APIPA PAGE OFFICIELLE DE L'AUTORITE POUR LA PROTECTION CONTRE LES INONDATIONS DE LA PLAINE D'ANTANANARIVO

FIKOJAKOJANA NY « STATION DE POMPAGE » AO AMBODIMITA👉 Natomboka androany ny asa fikojakojana ny « Station de pompage » a...
02/09/2026

FIKOJAKOJANA NY « STATION DE POMPAGE » AO AMBODIMITA

👉 Natomboka androany ny asa fikojakojana ny « Station de pompage » ao Ambodimita, izay mikendry indrindra ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra sy ny fisorohana ny tondra-drano, ho fiarovana ny mponina sy ny fotodrafitrasa.

📍 Ireto avy ireo asa efa tontosa teny an-kianja :

✅ Fanadiovana (curage) ny paompy

✅ Fametrahana ny « batardeau »

✅ Fametrahana ny « moto-pompe»

💪« Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ ny loza ! »

-

LAKANDRANO C3: MITOHY NY ASA FANADIOVANA AO ANOSIBE📍 Eto amin’ny lakandrano C3 (Tronçon 3, Anosibe) indray ny ekipa andr...
01/09/2026

LAKANDRANO C3: MITOHY NY ASA FANADIOVANA AO ANOSIBE

📍 Eto amin’ny lakandrano C3 (Tronçon 3, Anosibe) indray ny ekipa androany manohy ny asa fanadiovana.

💪 Miara-misalahy ny rehetra amin’ny fanalana ireo fotaka, fako plastika ary loto isan-karazany izay manentsina ny lalan-drano. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny fikorianan’ny rano sy hisorohana ny tondra-drano.

⚠️ Manoloana izany, miangavy antsika rehetra mba hiara-hitandro ny fahadiovana. Aoka isika tsy hanary na hanipy fako ao anatin’ny lakandrano, satria ny fako miangona izay manentsina ny lalan-drano dia miteraka fiandronan'ny rano sy fiakarany eny amin'ny tanàna, indrindra rehefa amin’ny vanim-potoanan’ ny fahavaratra.

🙏 Koa andao isika samy handray andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainantsika.
Aza manary fako anaty lakandrano.
Ny fahadiovana androany, fiarovana amin’ny tondra-drano rahampitso. 🌿💧

-

🌿ASA FANADIOVANA LAKANDRANO👉Eto amin’ny lakandrano « Vallée de l’Est » ao Marais Masay no manatanteraka ny asa fanadiova...
31/08/2026

🌿ASA FANADIOVANA LAKANDRANO

👉Eto amin’ny lakandrano « Vallée de l’Est » ao Marais Masay no manatanteraka ny asa fanadiovana ny ekipa amin’izao fotoana izao.

Mba hanafainganana ny asa, « Pelle mécanique » no ampiasaina hanalana ireo fotaka, fako ary tany miangona ao anaty lakandrano.

Ny tanjona amin’ity asa fanadiovana ity moa dia ny hanatsarana sy ny hanamorana ny fikorianan’ny rano.

-

19/08/2026
19/08/2026

Taom-pahavaratra 2026–2027: Niteraka resabe tato ho ato ny tranga El Niño

🌧️ Manomboka amin'ny volana Oktobra ka hatramin'ny Aprily amin’ny ankapobeny no taom-pahavaratra eto Madagasikara. Ao anatin’io vanim-potoana io no milatsaka ny ankamaroan'ny rotsakorana mandritra ny taona, izay mahatratra eo anelanelan'ny 60% sy 100% amin'ny fitambaran'ny rotsakorana isan-taona, arakaraka ny faritra. Io ihany koa no vanim-potoanan'ny🌀 rivodoza, ny orambe, nefa mety hisian'ny haintany ihany koa any amin'ny faritra sasany.

🌍 Amin’io fifandimbiasan-javatra ara-toetrandro io indrindra no ilaina fantatrintsika ny anjara toeran’ny tranga lehibe iray amin’ny toetrandro maneran-tany, dia ny El Niño.

