Edwin Randrianarivo - Député de Madagascar élu District Ambatoboeny

Edwin Randrianarivo - Député de Madagascar élu District Ambatoboeny Solombavambahoaka ny Madagasikara voafidy tato anatiny Distrikan'ny Ambatoboeny 🇲🇬

📍 M A D I R O V A L O_ Birao-panjakana,Sekoly,ary trano fonenana ny vahoaka maro ny potika vokatrany fandalovany rambo-n...
28/11/2025

📍 M A D I R O V A L O

_ Birao-panjakana,Sekoly,ary trano fonenana ny vahoaka maro ny potika vokatrany fandalovany rambo-ndanitra
_ Olona 3 no fantatra fa namoy ny aina nilatsahambaratra
_ Simba ny fotodrafitrasa WELIGHT izay mamatsy herinaratra ny vahoaka

Hataraina sy fo feno alahelo no nandrenesany Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin io tolakandro io manoloana vaovao ratsy nandalo taminareo vahoaka tany aminy Kominina Madirovalo .

Miantso ny Fitondram-panjakana tarihiny Andriamatoa Filohan'ny FANAVAOZANA hijery akaiky izao loza nahazo ny vahoaka izao ary miantso ihany koa ny malala tanana rehetra mba hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara mamindra indrindra isika zanakany Distrikan'ny Ambatoboeny mba hanampy ireo havantsika ireo fa mafy ny nahazo azy ireo

Mankahery anareo vahoaka fa efa mijery fomba rehetra sy zay azo atao manoloana ny zava-misy izao ny Tompon'andraikitra rehetra

📍 VAOVAO MAMPALAHELO    Manoloana ny voina nahazo anareo vahoaka ao anatiny Commune Rurale Madirovalo vokatrany rambo-nd...
28/11/2025

📍 VAOVAO MAMPALAHELO

Manoloana ny voina nahazo anareo vahoaka ao anatiny Commune Rurale Madirovalo vokatrany rambo-ndanitra mahery vaika izay nahafatesana olona 3(antotanisa vonjimaika) sy nanimba trano fonenanareo vahoaka maro

Ny Solombavambahoaka Madagasikara Randrianarivo Edwin sy ny piara-miasa aminy dia miondrika am-panajana manoloana ireo namoy aina ary mankahery anareo vahoaka rehetra izay potika fanana vokatra izany .

Tsy ho irery ianareo vahoaka fa ho avy izahay 🙏

📍UNIVERSITÉ MAHAJANGA (A.E.S.A)   Tonga namangy sy nijery ireo zanakan'ny distrikan'Ambatoboeny mianatra eo anivon'ny UN...
28/11/2025

📍UNIVERSITÉ MAHAJANGA (A.E.S.A)

Tonga namangy sy nijery ireo zanakan'ny distrikan'Ambatoboeny mianatra eo anivon'ny UNIVERSITÉ MAHAJANGA ny Solombavambahoaka Madagasikara Randrianarivo Edwin ny maraina teo,

Nandritrany fifampiresahina sy fifanakalozana niaraka taminy izy ireo moa dia nangataka taminy Andriamatoa Solombavambahoaka ireo pianatra mba ividianana WI-FI STARLINK mba hoentina manao recherche sy anampy azy ireo aminy fianarana izay ataony,tsy nisalasala moa ny tenany fa avy hatrany dia novidianany izany ireo pianatra ary iantohany tanteraka ny ABONNEMENT isambolana aminy izany .

Nanome hafatra azy ireo ny Solombavambahoaka dia ny hoe ataovy tsara ny fianarana izay ataonareo aty mba ho reharehany Ray aman-dreny sy distrika ntsika aoriana any rehefa tafita ianareo ka ataovy aminy fo fa za dia vonona hanampy anareo hatrany aminy izay rehetra vitako

Ho avy tsy ho ela ny WI-FI STARLINK ho any ireo monina any aminy UNIVERSITÉ faritra hafa sy ny COMMUNE rehetra ato anatin'ny distrikan'ny Ambatoboeny

📍L F I   2 0 2 6Mankasitraka ny Ministren’ny Toekarena sy ny fitantanambola Hery RAMIARISON sy ny ekipany niaraka aminay...
26/11/2025

📍L F I 2 0 2 6

Mankasitraka ny Ministren’ny Toekarena sy ny fitantanambola Hery RAMIARISON sy ny ekipany niaraka aminay teto hatramin’ny *travaux de commission* ka hatramin’ny farany .

Nisokatra ho any Solombavambahoaka rehetra ny adihevitra ka nandritrany fandrasaim-pitenenana nataony Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin no nanambarany fa tontolon'ny fambolena sy fiompina,fanabeazana,fahasalamana, Lalana ary ny fandriam-palemana no tokony atao laharapamehana anatiny izao LFI 2026 izao ary niady mafy ny ampiakarana tetibola aminy zany tenany ary anisany napandany ny fampiakarana karama 14% ihany koa ny tenany .

Manantena asa mivaingana sy vokatra azo tsapain-tanana aminareo ministera tsirairay ny vahoaka ato aminy Distrikan'ny Ambatoboeny raha arakany nambarany hatrany

25/11/2025

Mivahiny ao aminy RADIO Madagasikara izao alina ny Solombavambahoaka ny Ambatoboeny !

AMBATOBOENY ‼️  eto ambatoboeny dia misy andiany olona mivarotra PUCE na SIM amorondalana ireny eto an-toerana izay PUCE...
24/11/2025

AMBATOBOENY ‼️

eto ambatoboeny dia misy andiany olona mivarotra PUCE na SIM amorondalana ireny eto an-toerana izay PUCE efa misokatra aminy anarany olona hafa .

