04/05/2026
Tetikasa Lalankely III – Fotodrafitrasa manatsara ny fiainana andavanandro sy mampiroborobo ny faritra
Ny Tetikasa Lalankely III, izay tarihin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF), miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny AFD, ny Vondrona Eoropeana ary ny Fanjakana Malagasy, dia nahafahana nanatanteraka fotodrafitrasa manan-danja izay mikendry ny hanatsara amin’ny fomba mivaingana ny fari-piainan’ny mponina.Miisa 87 ireo asa vita, ka ahitana lalana vita pavé 15, lalankely 54, lakandrano fanariana rano 10, rindrina fanohanana 1, tohatra 6 ary lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra 1. Ireo rehetra ireo dia natao ahafahan’ny mponina manodidina ny iray tapitrisa (1 000 000) mahazo tombontsoa amin’izany. Manamora ny fifandraisana amin’ny lalana lehibe, sekoly, tsena ary toeram-piantsonan’ny fitateram-bahoaka ireo fanamboarana ireo.
Natao tao anatin’ny fokontany 20 miparitaka amin’ny boriborintany maro ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy any amin’ny kaominina manodidina ireo asa ireo. Ao amin’ny boriborintany faha-6, nahazo fanarenana lalankely 4 ny fokontany Ambodimita, raha toa kosa ka lalankely 4 no nohavaozina tanteraka tao Ankazomanga Atsimo, ka nahafahan’ny mponina miditra mivantana sy azo antoka mankany amin’ny tsena sy ny sekoly manodidina. Ao amin’ny boriborintany faha-2, nahazo lalankely vaovao 4 ihany koa i Manjakamiadana Antsahondra, ka manamora ny fivezivezena andavanandro mankany amin’ny fiantsonan’ny fitateram-bahoaka. Any amin’ny faritra ivelany kokoa, ao Ambohidratrimo, nisy lalana nohavaozina azo idiran’ny fiara, ka namaha ny fahasarotan’ny fidirana teo amin’ny faritra iray izay sarotra teo aloha. Ireo fanatsarana ireo dia nandrava ny fitokana-monin’ny faritra sasany taloha izay tsy maintsy nandalo lalana simba, malama ary mampidi-doza ny mponina vao afaka mankany amin’ny lalana lehibe, sekoly na tsena.
Manova tanteraka ny fiainan’ny mponina andavanandro ireo fotodrafitrasa vaovao ireo. Ao Tsarahonenana (boriborintany faha-5), ny tohatra roa sy ny lalankely nohatsaraina dia ahafahan’ny ankizy miditra soa aman-tsara any amin’ny sekolim-panjakana (EPP), izay lalana nampidi-doza teo aloha indrindra rehefa fotoanan’ny orana. Ao Ampanotokana, ny tohatra roa nohavaozina dia miantoka ny fivezivezen’ny mpianatra mankany amin’ny EPP Ambatomaro. Ny fanadihadiana natao taorian’ny asa tamin’ny mpampiasa lalana 1 476 tao amin’ireo fokontany 20 dia manamafy izany fiovana izany: mihoatra ny 94 % no milaza fa mampiasa matetika kokoa ireo lalana nohavaozina, ary hita fa nihatsara mazava ny lafiny fahazoana aina sy fiarovana rehetra nodinihina. Mahasoa ny rehetra ireo fanatsarana ireo, anisan’izany ny olona manana fahasembanana, ary mamorona sehatra izay mampiroborobo ny fifaneraserana sy fiainam-piaraha-monina.
Ankoatra izany, ny fanatsarana ny fifezivezena dia misy fiantraikany mivaingana amin’ny toekarena eny ifotony. Ny fanadihadiana ara-barotra natao taloha sy taorian’ny asa tamin’ireo fotodrafitrasa 41 ao amin’ny dingana faha-3 dia mampiseho fitomboana lehibe: ny isan’ny fivarotana manamorona ireo lalankely nohavaozina dia niakatra hatramin’ny 45 talohan’ny asa, ary 64 taorian’ny fahavitany, izany hoe fiakarana 42 %. Nitombo ihany koa ny isan’ny mpanjifa, ka ny salan’isa isan’andro dia niakatra hatrany amin’ny 40 hatramin’ny 50 ny mpanjifa isan’andro. Maherin’ny 64 % amin’ireo mpivarotra no mikasa hanitatra ny asany amin’ny ho avy, manaporofo ny fahatokisana amin’ny faritra misy azy izay lasa mahasarika. Izany fivoarana izany dia noho ny fahamoran’ny famatsiana sy ny fanaterana entana amin’ny alalan’ireo lalana azo idiran’ny fiara, toy ny ao Ambatomainty (boriborintany faha-5) sy Itaosy, izay manamafy ny fifaninanana eo amin’ny fivarotana madinika.
Ny tetikasa dia novolavolaina sy nampiharina niaraka tamin’ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ny manampahefana eny ifotony. Nandray anjara tamin’ny dingana rehetra, manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fanekena ny asa, ny lehiben’ny fokontany, ny mponina ary ny mpivarotra. Ity fomba fiaraha-miasa ity dia nahafahana nampifanaraka ny fanatsarana amin’ny zava-misy eny an-toerana, toy ny tao Ankazomanga Atsimo izay nitarika ny safidy ara-teknika tamin’ireo lalankely 4 ny fifampidinihana natao mialoha. Ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina dia nanamafy ny fahatsapana ho tompon’andraikitra amin’ireo fotodrafitrasa sy ny firaisankina eo amin’ny mponina, ka mametraka fototra ho amin’ny fikojakojana maharitra ataon’ny mponina ihany.
