29/04/2026
🌿 𝐍𝐚𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐚𝐜𝐭𝐞 𝐕𝐞𝐫𝐭 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨. 𝐌𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟐𝟓𝟎 𝟎𝟎𝟎 𝐧𝐨 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐨𝐯𝐚. 🇲🇬🇪🇺🇫🇷🇩🇪🇺🇳
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy anio 29 aprily 2026, niarahan’ny Governemanta Malagasy, ny Vondrona eoropeana, Frantsa, Alemana ary ny Firenena Mikambana, ny Action Pacte Vert ho an’ny Faritra Atsimo sy ny fivoriana voalohan’ny Komity mpitari-dalana stratejika (COS).
🎯 Ny tanjona dia ny hiala amin'ny fanampiana vonjy taitra ho amin'ny fahaleovan-tena tanteraka an 'ireo faritra ireo.
✅ Entina hanohanana ny fampiharana ireo tetikasa 80 mitambatra ao anatin'ny PACTE VERT, dia namatsy vola 501 millions euros (izany hoe manodidina ny 2 500 miliara ariary) ny Vondrona eoropeana 🇪🇺 miaraka amin'i Frantsa 🇫🇷, i Alemana 🇩🇪 (Team Europe) ary ny Firenena Mikambana.
Mandritra ny 5 taona (2025-2029) no hanatanterahina ny asa ho an' ny Action Pacte Vert.
Miisa 250 000 ireo hahazo tombontosa ao amin'ny faritra Androy sy Anôsy.
Ny Hetsika Pacte Vert dia tanterahina amin'ny alalan'ny tetikasa lehibe roa:
🌱 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐊𝐘 𝐁𝐄, natokana ho an'ny fambolena mifanaraka amin'ny fiovan'ny toetr'andro, ny fanarenana ny tontolo iainana ary ny fanomezan-danja ireo vokatra eo an-toerana ao amin'ny faritra Anôsy.
💧 𝐑𝐄́𝐒𝐈𝐋𝐈𝐄𝐍𝐂𝐄, mifantoka amin'ny fitantanana maharitra ny rano, ny fambolena mitsinjo ny tontolo iainana, ny fisorohana ny krizy ary ny fanamafisana ny firaisankina ara-tsosialy sy ara-paritra ary ny fitantanana ny risika sy ny loza voajanahary any amin'ireo faritra marefo indrindra any Atsimo.
𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲?
🔹 Fahazoana sakafo azo antoka sy fidiram-bola raikitra ho an'ny fianakaviana.
🔹 Fahazoana rano amin'ny alalan'ireo tohodrano vaovao sy tobin-drano mba tsy hiankin-doha intsony amin'ny ranon'orana.
🔹 Fisokafan'ny faritra amin'ny alalan'ny fanamboarana ny lalan-dratsy mba hahafahana mivarotra ny voka-pambolena.
🔹 Angovo : fampiasana ny masoandro entina manodina ny vokatra eo an-toerana.
🔹 Fahaleovan-tena ara-bola amin'ny alalan'ireo fitehirizam-bola eny ifotony (AVEC).
🤝 Ny hetsika dia an'ny Faritra Androy sy Anôsy mba hihantohana ny faharetan'ny asa atao, iarahana miasa amin'ny governemanta, ireo mpiara-miombon'antoka, ny fiarahamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina.
🔄 Ny Action Pacte Vert dia manohy sy manamafy ny vokatra azo tamin’ny Programme Afafi-sud (2018-2025).
------------------------
🌿 𝐆𝐫𝐚𝐧𝐝 𝐒𝐮𝐝 : 𝐄𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐏𝐚𝐜𝐭𝐞 𝐕𝐞𝐫𝐭 !
𝟐𝟓𝟎 𝟎𝟎𝟎 𝐛𝐞́𝐧𝐞́𝐟𝐢𝐜𝐢𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐯𝐞𝐫𝐫𝐨𝐧𝐭 𝐥𝐞𝐮𝐫 𝐯𝐢𝐞 𝐜𝐡𝐚𝐧𝐠𝐞𝐫 🇲🇬🇪🇺🇫🇷🇩🇪🇺🇳
Ce 29 avril à Antananarivo, le Gouvernement Malagasy, entouré des Ambassadeurs de l’Union européenne, de la France, de l’Allemagne et des Nations Unies, a lancé officiellement l’Action PACTE VERT suivi de la première réunion de son Comité d’Orientation Stratégique.
🎯 Prévue sur 5 ans (2025-2029), cette initiative cible 250 000 bénéficiaires dans les régions Androy et Anôsy.
Financé par l’Union européenne, la France et les Nations Unies, l'ambition est de passer de l'aide d'urgence à l'autonomie totale.
✨ Un financement global de 501 millions d’euros (environ 2 500 milliards d’ariary) est mobilisé par l'Union européenne, en collaboration avec France, Allemagne (Team Europe) ainsi que les Nations unies, pour appuyer la mise en œuvre de 80 projets réunis sous l’initiative PACTE VERT.
L'Action Pacte Vert se déploie via deux projets majeurs :
🌱 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐊𝐘 𝐁𝐄, dédié à l’agriculture résiliente, à la restauration des paysages et à la valorisation des filières locales dans la région Anôsy.
💧 𝐑𝐄́𝐒𝐈𝐋𝐈𝐄𝐍𝐂𝐄, axé sur la gestion durable de l’eau, l’agroécologie, la prévention des crises et le renforcement de la cohésion sociale et territoriale et gestion des risques et catastrophes dans les zones les plus vulnérables du Grand Sud.
𝐐𝐮’𝐞𝐬𝐭-𝐜𝐞 𝐪𝐮𝐞 𝐜𝐞𝐥𝐚 𝐜𝐡𝐚𝐧𝐠𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐜𝐫𝐞̀𝐭𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 ?
🔹 Sécurité alimentaire : moins de périodes de soudure et des revenus stables pour les familles.
🔹 Accès à l’eau : construction de barrages et de points d'eau pour ne plus dépendre de la pluie.
🔹 Désenclavement : réhabilitation des pistes pour faciliter la vente des récoltes.
🔹 Énergie verte : transformation des produits via le solaire pour valoriser le travail local.
🔹Indépendance financière : développement des caisses d’épargne villageoises (AVEC).
🤝 Ce projet est porté par les Régions Androy et Anôsy, véritables chefs d'orchestre de cette transformation, main dans la main avec l'État, les partenaires techniques, la société civile et le secteur privé.
🔄 L'action Pacte Vert prend fièrement le relais du Programme AFAFi Sud pour bâtir un avenir prospère et durable (2018-2025).