❓ Inona no atao hoe El Niño?
🌊 El Niño dia tranga voajanahary miseho rehefa mafana mihoatra noho ny tokony ho izy ny hafanan’ny Ranomasimbe Pasifika eo amin'ny faritra manakaiky ny ekoatera. 🌏Na dia lavitra an'i Madagasikara aza io ranomasimbe io, dia manova ny fivezivezen'ny rivotra maneran-tany izany fiakaran'ny hafanana izany. Misy fiantraikany amin'ny toetrandro any amin'ny faritra maro eran'izao tontolo izao, anisan'izany i Madagasikara.

⚠️ Zava-dehibe tokony ho fantatra

❗ Tsy ny El Niño irery no mamaritra ny toetrandro eto amintsika. ❗

Misy ihany koa ireo tranga hafa toy ny:

🌊 "Dipôle de l'Océan Indien (IOD)"
🌊 "Dipôle Subtropical de l'Océan Indien (SIOD)";
🌬️ "Mousson" , izay rivotra avy any avaratra sy avaratra andrefan'i Madagasikara;
☁️ "Ilaifito" na Zone de Convergence Intertropicale (ZCIT)

🤝 Ireo tranga rehetra ireo no miara-mamaritra ny fizotry ny taom-pahavaratra eto Madagasikara.

🔎 Inona no mety hiandry antsika mandritra ny taom-pahavaratra 2026–2027?

📊 Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibe Famantarana ny Toetrandro, mety hitovitovy amin’ny fahavaratra 1982/1983 ny fikorontanan’ny rotsakorana mandritra ny fahavaratra ho avy.

👉Izany hoe misy faritra mety ho voakasiky ny tranga mahery vaika toy ny tondradrano na fikaran’ny renirano mandritra ny fotoana fohy. Ny faritra sasany kosa mety 🌵 hisedra fanamby goavana amin’ny tsy fahampian’ny rotsakorana.

🚨 Ho marolafy araka izany ny dona sy ny mety ho fahavoazana ho aterany amin’ireo sehatra sy toerana isan-tsokajiny. 🚨

👀 Na izany aza dia mbola arahina maso miandalana hatrany izany. Misy ny fiankinana amin’ny tranga hafa, toy izay voatonona teo ambony, ary mbola voafetra ny vinavina lavitr’ezaka momba ireo: ny rivodoza sy ny rotsakorana betsaka izay ateraky ny tranga “ilaifoto” na ZCIT.

🔴Tsarovy🔴
📝 Mbola tsy voafaritra tanteraka ny fizotry ny taom-pahavaratra 2026–2027.
🔄 Havaozina tsy tapaka ny vinavina izay vokarin’ny Foibe Famantarana Toetrandro, hahafahana miomana mialoha sy mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin'izany.

Araho hatrany ny vaovao sy ny vinan'ny tonontaona ofisialy avoakan'ny Foibe Famantarana ny Toetrandro.

🔑Météo Madagascar

🚧 FANADIOVANA NY LAKANDRANO C3💪🌿lakandrano C3 ao Anosibe indray izao no diovin’ny ekipa. Anisan’ireo lakandrano lehibe i...
18/08/2026

🚧 FANADIOVANA NY LAKANDRANO C3💪🌿

lakandrano C3 ao Anosibe indray izao no diovin’ny ekipa. Anisan’ireo lakandrano lehibe iray mandray sy mitondra ny rano avy amin’ireo faritra manodidina izy io, ka zava-dehibe ny fikojakojana azy mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara sy hisorohana ny mety ho fihibohana.

Na dia mifantoka amin’ny fanadiovana ny C3 ao Anosibe aza ny ekipa amin’izao fotoana izao, dia mbola mizara amin’ny toerana samihafa hatrany izy ireo mba hanohizana ny asa fanadiovana sy fikojakojana ireo lakandrano hafa. Mitohy araka izany ny asa eny amin’ny toerana maro, ho fanatsarana hatrany ny fahafahan’ireo fotodrafitrasa mandray sy mampita rano.

