π‘π€π™π€π…πˆπ‡π€π‘πˆπ’πŽπ π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§πšπ§π­πžπ§πš

  • Home
  • Madagascar
  • Ampanihy
  • π‘π€π™π€π…πˆπ‡π€π‘πˆπ’πŽπ π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§πšπ§π­πžπ§πš

π‘π€π™π€π…πˆπ‡π€π‘πˆπ’πŽπ π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§πšπ§π­πžπ§πš Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from π‘π€π™π€π…πˆπ‡π€π‘πˆπ’πŽπ π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§πšπ§π­πžπ§πš, Ampanihy.

🌿 MIRARY ALAHADY FENO HERY HO ANTIKAπŸ™πŸ‡²πŸ‡¬Rehefa miorina amin’ny finoana isika, dia mahita hery vaovao hatrany.❀️ Aoka ny f...
30/08/2026

🌿 MIRARY ALAHADY FENO HERY HO ANTIKAπŸ™πŸ‡²πŸ‡¬

Rehefa miorina amin’ny finoana isika, dia mahita hery vaovao hatrany.
❀️ Aoka ny fitiavana hampiray antsika,
πŸ™ ny finoana hampahery antsika,
πŸ“– ary ny Tenin’Andriamanitra hitarika antsika isan’andro.
Tsy irery isika amin’ny lalana alehantsika. Aoka hatoky an’Andriamanitra isika, hifampitsinjo ary hifanome tanana hatrany.

✨ Ho feno fahasoavana, fiadanana ary fitahiana anie ny androntsika rehetra.
Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana
πŸ‡²πŸ‡¬

MIRARY ALAHADY MASINA HO ANTIKA πŸ™πŸ½Aoka ny fahamarina no hitarike ny diantika, ny famindram-po no hameno ny fon-tika, ary...
23/08/2026

MIRARY ALAHADY MASINA HO ANTIKA πŸ™πŸ½

Aoka ny fahamarina no hitarike ny diantika, ny famindram-po no hameno ny fon-tika, ary ny fanetren-tena no hampiorigne ny fiainantika eo anatrehan’Andriamanitra.

β€œAry inona moa no ilain’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetren-tena?”
β€” Mika 6:8

Mirary Alahady feno fiadanana, fahendrena ary fitahian’Andriamanitra ho antsika rehetra. πŸ™πŸ½

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana

🌿 HERINANDRO VAOVAO, FANANTENANA VAOVAO πŸ™β€œJehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.”— Salam...
17/08/2026

🌿 HERINANDRO VAOVAO, FANANTENANA VAOVAO πŸ™

β€œJehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.”
β€” Salamo 121:7

✨ Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra!
Ho herinandro feno fiadanana, fahasalamana, fahasoavana ary fitahiana anie izany.

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ™ FAMARANANA NY ZAIKABE FAHA-III – FIANARANTSOA Fintina an-tsary tamin'ny Famaranana tamin’ny fomba manetriketrika ny ...
10/08/2026

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ™ FAMARANANA NY ZAIKABE FAHA-III – FIANARANTSOA

Fintina an-tsary tamin'ny Famaranana tamin’ny fomba manetriketrika ny Zaikabe faha-III , fotoana lehibe nitondra firaisankina, finoana, fifanakalozana ary fanamafisana ny asa fanompoana.
Faly sy mankasitraka ireo rehetra nandray anjara tamin’izao fotoana manan-danja izao aho, indrindra ireo mpitondra fivavahana, mpitondra fanjakana, solontena ary ireo mpino izay niara-nisalahy tamin’ny fahombiazan’ity Zaikabe ity.
Maneho fisaorana manokana ihany koa ho an’ireo mpikarakara sy tompon’andraikitra rehetra, noho ny ezaka sy ny fahavononana nasehonareo.
Enga anie ny hafatra sy ny soatoavina nentin’ity Zaikabe ity tsy hijanona ho fahatsiarovana fotsiny, fa ho lasa hery manosika antsika hiasa bebe kokoa ho an’ny firaisankina, ny fandriampahalemana ary ny fampandrosoana ny firenentsika.
πŸ‡²πŸ‡¬ Aoka hatrany isika hifanohana, hifankatia ary hiara-handroso ho an’i Madagasikara.
πŸ™ Isaorana Andriamanitra noho ny fahombiazana sy ny fitahiany nandritra izao Zaikabe izao.
Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana
Sary : tao Rev Dr RAKOTOZAFY Denis

Ry Longo mamiko tsy ankanavake!Enga anie ity herinandro ity handay fahasoava, fahasalama, fiadana, fahombiaza ary fitahi...
10/08/2026

Ry Longo mamiko tsy ankanavake!

Enga anie ity herinandro ity handay fahasoava, fahasalama, fiadana, fahombiaza ary fitahia ho antika iaby.

