10/02/2026
Talata 10 Febroary 2026 - 16h
⚠️ Eo andalam-pidirana anatin'ny mafy indrindra ⚡️ ny any amin'ny morontsiraka Atsinanana
Niova ho toy izao ny filazana loza:
🔴 Loza mitatao miloko MENA : Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka.
🟡 Loza manambana miloko MAVO : Faritra Ambatosoa, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe sy ny Distrikan'i Mandritsara sy Befandriana Avaratra.
✖️ Foana ny filazana loza : ho an'ny Distrikan'i Antalaha sy Andapa
▶ Toerana misy ny foiben'ilay rivodoza GEZANI 🌀: 89 km Atsinanan'i Toamasina
▶ Heriny: Cyclone Tropical Intense ‼️
▶ 185 km/h ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra 260 km/h
▶ Fikisahany: Niakandrefana mahafaka 18 km/h
▶ Toerana hidirany an-tanety: Ao amin'ny Distrikan'i Toamasina II
▶▶ Rehefa tafiditra an-tanety tanteraka ao amin'ny distrikan'i Toamasina II izy dia vinavinaina hamakivaky ny Faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, mialohan'ny hivoahany an-dranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika ny Alarobia Alina eo anelanelan'ny Faritra Melaky sy Menabe.
Mankahery ireo efa tena ao anatiny ✊
Cyclones à Madagasca