🎯 Ny Tanjona dia ho fitandroana ny fahadiovan’ny lakandrano, fanatsarana ny fikorianan’ny rano.

-

14/08/2026
💧⚙️ FIKOJAKOJANA NY PAOMPY FITROHANA RANO NA STAPOM AMBODIN’ISOTRY.🚨 Miasa 24 ora isan’andro, 7 andro isan-kerinandro ts...
13/08/2026

💧⚙️ FIKOJAKOJANA NY PAOMPY FITROHANA RANO NA STAPOM AMBODIN’ISOTRY.

🚨 Miasa 24 ora isan’andro, 7 andro isan-kerinandro tsy an-kiato ny paompy fitrohana rano ao amin’ny STAPOM, ka anisan’izany ny ao Ambodin’Isotry. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanesorana sy fitantanana ny rano mety hiangona eny an-tanàna ny paompy.

🔧 Noho izany, zava-dehibe ny fanaovana fikojakojana tsy tapaka sy ara-potoana, mba hiantohana ny fahombiazan’ny paompy, hisorohana ny fahasimbana mety hitranga ary hahafahana miantoka ny fitohizan’ny asa.

🛠️ Ny fikojakojana atao ara-potoana dia manampy amin’ny fitazonana ny fahombiazan’ny fitaovana, fanalavana ny androm-piasany ary fiantohana fa vonona hatrany ny paompy mandritra ny fotoana iasany, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny orana. 🌧️💧

💪 Ny fikojakojana tsy tapaka no antoky ny fahombiazan’ny fitaovana sy ny fitohizan’ny asa.

-

🌿 MITOHY NY ASA FANADIOVANAMizara amin’ny toerana samihafa ny ekipa, mba hanohizana ny asa fanadiovana sy fikojakojana n...
12/08/2026

🌿 MITOHY NY ASA FANADIOVANA

Mizara amin’ny toerana samihafa ny ekipa, mba hanohizana ny asa fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano. 💪

📍 Eto amin’ny GR Ampefiloha Ambodirano, mitohy ny fanadiovana izay efa natomboka.

📍 Eny Andavamamba Ambilanibe kosa, mifantoka amin’ny fitaomana sy fampiakarana ireo fako sy tsikafona ny ekipa, indrindra any amin’ireo toerana tsy ahafahan’ny fiarabe miditra. Entina mankany amin’ny toerana fanangonana ireo fako mba hanamorana ny fitaterana azy. ♻️

🤝 Mitohy hatrany ny ezaka fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano, ho an’ny fahadiovan’ny tanàna sy ny fiarovana ny tontolo iainana. 🌿💧.

-

🌿 MITOHY NY ASA FANADIOVANA NY LAKANDRANO SY NY FARIHY.Alatsinainy, efa miparitaka amin’ireo toerana samihafa ireo ekipa...
10/08/2026

🌿 MITOHY NY ASA FANADIOVANA NY LAKANDRANO SY NY FARIHY.

Alatsinainy, efa miparitaka amin’ireo toerana samihafa ireo ekipa manatanteraka ny asa fanadiovana ny lakandrano sy ny farihy.

📍 Anisan’ny toerana iasana amin’izany ny Marais Masay, izay anohizana ny fanadiovana ny farihy. Esorina ireo tsikafona sy ireo loto manakana ny fahadiovan’ny farihy, ary apetraka vetivety eny amoron’ny farihy ireo voaangona mba hitsika sy hampihena ny hamandoany.

🚛 Rehefa vita izany dia entina any amin’ny toerana voatokana ireo fako sy akora nesorina, mba hahafahana manohy ny fikojakojana sy ny fanadiovana.

💧 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny APIPA amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa eto amin’ny Lemak’Antananarivo sy ny manodidina.

-

Address

Lot IVW 18E Anosizato Est
Antananarivo
101

Telephone

+261344427332

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when APIPA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share