Malagasy Miara-Miainga - MMM

Malagasy Miara-Miainga - MMM "Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina"

20/08/2026

Fanehoan-kevitry ny Birao Politikan’ny Antoko MMM mahakasika ireo raharaham-pitsarana goavana nahavoasaringotra ny mpitondra teo aloha, izay mbola tsy nahenoana tatitra hatreto.

Ary manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampanjaka ny mangarahara ary hanenjika araka ny lalàna ireo izay rehetra voarohirohy na iza na iza, mba tsy hisian'ny tsy maty manota!

Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Na inona na inona Zavatra nandalo sy niseho teo amin'ny fiaraha-monina indrindra teto amin'ny firenena dia teo foana ny ...
13/08/2026

Na inona na inona Zavatra nandalo sy niseho teo amin'ny fiaraha-monina indrindra teto amin'ny firenena dia teo foana ny Antoko MMM,nifanome tanana tamin'ny mpiara-belona

Efa ho 12 taona izao no nanaovan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM) ity hetsika fifanampiana ity. Ary toy ny isan-taona, hanomboka rahampitso eny Ambohitrimanjaka ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ho fanalana sahirana ireo ray aman-dreny amin'izao izao ankatoky ny fidiran'ny mpianatra izao

Mila maharitra raha te hahomby. Isika tsy niova, fa niasa, miasa ary mbola hiasa hatrany ho an’ny fanasoavana ny Taninjanaka, indrindra amin’ny fampivoarana ny fanabeazana,izay anisan’ny foto-kevitra ijoroantsika.

Rohy: https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

01 Aogositra 2026Tontosa teto Mananjary renivohitry ny faritra Vatovavy ny fikaonandohan'ny Antoko MMM,nahatonga solonte...
01/08/2026

01 Aogositra 2026

Tontosa teto Mananjary renivohitry ny faritra Vatovavy ny fikaonandohan'ny Antoko MMM,nahatonga solontena avokoa ny distrika telo: Mananjary,Nosy Varika,ary Ifanadiana.

Fehin-kevitra maro no voaresaka avy amin'ireo mpizaika, izay hoentin'ny Antoko any amin'ny fikaonandoham-pirenena,ka isan'izany ny tsy maintsy hanatsarana ny tontolon'ny fifidianana,ny fitsinjaram-pahefana,ary indrindra ny resaka sosialy.

Nitondra hafatra manokana ny Filohan'ny Antoko MMM Atoa Hajo Andrianainarivelo fa tsy azo zarazaraina ny Malagasy,ary tsy fanaovana kajikajy politika ny fikaonandoham-pirenena fa fitadiavam-bahaolana ho amin'ny tombotsoa iombonana.




Vory lanona ny teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fikaonandohan’ny Antoko MMM androany. Voasolontena avo...
25/07/2026

Vory lanona ny teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fikaonandohan’ny Antoko MMM androany. Voasolontena avokoa ireo distrika fito: Fianarantsoa, Ambalavao, Ambohimahasoa, Ikalamavony, Isandra, Lalangina ary Vohibato.

Ankoatra ny fanavaozana ny birao hitantana ny Antoko eny ifotony, maro ireo fehin-kevitra sy soso-kevitra avy amin'ny mpizaika, izay hoentina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena,ary indrindra hanatsarana ny vinan'ny Antoko ho amin'ny ho avy.




Antoko velona sy matanjaka ny MMM eto amin'ny Faritra Boeny.Voaporofo izany nandritra ny fakan-kevitra ho fanomanana ny ...
16/07/2026

Antoko velona sy matanjaka ny MMM eto amin'ny Faritra Boeny.

Voaporofo izany nandritra ny fakan-kevitra ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena, izay nahitana solontena avy amin'ireo distrika enina: Mahajanga I, Mahajanga II, Ambato-Boeny, Marovoay, Mitsinjo ary Soalala.

Toa an'ireo faritra hafa izay efa nahavita ny zaikaben'ny Antoko,dia niray feo ny mpikatroka MMM teto Boeny fa ilaina ny Faritra Mahazaka Tena, mba hahafahana mamaha haingana ireo olana eny ifotony.




