Compagnie Territoriale de la Gendarmerie Nationale Ambohidratrimo - Maromby

Compagnie Territoriale de la Gendarmerie Nationale Ambohidratrimo - Maromby Ny vondro-tobim-paritra zandarimaria Ambohidratrimo dia faly mandray anao

📢📢FAMPITSAHARANA FIKAROHANA👍🙏Mbola misy ny olona tsara sitrapo nanoro ny misy an'i Atoa Isaac.Mankasitraka sy mankatelin...
04/03/2023

📢📢FAMPITSAHARANA FIKAROHANA

👍🙏Mbola misy ny olona tsara sitrapo nanoro ny misy an'i Atoa Isaac.Mankasitraka sy mankatelina ny nanome loharanom-baovao.

📢📢📢📢FILAZANA FIKAROANA 🎯Iangaviana izay mahita ity lehilahy na manana loharanom-baovao mahakasika ny mety hahitana azy m...
02/03/2023

📢📢📢📢FILAZANA FIKAROANA

🎯Iangaviana izay mahita ity lehilahy na manana loharanom-baovao mahakasika ny mety hahitana azy mba hampilaza anay zandary eto amin'ny compagnie Ambohidratrimo 0347777627.
🎯Ho tazominay tsiambaratelo ny mahakasika anao.

👮Atoa Isaac ohh‼️manatona anay ianao dia ny mbola tsy dia mamay loatra ny mahakasika anao.

📢📢FAHATRARANA MPAMAKY TRANO, MPAMAKY FISOKO‼️👉Rehefa nahazo fitarainana maro avy amin' olon-tsotra mahakasika ny fisiana...
01/03/2023

📢📢FAHATRARANA MPAMAKY TRANO, MPAMAKY FISOKO‼️

👉Rehefa nahazo fitarainana maro avy amin' olon-tsotra mahakasika ny fisiana olona mpanao halabotry mangalatra ny akoho amamborona (akoho gisa,gana,dokotra..)ny zandary teto amin'ny Brigade Ambohidratrimo dia nanao ny hetsika fikarohana avy hatrany.

💢Ny alin'ny 28 febroary tokony tamin'ny 02 Ora maraina no nahazo fampandrenesana ny zandary mpanao fisafoana teny amin'ny Fokontany Fiakarana CR Anosiala fa misy olona misikotra ny tranony.

👮🕵️Raikitra ny fifanjevona sy ny fisamborana , lehilahy miisa efatra no tratehaka niaraka tamin'ny gisa niisa 05 ary gana niisa 03.

❌Tsy manaiky izahay zandary ety Ambohidratrimo raha ny tantsaha mivelona amin'ny fiompiana kosa no atao tahaka izany! TSIA TSIA.‼️

🎯Hafatra: aza mihafahafa miantso anay rehefa misy tranga mitranga mba hahafahana mandray fepetra aingana avy hatrany ‼️

28/02/2023

📢📢RESAKA CARNAVAL ILAHY RAHA.

😁Noheverin'izy ireo fa mbola déguisement ihany ka efa ilay tena mpitandro filamina tena izy.

🙏👍Tsaroana manokana ireo tovovavy Malagasy namanay manana fahasahiana,tanjaka herim-batana herin-tsaina,mahavita miatrika ny fahasarotan'ny asan'ny mpitandro filaminana.

😁😁Tandremo ihany ry zalahy fa tonga dia mijoboka ny toy izao ah‼️

fampizakan_tena_ny_vehivay_antokin'ny fampandrosoana_lovain_jafy

📢📢*FISOLOKIANA SY HALATRA  KISOA*🚨🐖🐖Rehefa tsy nahita lalana nangalarana omby teto amin'ny Distrikan'ny Ambohidratrimo d...
25/02/2023

📢📢*FISOLOKIANA SY HALATRA KISOA*

🚨🐖🐖Rehefa tsy nahita lalana nangalarana omby teto amin'ny Distrikan'ny Ambohidratrimo dia tany amin'ny kisoa indray ry dahalo ny ville no saika hanao ny asa ratsiny.

Saika lasa kisoa kelin'ny Ambomanarina....ny kisoa tsara tarehy ety Ambohidratrimo 😁

👮🕵️Olona efatra no tratran'ny zandary eto amin'ny brigade Talatamaty androany nanao fisolokiana sy halatra kisoa.

