03/12/2023
TOLO-TANANA HO AN'NY KAMBOTY...
Isan-taona ihany vao mba misy fitadiavam-bola toy izao ao amin'ny AKANY FITAIZANA ZAZA KAMBOTY AMPAHITRIZINA...
Ianao misakafo, ireto zanatsika ireto no hihira, ary ny tenako kosa no voatendry hitondra fampianarana... Sady voky zany ny fanahy amin'ny hira fiderana, no voky ny kibo amin'ny sakafo, no mbola ho voky koa ny saina amin'ny fampianarana...
Aman-jatony ny ankizy beazina ao anatin'ity akany ity; ankoatran'ny billet izay amidy dia sitrakay dia sitrakay raha mba mitondra fitafiana sy kilalao tsy ilainao intsony ianao nefa mbola misy raisina tsara ho an'ireto zanatsika ireto...
Raha mba te hifanampy aminay ianao ao anatin'izao hetsika izao nefa tsy afaka dia na dia "partage" iray monja dia anjara-biriky be ho an'ity hetsika ity.
Ny vola sy ny fanomezana rehetra izay voaray dia ho atolotra madiodio sy mangarahara hanaovana fampitaovana ho an'ny Akany.