany koa ilay hafatra fa aza adino ny miteny fa Manankasy (na Gasy na Malagasy) ianao 👊👊👊.
2 - Rehefa mahita hafatra manasaraka na mampiady antsika, indrindra samy Manankasy, FA TSY NY HEVITRA NO AMPIADINA dia teneno tsotra hoe tsy fahavaloko ianao ka tsy hiady aho. Ary raha ny hevitra no miady, aza mieboebo rehefa manana ny marina, fa ampitao ampihetre-tena ny hafatrao ary isaory izy nihaino. Izany no fitondra-tena mendri-panajana. Ampitao ho ren-tany ho ren-danitra fa tsy mpifahavalo ny Manankasy ary hiara-hijoro sy hiray hina hiaro ny tombontsoany indrindra eto amin’ny taniny, eto Manankasitsara 🇲🇬🇲🇬🇲🇬.
3 - Farany ary lehibe indrindra. Ampihirato ny mason’ireo izay tsy mbola mahalala ny marina eto amin’ny firenena, ny marina eto Afrika. Ho ataotsika fantatry ny Manankasy rehetra fa ny FIANDRIANAM-PIRENENA, ny FIRAISAN-KINA, ary ny MARINA no HANY LAHARAMPAHAMEHANA ankehitriny (Avereno vakina in-telo). Aza avela ho adihevitra tsy misy fotony sy/na mampiady no mameno ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tseratsera. Na mampiomehy aza ny zavatra hitanao, mihomeza fa aza asina sira na kely aza rehefa tsy laharampahamehana. IANAO IO IZAY MAHAY TANTARA, ampatsiahivo ny tolon’ireo izay nadinoina. IANAO MAHAY EKONOMIA, azavao an-tsary amin’ny fomba tsotra ny olana fototra ampiasan’ireo mambotry firenena. IANAO MAHAY TEKINIKA, azavao ny asanao ary asehoy zava-bitanao hampirisika ireto zandritsika. Ohatra : famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny dynamo sy rano mandeha, ny fatana mampiasa masoandro, sns. IANAREO OLON-KENDRY, mba zarazarao ireo ohabolana sy ohapitenenana mamelona ny soatoavina. Ampianaro mikabary ny tanora. IANAO IZAY TSY TE HIADY, mangina dia jereo fotsiny ny havantsika miasa, rehefa tsy hanohana dia mba aza mandatsa. Matoky ny tsirairay aho tsy hiamboho adidy manoloana ny Ntaolo sy taranaka faramandimby.
Hiseho mivantana aminareo aho ny 05 Novamra 2023. Tsy hilatsaka ho fidina na hitory teny fa hampiseho vahaolana maharitra sy azo tsapain-tanana, handraisan’ny fokon’olona an-tanana ny hoaviny na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Enganie mba ho tafita any amin’ireo rahalahy miaramila sy zandary ary polisy ny hafatra alohan’io daty io. Miaraka hatramin'ny farany isika🫡🫡🫡.
Eny hoy aho ry Manankasy,
Andeso ireo kinga, raofy ny apinga!
Andao hanasintaka an’ireo mpamitaka!!
Ny lasa no anatra ho ataotsika santatra!!!
Ary atsy ho atsy, handresy ny Manankasy 🫡🫡🫡!!!!
Eny hoy aho ry Malagasy,
Tsara haingo tsara vatsy
… [Tohizo any am-po raha hainao]
Handresy i Afrika 👊👊👊. Hiroborobo sy hivoatra ny zanany sy ny kolontsainy 🇲🇬🇲🇱🇨🇫🇧🇫🇳🇪🇩🇿🇰🇪
Ilay hafatra fanohanana @ teny Anglisy :
Full support for our Nigerian brothers 🇳🇪 Malians 🇲🇱 Burkina Faso 🇧🇫 Guineans 🇬🇳 Central Africans 🇨🇫 Russians 🇷🇺 and Algerians 🇩🇿. From a Manankasy brother 🇲🇬🇲🇬🇲🇬. We're together until the end🫡🫡🫡.
Ilay hafatra fanohanana @ teny Frantsay :
Soutien total à nos frères Nigériens 🇳🇪 Maliens 🇲🇱 Burkinabés 🇧🇫 Guinéens 🇬🇳 Centrafricains 🇨🇫 Russes 🇷🇺 et Algériens 🇩🇿. De la part d’un frère Malagasy 🇲🇬🇲🇬🇲🇬. On est ensemble jusqu’à la fin🫡🫡🫡.
Voambolana:�*PPN: Tsy mila adika akory 🥲.
*Rirakitso: Pyramide
*Panafrikanisima : Hetsika manerana an’i Afrika mametraka ny fiandrian-pirenena, ny harena iombonana, ny kolotora sy ny mahaolona ho laharam-pahamehana.
*Vidéo: oronantsary