😔Olona efa mba sahirana nihary no nikasa hivarotra teny ireo kisoa nompiany no nifanojo tamin'ireto mpisoloky ireto .
Rehefa raikitra ny fifampivarotana dia nafatratra tao anaty fiara ny kisoa.Rehefa izay dia nirifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo ka namono ny finday nampiasan'izy ireo.

📍☎️Nalaky ny fampandrenesana taty anivon'ny mpitandro filaminana ka noho ny fahaiza- manaon' ny zandary dia tra-tehaka tao an-tranona vehivavy lehibe iray teny Ambohimanarina daholo ireo kisoa miisa 07.

💢❌Aza mba aty aminay aty no manao asan'ny Kamo be tenda ohatran'io no manaonkely tsy mba mamindro fa izahay akaiky ireo vahoakanay arovanay ireo!

👉Mahareza aloha mihinana gagazo fa ny kisoa lafo vidy rehefa asiana bom ary tin 🐖

📸📸Sary hita teny ho eny♥️🤔🤔Fa misy inona feno Emmoreg ny tanana⁉️Ny valiny ka taitaitsy andron'ny sekoly niany ty‼️😅Ny f...
24/02/2023

📸📸Sary hita teny ho eny♥️

🤔🤔Fa misy inona feno Emmoreg ny tanana⁉️
Ny valiny ka taitaitsy andron'ny sekoly niany ty‼️😅

Ny fahamarinana dia mivaoka avy amin'ny vavan'ny zaza sy ny zavatra ataony.

Mirary soa rankizy ah! ho tonga amin'ny tanjona iriany avy ianareo ho lasa tonton sy tatie Emmoreg daholo ♥️

® Sary indrana

📢📢*FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA NY FAMPIANARANA*😁Miverina mianatra daholo ianareo rankizy rampitso satria lasa FREDDY.‼️😅👉...
22/02/2023

📢📢*FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA NY FAMPIANARANA*

😁Miverina mianatra daholo ianareo rankizy rampitso satria lasa FREDDY.‼️

😅👉Satria ihany koa mimenomenona daholo ny Ray aman-dreny aminareo mitaraina isakin'ny minitra hoe NOANA NOANA NOANA foana.
👉Satria koa ianareo tsy nanaraka n'y zavatra notenen'ny tonton gendarme omaly hoe aza variana amin'ny Tik Tok,face Book,Ludo,mianarana lesona homany dien'izao fanadinana tapa-bolana faharao .

♥️♥️🥰Ny fianarana no lova tsara indrindra rankizy ah!!!

📢  *FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA NY FAMPIANARANA*👉Tsy mianatra Faritra Analamanga manomboka ny alarobia 22 febroary - zoma...
21/02/2023

📢 *FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA NY FAMPIANARANA*

👉Tsy mianatra Faritra Analamanga manomboka ny alarobia 22 febroary - zoma 24 febroary 2023.

😅💢Ekena fa faly ianareo rankizy saingy rehefa mijanona any an-trano dia mamerina lesona,mamaky boky,manao fanazaran-tsaina amin'ny enti-mody satria vao lasa eo i Freddy dia raikitra indray ny fanadidanana tapa-bolana faharoa.

🎯Aza variana amin'ny télé,Tik Tok,facebook, Instagram, Ludo sns...sarobidy ny fotoana aza laniana amin'ny zavatra hafa.

❌Dia aza manata-bava ireo Ray aman-dreny fa hendre tsara hoy tonton anareo gendarme

20/02/2023

📢💨🌪️"ARO LOZAN'NY RIVO-DOZA"

Zakanao nga ny zakanay⁉️
Tsy zakan'ny Freddy ny tafotranonay ‼️
Zakanao nga ny fasika gony iray⁉️
Antsoy ny zandary ra tsy zakanao
Fa hampianay hozakanao ny zakanay‼️

🙏Tsy mbola tara ry reto ahh!
Amafiso ny tafo-trano sy ny tao-trano rehetra.

👉Tsindrio ny rohy fa ao ny hafatra feno sy misimisy kokoa.

https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=151477177727198&id=100085947492431&mibextid=Nif5oz

Soava mandry avy oh!!!

👍📢📢 *IZAY TSARA FIOMANANA TSY HO TAMPOHIN'NY LOZA*👉💨Loza voajanahary io ry namana mpiara-belona fa tsy ozona izany a‼️💢A...
19/02/2023

👍📢📢 *IZAY TSARA FIOMANANA TSY HO TAMPOHIN'NY LOZA*

👉💨Loza voajanahary io ry namana mpiara-belona fa tsy ozona izany a‼️

💢Andao dieny izao hiomana fa tsy mbola tara .

