Madagasikara Iray

Madagasikara Iray Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Madagasikara Iray, Political Party, Antananarivo, Alakamisy.

Antoko politika:
MIR (MADAGASIKARA IRAY)

Filamatra:
Lamina sy Fandriam-pahalemana

Hany Antoko politika manana ideolojia sy dôktrina eto Madagasikara ary entina politologue na mpisehatra eo amin'ny lafiny politologie.

Marihinay MIR fa izahay dia tsy antoko mpanohitra ary tena mankasitraka ny nanesoran'ny Vahoaka ny Fitondrana teo aloha ...
10/05/2026

Marihinay MIR fa izahay dia tsy antoko mpanohitra ary tena mankasitraka ny nanesoran'ny Vahoaka ny Fitondrana teo aloha ary araka ny teny Filamatry ny antoko MIR "Lamina sy Fandriampahalemana" dia manohana hatrany ny fisian'izany izahay.
Noho izany dia miomana ireo Fifidianana rehetra hoavy toy ireo antoko politika rehetra vonona ny ho amin'izany sy handray anjara amin'izany.

10/05/2026

Manana programa sosialy sy programa politika mafonjana ny MIR.

A - PROGRAMA SOSIALY

Mizara roa ny Programa sosialy

I - Programa sosialy-nasionaly:
Izany hoe ny iraisan'ny Malagasy iray manontolo.

II - Programa sosialy ara-paritany:
Izany hoe tsy hitovy mihitsy ny zavatra ilain'ny Fiarahamonina sy vondron'olona any amin'ny Faritany enina eto Madagasikara.
Madagasikara dia Nosy, voadidina ranomasina ka tsy hitovy na hoviana na hoviana ny ilain'ny Fiarahamonina miaina amin'ny ranomasina sy ny olona miaina sy mivelona amin'ny tany tsy misy ranomasina. Hatao anefa ny hampifandaja an'ireo mba hifameno.

B - PROGRAMA POLITIKA

Mizara roa ny Programa politika:

I - Programa politika anatiny:
Haverinay ny Faritany satria ireo dia "Administration politico-territoriale" fototra.
Izany hoe na mijanona ho UNITARISME no misy na ho FEDERALISME dia fototra foana ny Faritany enina.
Tsy sarotra ny mamolavola ireo mifanaraka @ Faritany ka ny Faritra dia antanatohatra eo ambany fifehezany anatin'ny Rafitra mijidina na (Structure verticale).
Tsy hitantsika Malagasy ny naharatsy ireny Faritany enina ireny fa ny olona mora nomena "hoditr'akondro" no namotika azy ireny mba handrobana ireo Fananana (Patrimoine) navelan'ny Faritany ka voaroba daholo ireo tany sy harena isam-paritra.
Haverinay ireny.

II - Programa politika ivelany:
Fisokafana amin'ny Vondrona BRICS sy OCS.
Ny Fifandraisana ara-diplomatika dia tsy misy afa-tsy tombotsoa eo amin'ny Firenena tsirairay ka izay Fifanarahana ahitana tombotsoa hoan'ny Firenena sy ny Vahoaka dia hosoniavinay daholo izay Fifanarahana rehetra tsy mamotika ny Fiarahamonina sy tsy hanimba ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Ny MIR manana ny pratika hanatsarana ny Diplomasia malagasy ary manana olona mamolavola an'izany.

Halefanay dinihina any amin'parlemanta ny Fanendrena Masoivoho izay hisolontena an'i Madagasikara ka dinihina any ny CV, dingana vita, ny marim-pahaizana ary hojerena ny nazahoan'izy ireny diploma mba hialana amin'ny fisandohana.
Ny fahaizana no mikaonty na dia toerana politika aza ny toerana Ambasadaoro.

🕊️

Fitomboka maha MIR ny MIR sy hafantarana ny MIR.Mandray roa ny hevitra sy dikan'ny teny hoe MIR amin'ny teny rosianina.V...
09/05/2026

Fitomboka maha MIR ny MIR sy hafantarana ny MIR.
Mandray roa ny hevitra sy dikan'ny teny hoe MIR amin'ny teny rosianina.
Voalohany ny dikan'ny teny hoe MIR dia Fandriampahalemana.🕊️
Dikany faharoa dia midika hoe Tontolo na koa Izao Tontolo Izao.🌍

🕊️🌍

FETIN'NY FANDRESENA🇷🇺🤝🇲🇬09 May 1945 - 09 May 2026Androany 09 May "Fetin'ny Fandresena"81 taona mitsingerina amin'ity and...
09/05/2026

FETIN'NY FANDRESENA🇷🇺🤝🇲🇬

09 May 1945 - 09 May 2026
Androany 09 May "Fetin'ny Fandresena"
81 taona mitsingerina amin'ity androany ity ny Fazahoana Fandresena nanoherana an'i Alemana N**i tamin'izany izay Fandresen'ny Miaramila Sovietika tamin'izany fotoana izany.
Eo amin'ny lafiny jeopolitika dia fiovana goavana no nisy teto amin'izao tontolo izao satria rehefa tsy maintsy nizara ho "Bloc" roa izao tontolo izao dia nangataka ny tsy maintsy hamotsorana ireo zanatan'ny "Bloc Tandrefana" ny Fitondrana Sovietika ary voafaritra io ao amin'ny "Fifanarahan'i Yalta" tamin'ny taona 1945.
Izany hoe Lamina Iraisam-pirenena vaovao taorian'ny Fanjanahan-tany no nisy.

🕊️

https://madagasikara-iray.mg/join-us/Miezaka ny MIR hatongantsika Mpiara-dia hiditra amin'ny sehatry ny nomerika (numéri...
06/05/2026

https://madagasikara-iray.mg/join-us/
Miezaka ny MIR hatongantsika Mpiara-dia hiditra amin'ny sehatry ny nomerika (numérique) eo amin'ny Fifandraisana ao anaty tranokala ka ao ao no afahana manoratra anarana ho Mpikambana ihany koa hoan'ireo resilahatra fa ny no tena hanova an'ity Madagasikara ity amin'ny alalan'ireo Programa sôsialy efa ananany sy ireo metaody siantifika hoatao fa indrindra fa ny TECHNOLOGIE ELECTORALE. Anisany Politologue nanoratra mikasika ny Technologie éléctorale ny Filohan'ny MIR. Singa iray anatin'ny TECHNOLOGIE POLITIQUE ny Technologie éléctorale.
Noho izany dia afaka manao fisoratana anarana ato amin'ny rohy isika erak'i Madagasikara.
Tsy misy afa-tsy metaody siantifika ihany sisa no afaka hampandrosoana an'ity Firenena Malagasy ity fa kabary toram-po toy nisy hatramin'izay.
https://madagasikara-iray.mg/join-us/
🕊️

Address

Antananarivo
Alakamisy
105

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Madagasikara Iray posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share