Ny fomba fanaovany izy ireo azy dia raha ohatra ka tonga ianao mividy PUCE aminy izy ireo dia iny karapanondro iny anaovany ireo PUCE roa ka raika omeny reo anao dia raika tazominy izy ireo ka rehefa misy olona mitady PUCE tsy misy karapanondro dia iny no amidiny izy ireo izay efa misokatra aminy anarany olona hafa

Manao antso avo aminy tomponandraikitra ireo sy Lehiben’ny Opérateur mobile 3 any aminy FOIBE ny Solombavambahoaka Madagasikara Randrianarivo Edwin sy izahay piara-miasa aminy mba hijery akaiky any izao zava-misy izao satria tsy mety raha sanatria ka ireny olona efa mividy PUCE misoratra aminy anaran'olona ireny manao zavatra tsy manjary dia lasa ilay olona tena misoratra aminy tompony tena karapanondro no tratra farany .

Handray ny andraikitra manandrify anay izahay aoriany zao antso avo ataonay izao

📍VAOVAO MAHAKASIKA NY RAHARAHA AMBOARA Olona 3 no naiditra am-ponja vonjimaika ao marofoto ny  mahajanga ny ariva teo re...
20/11/2025

📍VAOVAO MAHAKASIKA NY RAHARAHA AMBOARA

Olona 3 no naiditra am-ponja vonjimaika ao marofoto ny mahajanga ny ariva teo rehefa nandalo fampanoavana tao mahajanga

Voalaza fa nahitana porofo SMS taminy finday any izy ireo ka anisany nanampy betsaka taminy famotorana any izy ireo ihany koa

Ny vehivay iray fahatelo izy ireo dia heverina ho mpaniraka izay mipetraka tsy lavitra ny toerana ipetrahany AMBOARA

Manaraka akaiky ny fizotrany raharaha Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin sy nu piara-miasa aminy .

Source : Dadabeny AMBOARA

Ny toerana sy tanàna nandalovany Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin nanomboka ny Zoma lasa teo hatraminy ...
19/11/2025

Ny toerana sy tanàna nandalovany Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin nanomboka ny Zoma lasa teo hatraminy lahady

Ny Lakamisy alina dia tonga teto Ambatoboeny tenany avy any Antananarivo

Ny Zoma dia avy hatrany dia lasa namonjy ny vahoaka ny Manerinerina Rn-6 traboina vokatrany
haintrano ka nanolotra fanampiana ho azy ireo (sary1)

Ny Sabotsy indray dia niazakazaka nandeha namonjy ireo vahoaka tany Ankirihitra izy ka nihaona sy nitafa taminy ireo vahoaka nihaino ny marary azy ireo (sary faha-2)

Ny Alahady maraina dia niantso azy taminy téléphone ny vahoaka ny AMBONIO ovina ianao no malalaka fa zahay vahoaka mila miona aminao ka namaly avy hatrany izy fa tsy mila mamonjy ahy aty Ambatoboeny izany ianareo fa za mihintsy no ho avy any aminareo izao (sary faha-3) niverina avy any tonga dia nanotrona any ireo tanora tao aminy STADE RAZAFITSALAMA GABRIEL (sary faha-4) ary taorian’ny izay dia avy hatrany dia niverina Antananarivo ny tenany niatrika fivoriana nanomboka latsinainy teo(sary faha-5)

FEHINY : am-perinasa tanteraka ny Solombavambahoaka ny Ambatoboeny ary manao fanamby ny tenany fa tsy maintsy ho teteziny avokoa ny fokontany rehetra 137 ato anatiny Distrikan'ny Ambatoboeny mandritrany fotoana itondrany izao,tsy mora ny asa sy adidy nankinitsika vahoaka taminy fa anao ezaka rehetra izy ampandrosoana any Distrikan'ny Ambatoboeny malalantsika ity

17/11/2025

📍HO AN'I DISTRIKAN'NY AMBATOBOENY

Face à face taminy ireo membres Gouvernement vitsivitsy izay nantsoinay androany
- LALANA
- HERINARATRA
- RANO FISOTRO MADIO
- OLANA AO AMIN'NY CHRD sy DENTISTE
- DISTRIKA HO AN'I TAPANY ATSINANA

05/11/2025

📍FILANKEVITRA NY MINISTRA

NOESORINA AVOKOA NY DREN REHETRA MANERANA NY MADAGASIKARA .
Tafiditra ao anatiny izany ny DREN ATO AMIN'NY FARITRA BOENY

TOLO-TANANA HO AN'I AMBOARA ‼️‼️‼️‼️Ho antsika rehetra zay vonona anolo-tananaHo antsika rehetra zanaka Ambatoboeny ampi...
27/10/2025

TOLO-TANANA HO AN'I AMBOARA ‼️‼️‼️‼️

Ho antsika rehetra zay vonona anolo-tanana
Ho antsika rehetra zanaka Ambatoboeny ampio tolo-tanana ny havantsika fa mafy nahazo any Zaza vavy kely AMBOARA

Ny solombavambahoaka Madagasikara Izay voafidy tato anatin'ny Distrikan'ny Ambatoboeny Randrianarivo Edwin dia anaraka akaiky ny raharaha ary manome toky antsika vahoaka fa tsy avelantsika mora izao 😡

ATAONAY MANGARAHARARA TANTERAKA NY FITANTANA ary MISY NY TATITRA HO ATAO aminy ireo vola azo

Address

Ambatoboeny
Ambato Boeni
403

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Edwin Randrianarivo - Député de Madagascar élu District Ambatoboeny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share