🤌Tsy ilaina ny mikoropaka sy taitaitra fa ny fahamalinana no zava-dehibe.

Inona avy ary ireo fihetsika tokony hatao.⁉️

*FISOROHANA MIALOHA*
👉 amafiso ny tafo sy ny tao-trano rehetra
👉 alalaho sy diovy ny lakan-drano hivarinan'ny rano rehetra.
👉Tapaho izay hazo mety hampidi-doza
👉manangona izay entana rehetra mety ilaina amin'ny fiainana andavan'andro sahaza ny ankohonanao (rano,siramamy,saribao,menaka,labozia,afokasoka na briquet sns..)
👉 ataovy anaty harona plastika izay taratasy rehetra hatahorana ho lena
👉Aleo tonga dia miala amin'ny ireny toerana iva atahorana ho difotra ary mihazo avy hatrany ny toerana avo

*REHEFA AO ANATIN'NY RIVO DOZA*🌪️🌪️

📌Fadio ny mivoaka ny trano raha tsy misy antony manokana
📌Matoria ambany latabatra na zavatra mafy
-📌Fadio ny milalao herinatra mihanjaka
📌Fadio ny manaraka rano mandeha na miandriaka mandeha lakana.
📌Araho maso ireo tamboho na trano hahiana hihotsaka na hianjera ary hialao lavitra

*REHEFA RAVA NY RIVO-DOZA*🌅
📍Fadio ny mandehandeha amin'ny toerana ahiana hihotsaka
📍Fadio ny mandray sy mikasika ireny andrin-jiro sy tarobia mitondra herinaratra ireny
📍Araho tsy tapaka ny vaovao.

🚨📞☎️Ary farany aza adinoina ny miantso anay rehefa misy trangan-javatra mety na efa mitranga fa vonona ny zandary eto amin'ny vondro-tobim-paritra Ambohidratrimo hanampy hatrany anareo.

💢Hafatra kely ho an'i FREDDY *aza mba mamely mafy raha azo atao azafady*🙏🙏

♥️♥️🌹🖤GIOVANNA🖤🌹♥️♥️🖤Mandriam-piadanana Giovanna kely!♥️Ny anjelin'ny lanitra anie hitsena anao any amparadisa ary hamet...
18/02/2023

♥️♥️🌹🖤GIOVANNA🖤🌹♥️♥️

🖤Mandriam-piadanana Giovanna kely!
♥️Ny anjelin'ny lanitra anie hitsena anao any amparadisa ary hametraka anao any amin'ilay fiainana nampanetenain'ny Tompo.

🙏Ny fisinao sy ny fahitana ny ady natrehinao zazakely iny dia mampisy fanentanana ho anay miatrika olana mianjady amin'ny tsirairay fa mbola handresy izahay satria tsy misy dikany akory ny adinay mihaotra ny nataonao.
♥️Mbola ihany koa nampisehoan'ny Malagasy fa mbola misy ny soatoavina "NY FIRAISANKINA sy NY FIFANKATIAVANA"

🕯️Mamerina ny fiaraha-mihory ho an'i fianakina
Ho lasan'izay ny ratsy rehetra.

🖤🌹🕯️👼👼Repose en paix petit ange

♥️♥️♥️FANOMEZANA RÀ ♥️♥️♥️🙏🌹Toy ny fanao isan-taona   eto anivon'ny compagnie zandarimaria Ambohidratrimo dia mamaly ny ...
18/02/2023

♥️♥️♥️FANOMEZANA RÀ ♥️♥️♥️

🙏🌹Toy ny fanao isan-taona eto anivon'ny compagnie zandarimaria Ambohidratrimo dia mamaly ny antson'ny mpiaram-belona izahay.

💥🩸🩸💞Satria izay manome rà manome aina dia mety misy olona marary mitady rà maika any , mety iny rà iny no hanavotra ny ainy ka hafahafany miara-miaina amin'ny fianakaviany indray. Tsy isalasalana satria anatin'ny asa fanomezan-danja ny aina avokoa izany.

🩸🩸Salamà daholo ianareo izay tojo aretina amin'izao fotoana izao.

🎯🥰Hafatra kely: rehefa nomena Rà maimaimpona ianareo raha azo atao mba omeo maimaimpona koa izay mitady.

Address

Ambohidratrimo

Telephone

+261347777627

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Compagnie Territoriale de la Gendarmerie Nationale Ambohidratrimo - Maromby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category