Farany, manamafy ny fanoloran-tenany ny Kaominina amin’ny maha-mpilalao lehibe amin’ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe azy. Amin’ny alalan’ny fitarihana ireo fanatsarana ireo dia manamafy ihany koa ny fahaiza-manaony amin’ny fitantanana sy fikojakojana fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny fahasalamam-bahoaka maharitra
-------------------------------------------------------------------------------------------
Projet Lalankely III – Des infrastructures qui transforment le quotidien et valorisent durablement le quartier
Mis en œuvre sous la maîtrise d’ouvrage du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF), avec l’appui financier de l’Agence Française de Développement (AFD), de l’Union Européenne et de l’État Malagasy, le Projet Lalankely III a permis la réalisation d’infrastructures structurantes destinées à améliorer concrètement les conditions de vie des habitants. Au total, 87 infrastructures ont été aménagées, dont 15 voies carrossables, 54 ruelles, 10 canaux d’évacuation, 1 mur de soutènement, 6 escaliers et 1 trottoir, permettant de desservir environ 1 000 000 d’habitants. Ces aménagements facilitent un accès sécurisé aux axes principaux, aux établissements scolaires, aux marchés ainsi qu’aux arrêts de transport en commun.
Ces travaux ont été déployés dans 20 fokontany répartis dans plusieurs arrondissements de la Communauté Urbaine d’Antananarivo (CUA) ainsi que dans des communes périphériques. Dans le 6ème arrondissement, le fokontany d’Ambodimita a bénéficié de 4 ruelles réhabilitées, tandis qu’Ankazomanga Atsimo a vu 4 ruelles entièrement refaites, offrant aux habitants un accès direct et sécurisé vers les marchés et les établissements scolaires de proximité. Dans le 2ème arrondissement, Manjakamiadana Antsahondra a également bénéficié de 4 nouvelles ruelles, facilitant les déplacements quotidiens vers les arrêts de transport en commun. Plus en périphérie, à Ambohidratrimo, une voie carrossable a été réhabilitée, désenclavant un quartier jusqu’alors difficile d’accès. Ces aménagements ont contribué à briser l’isolement de quartiers où les habitants devaient auparavant emprunter des chemins dégradés, glissants et dangereux pour rejoindre les axes principaux, les écoles ou les marchés.
Ces nouvelles infrastructures transforment concrètement le quotidien des habitants. À Tsarahonenana (5ème arrondissement), les deux escaliers et la ruelle aménagés permettent désormais aux enfants d’accéder en toute sécurité à l’école primaire publique (EPP) du quartier, un trajet auparavant périlleux en saison des pluies. À Ampanotokana, les deux escaliers réhabilités sécurisent le cheminement quotidien des élèves vers l’EPP Ambatomaro. Les enquêtes menées après travaux auprès de 1 476 usagers dans les 20 fokontany d’intervention confirment cette transformation : plus de 94 % des personnes interrogées déclarent fréquenter plus régulièrement les voies réhabilitées, et l’ensemble des critères de confort et de sécurité évalués enregistrent une nette amélioration. Ces aménagements profitent à tous les habitants, y compris aux personnes à mobilité réduite, tout en créant des espaces propices aux échanges sociaux et au renforcement de la vie communautaire.
Par ailleurs, l’amélioration de l’accessibilité produit des effets mesurables sur la dynamique économique locale. Les enquêtes commerciales réalisées avant et après les travaux sur les 41 infrastructures de la Phase 3 révèlent une progression significative : le nombre de commerces actifs le long des lalankely réhabilitées est passé de 45 avant les travaux à 64 après leur achèvement, soit une hausse de 42 %. La fréquentation des commerces a également augmenté, la médiane journalière de clientèle progressant de 40 à 50 clients par jour. Plus de 64 % des commerçants interrogés déclarent envisager de développer leur activité à l’avenir, témoignant de la confiance retrouvée dans l’attractivité de leurs quartiers. Cette dynamique s’explique notamment par le fait que les voies carrossables, comme celles réhabilitées à Ambatomainty (5ème arrondissement) ou à Itaosy, facilitent désormais l’approvisionnement et les livraisons, renforçant la compétitivité des petits commerces de proximité.
Le projet a été conçu et mis en œuvre en étroite collaboration avec les habitants et les autorités locales. Les chefs de fokontany, les riverains et les commerçants ont été associés à chaque étape, de la conception à la réception des travaux. Cette démarche participative a permis d’adapter les aménagements aux réalités locales, comme à Ankazomanga Atsimo où les concertations préalables ont orienté les choix techniques des 4 ruelles réhabilitées. L’implication des communautés a renforcé l’appropriation des ouvrages et la cohésion sociale au sein des quartiers bénéficiaires, posant les bases d’un entretien durable par les riverains eux-mêmes.
Enfin, la Commune confirme son engagement en tant qu’acteur clé du développement urbain. À travers le pilotage de ces aménagements, elle renforce également ses capacités en matière de gestion et d’entretien des infrastructures publiques, au service du bien-être durable des citoyens.