Aoka isika hifanohana, hifankatia ary hiara-handroso.
Ny andro vaovao dia mitondra fahafahana vaovao.
πŸ™ Mirary herinandro feno fitahiana ho anareo rehetra.
Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana

Ry Longo!Tonga indray ny herinandro vaovao. Fotoana iray hafa omen'Andriamanitra antsika hanombohana indray, hanitsiana ...
03/08/2026

Ry Longo!

Tonga indray ny herinandro vaovao. Fotoana iray hafa omen'Andriamanitra antsika hanombohana indray, hanitsiana ny fahadisoana, hanatratrarana nofy vaovao.

Na inona na inona nandalo tamin'ny herinandro lasa β€” na fahoriana, na faharesena, na tsy fahombiazana β€” dia anio no andro vaovao. MamelΓ  ny lasa, ka miondrana mankany amin'ny hoavy. Fa Andriamanitra dia manao zavatra vaovao eo amin'ny fiainanao, eny, na dia any an-efitra aza.

πŸ”Ή Aza mihazona ny fahadisoana lasa – Ny fahotana sy ny fahadisoana dia efa namelana. Mandehana amin'ny fahalalahana vaovao.

πŸ”Ή Tadiavo ny sitrapon'Andriamanitra – Amin'ny alalan'ny vavaka sy ny Teniny no ahitanao ny lalana alehanao.

πŸ”Ή Mifalia amin'ny zavatra kely – Ny fahasambarana dia tsy tonga amin'ny zavatra lehibe fotsiny, fa amin'ny fankasitrahana ny zavatra kely isan'andro.

"Fa Izaho no mahalala ny eritreritro ho anareo, hoy Jehovah, eritreritry ny fiadanana, fa tsy ny fahoriana, mba hanomezako anareo faravΓ zana sy fanantenana."
β€” Jeremia 29:11

Miasa isika. Mivavaka isika. Miaraka isika.

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana

Mirary Alahady fahasoava sy fiatombohan'ny herinandro feno hery ho antika Longo iaby !Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy ...
26/07/2026

Mirary Alahady fahasoava sy fiatombohan'ny herinandro feno hery ho antika Longo iaby !

Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa Fanahy Mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

β€” II Timoty 1 : 7

πŸ”Ή Misaora amin'ny zavatra rehetra – Na dia sarotra aza ny zava-misy, dia misy zavatra tsara maro manodidina anao. Ny fiainana, ny fianakaviana, ny fanantenana. Misaora fa mbola velona ianao.

πŸ”Ή Tohizo ny asanao – Ny Tompo no miara-miasa aminao. Na inona na inona ataonao, dia ataovy ho an'ny voninahinyπŸ™

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana

Mirary soa sy mivavake Ho anareo mpanao Fagnadina Bakalorea Iaby!!Β« L'Γ©ducation est l'arme la plus puissante pour change...
19/07/2026

Mirary soa sy mivavake Ho anareo mpanao Fagnadina Bakalorea Iaby!!

Β« L'Γ©ducation est l'arme la plus puissante pour changer le monde. Β» -Nelson Mandela

« Le succès est la somme de petits efforts, répétés jour après jour. » Robert Collier

Aza matahotra ny fanadinana, fa asehoy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao efa nangoninao. Minoa ny tenanao, mivavaha, ary ataovy amim-pahendrena ny valin-teninao. Tsarovy fa ny faharetana, ny finiavana ary ny fahavononana no mitondra amin'ny fahombiazana.

Mirary hery, fahendrena ary fahombiazana ho an'ireo mpianatra Malagasy rehetra hiatrika ny Bakalorea. Mirary vokatra tsara ho anareo rehetra!

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana

Mirary Alahady feno ny fahasoavan'Andriamanitra ho antsika rehetra lahy Longoko iaby e!Ary fantatsika fa ny zavatra rehe...
19/07/2026

Mirary Alahady feno ny fahasoavan'Andriamanitra ho antsika rehetra lahy Longoko iaby e!

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.

Romana 8 : 28

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana

"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anare...
12/07/2026

"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo."

β€” Jaona 14 : 27

Anio, Alahady, andro fitsaharana sy fanavaozana ny fanahy. Na dia eo aza ny fanamby, na dia eo aza ny fanapahan-kevitra mavesatra miandry antsika rahampitso, dia misy fiadanana tsy mety levona. Fiadanana tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'llay Tompon'ny zavatra rehetra.

Aza matahotra. Aza mihetsi-po. Ny Tompo miaraka aminareo.

Ho an'ny rehetra: Enga anie ity Alahady ity ho famelombelona ny fahazavana ao am-ponareo.

Miaraka isika, miaraka amin'ny finoana !

Prof. RAZAFIHARISON Andriamanantena
Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana

Address

Ampanihy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π‘π€π™π€π…πˆπ‡π€π‘πˆπ’πŽπ π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§πšπ§π­πžπ§πš posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share