OMNIS Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from OMNIS, Government Organization, Ambohijatovo/Andraharo/Mangasoavina, Antananarivo.

Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques
Organisme d’État travaillant au service du développement économique de Madagascar, notamment à travers les secteurs pétrolier amont et minier.

Ny OMNIS dia faly miarahaba an' Andriamatoa Carl ANDRIAMPARANY, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-kar...
26/03/2026

Ny OMNIS dia faly miarahaba an' Andriamatoa Carl ANDRIAMPARANY, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika noho ny fanendrena azy indray hitarika ny Minisitera.

𝐕𝐨𝐢𝐧-𝐤𝐚𝐯𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚.📌Manoloana ny voina nahazo ny faritra atsinanana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia sy Gezani di...
18/02/2026

𝐕𝐨𝐢𝐧-𝐤𝐚𝐯𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚.
📌Manoloana ny voina nahazo ny faritra atsinanana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia sy Gezani dia nitondra ny anjara birikiny entina manampy ireo mpiray tanindrazana tra-doza ny OMNIS androany 18 febroary teny amin’ny foiben’ny BNGRC.

📌 Ahitàna lelavola 1 tapitrisa ariary, sakafo, kojakoja ilaina amin’ny andavanandro sy entina manarina ireo simba ary fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ity tolo-tanana ity.

📌Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientan’ny fianakaviamben’ny OMNIS: ny mpiara-miasa rehetra sy ny Fikambanan’ny Vehivavin’ny OMNIS (AFO).

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRA - 05 Febroary 2026MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY▪ Noraisina ny didim-panjak...
06/02/2026

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRA - 05 Febroary 2026
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
▪ Noraisina ny didim-panjakana manambara ny fanafoanana ny Fifanarahana momba ny Fizaràna Vokatra (Contrat de Partage de Production) nosoniavina ny 27 aogositra 2015 ho Fitsirihana sy Fitrandrahana Akoran'afo amin'ny faritra Belo Profond Nord (Blocs 1841_5 – 1841_6 – 1941_1 – 1941_2 – 1941_3 – 1941_4).
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa efatra manambara ny fanafoanana ireo "titres miniers d'hydrocarbures" nomena ny OMNIS.
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa 17 manambara fa tsy manan-kery ny "titres miniers" momba ny akoran'afo nomena ny OMNIS.
▪ Noraisina ireo didim-panjakana miisa roapolo manambara ny fiafaran'ny fifanarahana fizaràna vokatra (CPP) natao teo amin'ny "Office National des Industries Stratégiques" (OMNIS) sy ireo kaompaniam-tsolika iraisampirenena.

“𝙑𝙤𝙖𝙧𝙖𝙠𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙖, 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙛𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙤 𝙖𝙫𝙮.”🇲🇬 Nanatanteraka fampiakaran-tsaina ny mpiasa rehetra teto anivon’ny OMNIS ...
20/01/2026

“𝙑𝙤𝙖𝙧𝙖𝙠𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙖, 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙛𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙤 𝙖𝙫𝙮.”
🇲🇬 Nanatanteraka fampiakaran-tsaina ny mpiasa rehetra teto anivon’ny OMNIS ny 19 janoary lasa teo tao Andraharo.

📣 Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Général de Brigade ANDRIANTAOLO Tsilavonjato Honoré, Tale Jeneralin’ny OMNIS, ny amin’ny fahavononan’ity andrim-panjakana ity handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fikarohana sy ny fitrandrahana solitany ary harena ankibon’ny tany stratejika. Izany dia atao mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fitondram-panjakana ho an’ny Fanavaozana.

🎂Naseho tamin’ity fotoana ity ihany koa ny mari-pamantarana ofisialin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny OMNIS, miaraka amin’ny teny faneva hoe “Voarakitra anaty tantara, manefy ny ho avy.”

Ny 16 martsa ho avy izao moa no ivon’ity fankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny OMNIS ity.

31/12/2025
24/12/2025
𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐄𝐋𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟓🟥 Tontosa androany teny Andraharo ny fankalazana ny fetin’ny Noely ho an’ny fianakaviamben’ny OMNIS i...
24/12/2025

𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐄𝐋𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟓
🟥 Tontosa androany teny Andraharo ny fankalazana ny fetin’ny Noely ho an’ny fianakaviamben’ny OMNIS izay nokarakarain’ny Fikambanan’ny Vehivavin’ny OMNIS na ny AFO.

📢 Fotoana nahafahan’ny Tale Jeneraly, ny 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐁𝐫𝐢𝐠𝐚𝐝𝐞 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐓𝐀𝐎𝐋𝐎 𝐓𝐬𝐢𝐥𝐚𝐯𝐨𝐧𝐣𝐚𝐭𝐨 𝐇𝐨𝐧𝐨𝐫𝐞́ nizara tamin’ny mpiara-miasa rehetra ireo vina ho an’ny orinasa ny androany. Notsindriany manokana nandritra ny lahateniny ny tokony hikatsahana ny tombontsoa iombonana dia izay hisy fiantraikany amin’ny vahoaka iray manontolo, ny fanarahana ny politikan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny fanavaozana izay apetraky ny Fitondram-panjakana. Izany rehetra izany dia atao ao anatin’ny fahamatorana sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Nambarany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fameranana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny OMNIS ny taona 2026 hoavy izao mba hahafahana misitraka izay tombontsoa iombonana izay.

🎄Amin’ny maha-fetin’ny ankizy ny fotoana androany dia nisy ny fampisehoana sy kilalao isan-karazany izay nomanin’ny Fikambanan’ny Vehivavin’ny OMNIS ho an’ireo zanaky ny mpiasa.

🟥 Tonga nanotrona ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny Tany, 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐁𝐀𝐙𝐀𝐅𝐘 𝐃𝐚𝐯𝐢𝐝 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐢𝐧𝐚 izay nitondra ny hafatra avy amin’ny ministera mpiahy ny OMNIS.

22/12/2025

📍𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀

🗓 17 desambra 2025📍 Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika🌳 « 𝐈𝐳𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐲 𝐡𝐚𝐳𝐨, 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐀𝐢𝐧𝐚 » 🌳📌 Tontosa androan...
17/12/2025

🗓 17 desambra 2025
📍 Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika
🌳 « 𝐈𝐳𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐲 𝐡𝐚𝐳𝐨, 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐀𝐢𝐧𝐚 » 🌳

📌 Tontosa androany maraina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2025-2026 teny amin’ny Fokontany Amboara, kaominina Imerintsiatosika ary zanakazo karazany kininina sy kesika miisa 12.000 no novolena.

📌 Nitarika ny hetsika ireo mpanolotsaina avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika mirahalahy, Andriamatoa isany: ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Manantenasoa Marcellin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry.

📌 Nandray anjara mavitrika tamin’ity adidy ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka ity ny OMNIS ary vonona hatrany ho fatra-panaja ny tontolo iainana.

Address

Ambohijatovo/Andraharo/Mangasoavina
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261202224283

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OMNIS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to OMNIS:

Share