04/09/2026
𝗡𝗬 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗢 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗘𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗛𝗘𝗥𝗜𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢, 𝗻𝘆 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝗵𝟬𝟱 𝗦𝗲𝗽𝘁𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆 𝟭𝟬 𝗦𝗲𝗽𝘁𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲
--------------------
𝙈𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙖𝙥𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙖𝙣𝙞𝙢-𝙥𝙤𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙧𝙞𝙧𝙞𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙣!!!
Tsiokan’ny Alizay malefaka no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny 3 andro ho avy, 𝙃𝙞𝙫𝙚𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖 𝙠𝙖 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙯𝙤 𝙫𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙠𝙤𝙨𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙡𝙖𝙩𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙫𝙮 𝙞𝙯𝙖𝙤 𝙠𝙖 𝙝𝙞𝙨𝙮 𝙛𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙮 𝙢𝙞𝙨𝙤𝙣𝙜𝙖𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙥𝙖̀𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙗𝙤𝙣𝙮 𝙖𝙧𝙮 𝙝𝙤 𝙫𝙤𝙡𝙤𝙣’𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙧𝙞𝙧𝙞𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙞𝙨𝙞𝙠𝙖.
Amin’ny ankapobeny dia saika ho maina ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy manerana ny faritra rehetra, hifandimby eo ny rahona sy ny masoandro. Manomboka ny Talata ho avy izao kosa dia ho volon’andro ririnina tanteraka ato anatin’ny Faritra Alaotra-Mangoro, ka handrahona na hanjombona ny tontolo andro izay ho arahina erika, ka hatevina kokoa izany ny ao Mangoro sy ny ilany atsinanan’Alaotra rehetra. Tombanana ho antonony [20-30mm] ny tahan’ny rotsakorana ho an’ny telo andro faharoa ao Mangoro sy ny ilany atsinanan’Alaotra. Ho kely [0-15mm] kosa ny any amin’ny faritra sisa
Hisy fidinany misongadina ny maripàna ambony manomboka ny Talata izao. Tombanana hanodidina ny 21°C-28°C ny maripàna ambony hanodidina ny 11°C-13°C kosa ny maripàna ambany.
------------------------
Météo Alaotra-Mangoro