09/06/2026
FAKAN-KEVITRA HO FANAVAOZANA NY POLITIKAM-PIRENENA HOAN'NY FANATANJAHANTENA;
Tontosa teto Sambava androany faha 09 jiona taona 2026 ny Fakan-kevitra ho fampanarahana vanin'andro ny POLITIKAM-PIRENENA mahakasika ny Fanatanjahantena.
Tonga niatrika izany ireo Olom-panjakana maro, ny Ekipa Ministère de la Jeunesse et des Sports izay notarihan'Atoa Directeur du Cabinet sy Mpanolotsaina manokan'ny Minisitra, ireo filohan'ny taranja ara-panatanjahantena maro (tennis, basketball, football, cyclisme, Hay ady...), sy ny tanora ary ireo Fitaleavam-paritra isantsokajiny.
Nifototra tamin'ny Hevi-dehibe 05 ny fifanakalozan-kevitra teto:
1- Fotodrafitrasa momba ny Fanatanjahantena
2- Tanin-ketsa ara-panatanjahantena
3- Fanatanjahantena hoan'ny daholobe
4- Fanatanjahantena avo lenta
5- Hay tantana ara-panatanjahantena
Samy namoaka ny traikefany sy fahalalany ary ny fahaizamanaony amin'ireo lohahevitra ireo avokoa ny mpiatrika.
Nanamarika ity andro androany ity ny fandraisana anjaran'ireo zoky zanaky ny Faritra SAVA, izay nitondra avo ny sehatry ny Fanatanjahantena teo amin'ny sehatrasa nasionaly sy iraisampirenena tany aloha tany.
Ara-kalitao tokoa ny antontan-kevitra voaangona androany ka mampisy fanantenana ny a.in'ny mbola hisandratan'ny sehatry ny Fanatanjahantena eto Madagasikara indray.