FANAMBARANA avy amin'ny Antoko MMM.Manoloana ireo trangana fangalaran-jaza sy famonoana olona izay niseho tato ho ato, d...
09/07/2026

FANAMBARANA avy amin'ny Antoko MMM.

Manoloana ireo trangana fangalaran-jaza sy famonoana olona izay niseho tato ho ato, dia
maneho ny alahelony sy miara-ory amin'ireo fianakaviana namoy havana aman-tsakaiza ny Antoko MMM. Mirary mba ho hita soa aman-tsara ihany koa ireo rehetra mbola nanaovana ombay mitady.

Manameloka ireny karazana habibiana ireny ny Antoko MMM, ary mitaky fanadihadiana lalina, hentitra sy haingana ary sazy henjana ho an'ireo tompon'antoka rehetra, na iza na iza.

Efa mandray fepetra ny Fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary manantena izahay fa hitohy sy hahomby izany ezaka izany. Koa miantso antsika olom-pirenena hiara-hiasa amin'ny manam-pahefana, hiray hina fa ady iombonana izy ity, ary tsy hanaparitaka vaovao tsy voamarina izay mety hampitombo ny tahotra sy ny savorovoro eo amin'ny fiaraha-monina.

Antananarivo, faha 09 Jolay 2026

--------------------------------------------------------------------------------------------------------
COMMUNIQUÉ du Parti MMM.

Face aux récents enlèvements d’enfants et aux actes de meurtre qui ont profondément bouleversé le pays, le parti MMM exprime sa profonde tristesse et adresse ses sincères condoléances aux familles et aux proches des victimes. Il formule également le vœu que toutes les personnes encore portées disparues soient retrouvées saines et sauves.

Le parti MMM condamne avec la plus grande fermeté ces actes d'une extrême gravité. Il demande que toute la lumière soit faite sur ces crimes à travers une enquête approfondie, impartiale et diligente, et que les auteurs ainsi que leurs éventuels complices soient identifiés et sanctionnés avec toute la rigueur de la loi, sans aucune distinction.

Le parti prend acte des mesures déjà engagées par les autorités et les forces de sécurité, et souhaite que ces efforts se poursuivent avec efficacité afin de rétablir la sécurité et la confiance de la population.

Dans ce contexte, le MMM appelle chaque citoyen à faire preuve de responsabilité en coopérant avec les autorités compétentes. La lutte contre cette criminalité est l'affaire de tous. Il invite également chacun à éviter la diffusion d'informations non vérifiées, susceptibles d'alimenter la peur, la confusion et les tensions au sein de la société.

Antananarivo, le 09 Juillet 2026

Mirary soa ho anareo zanaka Malagasy rehetra izay hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka rahampitso!
05/07/2026

Mirary soa ho anareo zanaka Malagasy rehetra izay hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka rahampitso!

Ny Antoko MMM dia miarahaba ny vahoaka Amerikanina amin'izao andro hanamarihan'izy ireo ny fetim-pireneny izao.Mifamatot...
04/07/2026

Ny Antoko MMM dia miarahaba ny vahoaka Amerikanina amin'izao andro hanamarihan'izy ireo ny fetim-pireneny izao.

Mifamatotra amin'ny fifanajana sy ny fiaraha-miasa efa naharitra ela i Madagasikara sy i Etazonia. Enga anie hitohy hatrany izany ho tombontsoan'ny firenena roa tonta.

Happy Independence Day! 🇺🇸

Firariantsoa ho an'ny Asaramanitra ho antsika Malagasy rehetra.
26/06/2026

Firariantsoa ho an'ny Asaramanitra ho antsika Malagasy rehetra.

Mirary fetin'ny Asaramanitra feno fifaliana ho an'ny Malagasy rehetra.
26/06/2026

Mirary fetin'ny Asaramanitra feno fifaliana ho an'ny Malagasy rehetra.

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy Miara-Miainga - MMM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Malagasy Miara-Miainga - MMM:

Shortcuts

Share