21/08/2026
🇩🇪🤝🇲🇬 #𝐜𝐨𝐨𝐩𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐠𝐞𝐫𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲
L'Allemagne🇩🇪 contribue dans la protection de la biodiversité🌿🌳 tout en appuyant les activités écologiques et durables dans dans les villages voisins.
✅Les résultats? Trouvez-les dans le post ci-dessous👇👇
🇲🇬Katsaka 15 kapoaka lasa mamokatra avo 4 heny!
🇨🇵15 kapoaka de maïs… et jusqu’à 4 fois plus de récolte !
-----
🇲🇬Katsaka 15 kapoaka lasa mamokatra avo 4 heny! 🌽🌽🌽
🌽🌽🌽Ao Besokatra, manodidina ny Faritra Arovana Montagne d’Ambre, any amin’ny faritra DIANA, dia manomboka hita ny vokatra tsara entin’ny fomba fambolena maharitra.
Tamin’ny 15 kapoaka monja amin’ny masomboly katsaka voafantina, dia nahazo vokatra betsaka lavitra noho ny mahazatra ireo tantsaha nampiharana ireo teknika vaovao, tao anatin’ny taom-pambolena iray.
🌿⏳🌿 Teknika tsotra mifanaraka amin’ny toetany sy ny toetrandro 🌽🥜🌽🥜
Amin’ny alalan’ny Saha Sekoly Tantsaha, dia mianatra sy manandrana fomba fambolena izay efa hita fa nahomby ireo tantsaha. Ireo teknika ampianarina dia mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro ary ny zava-misy eny an-toerana.
Ny tanjona dia ny hampitombo ny vokatra amin’ny tany efa volena, hanatsara ny fidiram-bolan’ny ankohonana ary hampihena ny fanitarana ny fambolena mankany amin’ny faritra arovana.
Efa mahafaly sy maha be fanantenana ny vokatra azo. Raha salohim-katsaka iray no fahita matetika amin’ny tahon-katsaka iray teo aloha, dia mety hahazo hatramin’ny salohim-katsaka efatra amin’ny taho iray amin’ny fampiharana ireo teknika.
Nampiarahana tamin’ny voanjo ihany koa ny katsaka. Noho izany, tao anatin’ny enim-bolana dia afaka nahazo vokatra roa tamin’ny tany iray ihany ny tantsaha: katsaka sy voanjo. Ankoatra izany, dia nahavita nitahiry ampahany tamin’ny vokatra ho masomboly hampiasaina amin’ny taom-pambolena manaraka izy ireo.
⛰️🌳 💦Mamokatra bebe kokoa, afaka miaro kokoa ⛰️🌳 💦
Zava-dehibe ho an’ny famatsian-drano an’Antsiranana ny Montagne d’Ambre. Raha mitohy ny fahasimban’ny ala, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahazoan’ny mponina rano izany amin’ny hoavy.
Izany indrindra no antony hanohanana ireo tantsaha manodidina ny Faritra Arovana amin’ny fampiharana fomba fambolena maharitra. Rehefa mahavokatra kokoa amin’ny tany efa ananany ny tantsaha, dia afaka mampitombo ny fidiram-bolany izy ireo nefa tsy voatery hanitatra ny tanimboly mankany amin’ny ala.
Tamin’ny voalohany, nisy tantsaha nisafidy ny hijery fotsiny ny vokatra azo aloha vao hanandrana. Rehefa nahita ny vokatra tsara teny an-tsaha anefa izy ireo, dia nanomboka liana sy nampihatra tsikelikely ireo teknika ireo ihany koa sy nahatarika ny hafa.
Mamokatra bebe kokoa, mampitombo ny fidiram-bola ary miaro ny Montagne d’Ambre: ao Besokatra, manomboka hita amin’ny zava-misy eny an-tsaha ny tombontsoan’ny fambolena maharitra.
-----
🇨🇵15 kapoaka de maïs… et jusqu’à 4 fois plus de récolte ! 🌽🌽🌽
🌽🌽🌽À Besokatra, en périphérie de l’Aire Protégée de la Montagne d’Ambre (région DIANA), de nouvelles pratiques agricoles durables commencent à transformer les résultats des producteurs.
Avec seulement 15 kapoaka de semences de maïs sélectionnées, les agriculteurs accompagnés ont obtenu, en une campagne agricole, une récolte nettement supérieure à leurs rendements habituels.
🌿⏳🌿Des techniques adaptées au terrain et au climat local 🌽🥜🌽🥜
À travers les Champs-Écoles Paysans (Saha Sekoly Tantsaha), les agriculteurs apprennent et testent des pratiques agricoles améliorées, basées sur les réalités de leurs sols et de leur environnement.
L’objectif est clair : augmenter la production sur les terres déjà cultivées, améliorer les revenus des ménages et limiter la pression sur les ressources naturelles.
Les résultats sont très encourageants. Alors qu’auparavant un pied de maïs produisait généralement un seul épi, les nouvelles pratiques permettent d’atteindre jusqu’à quatre épis par pied dans certains cas.
Les producteurs ont également expérimenté l’association du maïs et de l’arachide. En six mois, ils ont pu réaliser deux récoltes sur une même parcelle, tout en conservant une partie de leur production comme semences pour la prochaine campagne.
⛰️🌳 💦Produire plus pour mieux protéger ⛰️🌳 💦
La Montagne d’Ambre joue un rôle essentiel dans l’approvisionnement en eau de la ville d’Antsiranana. Sa dégradation progressive représente donc un risque majeur pour les populations.
En améliorant la productivité des terres déjà exploitées, les communautés peuvent augmenter leurs revenus sans étendre les cultures vers la forêt, contribuant ainsi à sa préservation.
Si certains agriculteurs ont d’abord préféré observer les résultats, les performances obtenues dans les champs ont rapidement suscité l’intérêt et encouragé l’adoption progressive de ces pratiques.
Produire mieux, diversifier les revenus et protéger la Montagne d’Ambre : à Besokatra, l’agriculture durable devient peu à peu une réalité concrète.
fans
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores
📷©PADDI/GIZ